Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
5 aprily–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36: “Antsoina ianao hitory ny filazantsarako”


“5 aprily–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36: -Antsoina ianao hitory ny filazantsarako,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“5 aprily–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
misiôneran’ny Fiangonana tany am-piandohana

5 aprily–11 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

“Antsoina ianao hitory ny filazantsarako”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 ianao dia inona no hafatra tsapanao fa manan-danja ho an’ireo izay ampianarinao? Inona no hanentana ny fo amam-panahin’izy ireo hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara ny zavatra novakiny tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 izay nitaona azy ireo hizara ny filazantsara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

Antsoina hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso hevitra ny hitadiavana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 ny zavatra angatahan’ny Tompo amin’ireo misiônerany sy ny zavatra ampanantenainy azy ireo. Afaka mizara ny zavatra hitany ny mpianatra. (Jereo ohatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:8; 31:3–5; 32:1, 5; 35:24.) Azonao atao angamba ny manasa azy ireo hanoratra taratasy ho an’ny olona iray izay manao asa fitoriana na miomana hanao asa fitoriana amin’izao fotoana izao ary hampiditra ao anatin’izany ny sasany amin’ireo torolalana sy fampanantenana avy amin’ny Tompo.

  • Mampianatra zatovo miomana mba ho lasa misiônera ve ianao? Raha izay no izy dia azonao asaina ny mpianatra tsirairay hanadihady fizarana iray avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 ary hitady zavatra izay mitaona azy ireo hanompo. Azonao hazavaina fa ireo misiônera voalaza ao amin’ireo fizarana ireo dia olom-baovao ary tsy nanana traikefa tao amin’ny Fiangonana. Inona no nahatonga azy ireo ho afaka nitory ny filazantsara? Mety ho tianao koa ny haneho ny iray amin’ireo horonan-tsary voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no lazain’ireo horonan-tsary ireo mikasika ny antony tokony hanompoantsika amin’ny maha-misiônera sy ny fomba ahafahantsika miomana ho amin’izany?

  • Tsy ny olona rehetra no manana ny fahafahana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, saingy afaka daholo isika ny hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy sy hihaino ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. Azon’ny mpianatra atao ny manao lisitra ireo fomba isan-karazany azony hanokafana ny vavany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10). Inona avy ireo fotoana tsy ilaina amboarina fa mandeha ho azy izay ahafahantsika mizara ny finoantsika amin’ny hafa? Inona ny torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 izay azo ampiharina amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ireo fomba ireo? Hevero ny hangataka mpianatra vitsivitsy izay nanana traikefa tsara tamin’ny fizarana ny filazantsara mba hizara ny heviny sy hamaly ireo fanontaniana mety ananan’ny mpianatra rehetra.

  • Nampanantena an’i Ezra Thayer sy i Northrop Sweet ny Tompo fa raha manokatra ny vavany izy ireo mba hizara ny filazantsara, dia “ho tonga tahaka an’i Nefia fahiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8). Inona no toetoetra nananan’i Nefia izay azo ampifandraisina amin’ny fizarana ny filazantsara? (Jereo ohatra ny, 1 Nefia 3:7; 4:6; 10:17; 17:15; 2 Nefia 1:27–28). Ahoana no ahafahan’ireo toetoetra ireo manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hizara ny filazantsara?

    Sary
    misiônera mampianatra

    Mangataka antsika hitory ny filazantsara amin’izao androntsika izao tahaka izay natao tato amin’ny Fiangonana tany am-piandohana ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32–3335

Manomana antsika amin’ny asa tiany hataontsika ny Tompo.

  • Ahoana no nanampian’ny Tompo antsika hanao ny asany? Ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny fiainan’ireo olona izay resadresahina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 32–3335 dia mety ho zavatra iray tsara hanombohana mba hisaintsainana ireo zavatra niainana ireo. Ohatra, azonao atao ny mizara amin’ny mpianatra ny tantaran’i Ezra Thayer momba ny fahitana hitany ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary avy eo dia manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–13, izay ampahany amin’ny fanambarana nomena an’i Ezra Thayer. Ahoana no nanomanan’ny Tompo an’i Ezra tamin’ny asa izay tian’ny Tompo hataony? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2). Azonao atao koa ny mangataka mpianatra iray hizara fampahalalana ankapobeny momba ny fifandraisana nisy teo amin’i Parley P. Pratt sy i Sidney Rigdon (jereo ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo mpikambana vaovao tany am-piandohana” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Inona no fitahiana nentin’io fifandraisan’izy ireo io ho an’ny Fiangonana? Inona no porofo hitantsika fa niasa teo amin’ny fiainan’ireo lehilahy ireo ny tanan’ny Tompo? Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara zavatra niainana izay nanampy azy ireo hahatakatra fa nahafantatra ny fisian’izy ireo tamin’ny fomba mitovy ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fahitana hitan’i Ezra Thayer.

Nanoratra i Ezra Thayer fa fotoana vitsy talohan’ny nanaovana batisa azy dia nahita fahitana izy, ka tao anatin’izany dia “nisy lehilahy iray nitondra horonan-taratasy ho ahy ary nampiseho izany ahy, ary koa trompetra ary nangataka ahy hitsoka izany izy. Nolazaiko azy fa tsy mbola nitsoka trompetra mihitsy aho hatramin’izay niainako. Hoy izy hoe afaka mitsoka izany ianao, fa andramo. … Namoaka ny feo kanto indrindra tamin’izay efa reko rehetra izany” (“Revelation, October 1830–B, Revelation Book 1,” historical introduction, josephsmithpapers.org). Taty aoriana rehefa naharay fanambarana ho an’i Ezra Thayer sy i Northrop Sweet i Joseph Smith, izay noraketina mba ho lasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 ankehitriny, dia noraisin’i Ezra ho ilay horonan-taratasy tao anatin’ny fahitany ilay fanambarana.

Manatsara ny fampianarantsika

Entano ny mpianatra hanorina tontolo feno fanajana. “Ampio ny mpianatrao hahatakatra fa ny tsirairay amin’izy ireo dia mitondra zavatra izay misy fiantraikany amin’ny zavatra tsapa ao amin’ny kilasy. Amporisiho izy ireo hanampy anao hanorina tontolo feno fahalalahana sy fitiavana ary fanajana mba hahafahan’ny olona tsirairay mahatsapa fahatokiana rehefa mizara ny zavatra niainany sy mametraka ny fanontaniany ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15).

Hamoaka printy