Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
2–8 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87: “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo”


“2–8 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87: -Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“2–8 aogositra. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
fianakaviana mandeha any amin’ny tempoly

2–8 aogositra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87

“Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo”

Aza mahatsapa ho voatery hahavita ny andininy tsirairay, na ny fizarana tsirairay mihitsy, amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandritra ny Sekoly Alahady. Avelao ny Fanahy hitarika anao, ary mahaiza mamaly an’izay hitan’ireo mpianatra fa manan-danja amin’ny fiainany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ireo mpianatra atao ny mamaky haingana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85–87 hitadiavana teny na andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo (mety hoe teny na andian-teny izay nomarihiny tao amin’ny soratra masiny izany). Angataho izy ireo mba hanoratra ireo teny na andian-teniny eny amin’ny solaitrabe ary hisafidy vitsivitsy amin’izany mba hifanakalozana hevitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6

Miresaka amin’ny “feo tony sy malefaka” ny Fanahy.

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6 ny Mpaminany Joseph Smith dia nampiasa teny mpamaritra mba hilazana ny fomba niresahan’ny Fanahy taminy. Inona no ianarantsika momba ny Fanahy Masina avy amin’io famaritana io? Azonao angatahina ireo mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay niresahan’ny Fanahy taminy, ahoana no hamaritany ny zavatra niainany? Afaka mahita famaritana fanampiny izy ireo ao amin’ny soratra masina tahaka ireto: Lioka 24:32; Môzià 5:2; Almà 32:28; Helamàna 5:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 11:12–13.

  • Afaka mieritreritra lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana na fanehoan-javatra izay maneho ilay bitsika tony sy malefaky ny Fanahy ve ianao? Angamba afaka mandefa mozika masina malefaka ianao rehefa miditra ny efitrano ireo mpianatra. Afaka miresaka momba ny zavatra tsapany tamin’ilay mozika ireo mpianatra sy ny mety ho fahasarotan’ny fihainoana izany mozika izany raha toa ka nisy tabataba nanelingelina. Afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra mahavariana amin’ny fiainana izay manakana antsika tsy haheno ilay feo tony sy malefaka izany. Afaka mizara ny zavatra ataony mba hampitomboana ny fahaizany mihaino ny Fanahy ireo mpianatra. Misy torohevitra vitsivitsy hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7

Hangonina ny olo-marina amin’ny andro farany.

  • Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo tandindona ao amin’ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary: Azonao soratana eo amina tapa-taratasy misaratsaraka ireo andian-teny maneho tandindona avy ao amin’ilay fanoharana (toy ny hoe “mpamafy ny voa,” “ny tsimparifary dia manafotra ny vary,” “maniry ny vary,” ary “fanangonana ny vary” [andininy 2–4, 7]) ary izay mety ho azo handikana izany (toy ny “Apôstôly,” “Apôstazia,” “Famerenana amin’ny laoniny,” ary “asa fitoriana ny filazantsara”). Avy eo ireo mpianatra dia afaka miaraka miasa mba hampifandray ireo tandindona amin’ny dikan’izany, amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra ianarany avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7 (azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaky ny Matio 13:37–43). Nahoana no manan-danja ny nanambaran’ny Tompo ity fanambarana ity “aminareo ry mpanompoko isany”? (andininy 1). Inona no hafatra hitantsika izay mifandray amin’ny fanompoantsika ny Tompo? (jereo koa ny andininy 11).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:2, 6, 8

Fiadanana no hita ao amin’ny “toerana masina.”

Sary
vehivavy eo ivelan’ny tempoly

Ny tempoly dia toerana masina izay ahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny ilana ny “mitsangana amin’ny fitoerana masina” dia azonao atomboka amin’ny fanasana azy ireo hitanisa fanamby vitsivitsy izay atrehintsika amin’ny andro farany izany. Afaka mahita ohatra vitsivitsy izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:2, 6. Avy eo ianareo dia afaka mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny fanasana avy amin’ny Tompo ao amin’ny andininy 8 manampy amin’ireo fanamby ireo. Afaka manampy ny fanontaniana toy ireto:

    Inona no maha-manan-danja ny teny hoe “mitsangana” ao amin’io andininy io?

    Inona no mahatonga ny toerana iray ho masina?

    Inona no mety hampiala ny olona iray amin’ny toerana masina?

    Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy miala ao isika?

  • Mety hoe te hifampizara ohatra amin’ny “toerana masina” ireo mpianatra sy ny zavatra mahatonga izany ho masina (azonao hazavaina fa ny toerana masina dia tsy voatery ho toerana iray azo tsapain-tanana fotsiny). Eo am-pizaran’izy ireo izany dia amporisiho izy ireo hiresaka momba ny antony maha-masina ireo toerana ireo ho azy. Ahoana no hanampian’ireo toerana masina ireo antsika hahita fiadanana eo anivon’ireo loza amin’ny andro farany?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana Fanampiny

Mitadiava “toerana tony sy mangina isan’andro.”

Ny Rahavavy Vicki F. Matsumori, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany, dia nanome izao torohevitra izao: “Satria ny Fanahy dia faritana matetika ho toy ny feo tony sy malefaka dia tena zava-dehibe ihany koa izany ny fananana fotoana mangina eo amin’ny fiainantsika. Ny Tompo dia nanoro hevitra antsika hoe: -mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra- [Salamo 46:10]. Raha manokana fotoana feno fahatoniana sy fahanginana isika isan’andro rehefa tsy tototry ny fijerena fahitalavitra na jeux vidéo, na fitaovana elektrônika an’ny tena manokana dia manome fahafahana izany feo tony sy malefaka izany hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy hibitsika fitarihana sy fahatokian-tena ary fankaherezana mamy ho antsika” (“Manampy ny hafa hahafantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2009, 11).

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanomanana miaraka amin’ny fieritreretana ireo olona sahaninao. “Aoka ny fahatakarana ny momba ireo olona ampianarinao no hitarika ny [fiomananao]. … Tsy hoe manolo-tena ny hampiasa fomba enti-mampianatra iray manokana akory ny mpampianatra tahaka an’i Kristy fa manolo-tena ny hanampy ny olona hanorina ny finoana eo amin’i Jesoa Kristy (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).

Hamoaka printy