Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
9–15 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: “Manorena … tranon’ Andriamanitra”


“9–15 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: -Manorena … tranon’ Andriamanitra,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“9–15 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
efitrano misy seza sy dabilio

9–15 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

“Manorena … Tranon’ Andriamanitra”

Amin’ny maha-mpampianatra ny filazantsara anao dia manana andraikitra ianao hanampy ny mpianatrao “[hifampianatra] ny fotopampianaran’ny fanjakana” sy ny “teny fahendrena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77, 118). Ankoatra ny fizarana ny zavatra izay hanentanan’ny Fanahy mba ho ampianarinao avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia amporisiho ireo mpianatra hifampianatra ny zavatra nianarany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray dia mitaona hizara zavatra ny sary. Afaka maneho sarina sampana oliva iray ianao (na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe izany) dia asao ireo mpianatra mba hizara andininy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 izay manampy azy ireo hahatakatra ny antony nahatonga an’i Joseph Smith niantso io fanambarana io hoe “‘ravin’oliva’ … , ny hafatry ny Tompo mitondra fiadanana ho antsika” (sasin-tenin’ny fizarana).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–50

Ny fahazavana sy ny lalàna dia avy amin’i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–50 dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe fahazavana sy lalàna dia zarao ho vondrona roa ny mpianatra. Ny vondrona iray dia afaka mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–13, 40–50, ka hitady ny zavatra ianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo zavatra izay miresaka momba ny fahazavana ao amin’ireo andininy ireo. Ilay vondrona iray hafa dia afaka mandalina ny andininy 13–26, 34–42 ka hitady ny zavatra ianarany momba ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny lalàny. Inona no ampianarin’ireo fahamarinana momba ny hazavana sy ny lalàna ao amin’ny fizarana 88 antsika momba ny Mpamonjy? Ahoana no hitaoman’izany antsika ho lasa tahaka Azy bebe kokoa?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–76, 119–26

Afaka ny ho lasa madio isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.

  • Ny fanomezan’ny Tompo didy hoe “manamasina ny tenanareo” dia miseho indroa ao amin’ny fizarana 88 (andininy 68, 74). Raha entanim-panahy hifanakalo hevitra momba ny dikan’izany ianao dia azonao atomboka izany amin’ny fiarahana mikaroka ny famaritana ny teny hoe manamasina izany na amin’ny fijerena ireo andinin-tsoratra masina voatanisa eo ambanin’ny teny iditra hoe “Fanamasinana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Azonao asaina ihany koa ireo mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–76, 119–26 ka hifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto miaraka amin’ny namana iray: Ahoana no ahafahantsika ho lasa masina? Inona no fampanantenana avy amin’ny Tompo izay hitantsika ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana isika no tian’ny Tompo hadio? Afaka mahita ny valin’ireo fanontaniana ireo koa izy ireo ao amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana” (Liahona, mey 2019, 91–94; jereo ihany koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–78, 118–26

Tian’ny Tompo hikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy finoana isika.

  • Ny torohevitra nomen’ny Tompo mba hanorenana “sekolin’ny mpaminany” tao Kirtland (adininy 137) dia afaka manampy ireo mpianatra ao anatin’ireo ezaka ataonareo mba “[hifampianatra] ny fotopampianaran’ny fanjakana” (andininy 77). Angamba azonareo jerena ny andininy 77–78 ary 118–26 ary afaka mifanakalo hevitra ianareo ny amin’ny fomba hanaovana ny kilasinareo ho “tranon’ny fianarana” (andininy 119). Azon’ireo mpianatra atao ny manoratra “fitsipika mifehy ny kilasy” na fitsipika mifototra amin’ireo andininy ireo izay hitarika ny fianarana ao amin’ny kilasinao. Azonao angatahina ihany koa ireo mpianatra mba hizara ny fiezahan’izy ireo mampihatra ireo fitsipika ireo rehefa mikatsaka ny fianarana izy ireo (andininy 118).

    Sary
    ankizy mandalina ny soratra masina

    Afaka ny ho toerana ho an’ny fianarana ara-panahy ny tokantranontsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119

Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.

  • Raha azo atao dia mampisehoa sarin’ny tempoly akaiky indrindra eny amin’ny solaitrabe dia asao ireo mpianatra mba hanoratra eo akaikin’izany ireo teny avy ao amin’ny andininy 119 izay ampiasaina mba hanoritsoritana ny tranon’ny Tompo. Asao izy ireo hizara zavatra niainana izay maneho ny fahamarinan’ny fomba tsirairay izay namaritana ny tempoly. Afaka mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’io andininy io mitarika ny fiainantsika ihany koa ianareo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Miantomboka amin’ny Mpamonjintsika ny fibebahana, ary fifaliana izany fa tsy enta-mavesatra. …

“Mba ho voadio amin’ny alalan’ny fibebahana dia tsy maintsy mamoy ny fahotantsika isika ary mibaboka izany amin’ny Tompo sy amin’ny mpitsarany eto an-tany raha takina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43). Nampianatra koa i Almà fa tsy maintsy -[manao] ny asan’ny fahamarinana- isika (Almà 5:35). Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ilay fanasana miverimberina ao amin’ny soratra masina mba hanatona an’i Kristy.

“Mila mandray ny fanasan’ny Tompo isika isaky ny andro Sabata. Manao fanekempihavanana isika ao anatin’izany ôrdônansy izany ary mandray ireo fitahiana izay manampy antsika handresy ireo fanaovana zavatra na ireo faniriana izay manakana antsika tsy ho tonga amin’ilay fahalavorariana izay anasan’ny Mpamonjy antsika mba hotratrarina (jereo ny Matio 5:48; 3 Nefia 12:48 Rehefa -mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenan[tsika], ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herin[tsika], ny sain[tsika] ary ny tanja[tsika] rehetra,- dia afaka ny ho tonga -tanteraka ao amin’i Kristy- isika ary azo -hamasinina- amin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany mba hahatonga antsika -ho masina, tsy misy pentina- (Môrônia 10:32–33). Fampanantenana lehibe izany! Tena fahagagana izany! Tena fitahiana izany!” (“Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona, mey 2019, 92).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitadiava loharanom-pitaovana mba hanohanana ireo fitsipika. Ankoatra ireo tolo-kevitra aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka mitady horonan-tsary na hira na haikanton’ny Fiangonana izay mampianatra ireo fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17–18).

Hamoaka printy