Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: “Io no fanahin’ny fanambarana”


“25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9: -Io no fanahin’ny fanambarana,-” Avia, hanaraka Ahy—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“25–31 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
mpitantsoratra iray manoratra eo amin’ny taratasy

25–31 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9

“Io no fanahin’ny fanambarana”

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9 dia mampianatra fitsipika manan-danja momba ny fandraisana fanambarana. Ampiharo ireo fitsipika ireo amin’ny alalan’ny fikatsahana fanambarana mikasika ny fomba hanampiana ireo mpianatra hianatra zavatra avy amin’ireo fizarana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ireo mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–9, dia azonao asaina izy ireo mba hiresaka, araka izay mahamety izany, mikasika izay fahatsapana ara-panahy voarain’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo. Inona avy ireo hafatra tian’ny Tompo nampitaina tamin’izy ireo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6; 8–9

Miresaka amiko amin’ny alalan’ny “Fanahin’ny fahamarinana” ny Ray any An-danitra.

  • Manan-javatra maro ampianarina antsika mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Tompo ao anatin’ireto fizarana ireto ary mety tsy ho vitanao ny hiresaka azy rehetra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray. Mety manampy ny mizara ny mpianatra ho vondrona telo ary angataho ny vondrona tsirairay mba handinika ny fizarana 6, 8, na 9, ka hitady ny valin’ireo fanontaniana tahaka ny hoe: Ahoana no hiresahan’ny Fanahy Masina amintsika? Ahoana no ahafahantsika mamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana? Ahoana no ahafahantsika manomana ny tenantsika handray fanambarana? Dia afaka mizara fohifohy amin’ny iray kilasy ny zavatra hitan’ny vondrona nisy azy avy eo ny olona iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay. Afaka mamporisika ny mpianatra koa ianao mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana mahakasika ny famantarana ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Ohatra, mety misy zavatra izay mampahatsiahy antsika zavatra niainantsika manokana ve ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24?

  • Mety mahaviky ny mpianatra izay mivavaka mba hahazo fitarihana nefa tsy mahatsapa ho mahazo izany ny firesahana mikasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Afaka manampy azy ireo ny fahafantarana fa i Oliver Cowdery koa dia sahirana noho ny fahatsapany zavatra mitovy amin’izany rehefa tsy afaka nandika teny tamin’ny fomba mora araka ny nantenainy izy. Mety afaka manasa ireo mpianatra mba hikaroka ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Oliver ao amin’ny fizarana 9 ianao. Inona amin’ireo hafatra ao amin’ity fizarana ity no afaka manampy olona izay mahatsapa fa tsy mamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Tompo? Afaka manampy koa ireo teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

    Sary
    Oliver Cowdery

    Oliver Cowdery, nataon’i Lewis A. Ramsey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6–7

“Hatao aminareo araka izay irinareo Amiko.”

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoro hevitra ny handraisana an-tsoratra ireo karazana teny iray fototra amin’ny hoe maniry ao amin’ny fizarana 6–7. Azon’ireo mpianatra atao angamba ny mizara izay zavatra nianarany avy amin’izany asa natao izany, na afaka miaraka manao izany asa izany ny iray kilasy. Inona no ampianarin’ireo asa ataontsika isan’andro antsika mahakasika ireo faniriantsika? Ahoana no fomba ahafahan’ny Tompo manampy antsika mba hanova ireo faniriantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:29–37

Raha mibanjina ny Tompo isika dia afaka manampy antsika handresy ny ahiahy sy ny tahotra Izy.

  • Nahoana isika indraindray no “matahotra … ny hanao soa”? (andininy 33). Afaka manolotra antony sasantsasany mety mahatonga izany angamba ireo mpianatra miaraka amin’ireo hevitra nosintonina avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:29–37 izay manome hery azy ireo hanao soa.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy antsika mba “[tsy hiroanàhana sy tsy hatahotra]” (andininy 36), dia afaka mangataka ireo mpianatra ianao mba hanoratra eo amina taratasy kely ireo zavatra sasany izay mety hatahoran’ny olona. (Nanome ohatra vitsivitsy ny Loholona Ronald A. Rasband tao anatin’ny hafany “Aza matahotra” [Liahona, nôv. 2018, 18].) Azonao vakina mafy avy eo ny sasany tamin’ireo taratasy ireo ary mifanakaloza hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy sy ny herin’ny sorompanavotany manampy antsika rehefa matahotra isika. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:29–37 dia ahitana hevi-baovao vitsivitsy (jereo koa ny 1 Jaona 4:18). Inona no dikan’ny hoe “[mibanjina an’i Kristy] amin’ny eritreritra rehetra”? (andininy 36). Ahoana no hanampian’io fifantohana amin’ny Mpamonjy io antsika rehefa miahiahy na matahotra isika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manakatra ny fomba famalian’ny Ray any An-danitra ireo vavaka.

“Nianarako teo amin’ny fiainako fa indraindray aho dia tsy mahazo ny valin’ny vavaka iray satria fantatry ny Tompo fa mbola tsy vonona aho. Rehefa mamaly anefa Izy dia matetika mamaly -etsy kely ary eroa kely- [2 Nefia 28:30] satria izay ihany aloha no zakako na izay ihany aloha no nivononako mba hatao” (Robert D. Hales, “Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao,” na Liahona, nôv. 2011, 71).

“Inona no ataonao rehefa niomana tsara ianao, nivavaka mafy, niandry valinteny nandritra ny fotoana naharitra, ka tsy mbola nahatsapa ho nahazo valinteny ihany? Azonao atao ny maneho fisaorana rehefa mitranga izany, satria porofon’ny fahatokiany izany. Rehefa miaina amim-pahamendrehana ianao ka mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny safidinao ary mila manao asa ianao dia tohizo amim-pahatokiana izany. … Rehefa miaina amim-pahamarinana ianao ka manao asa amim-pahatokiana dia tsy hamela anao hanohy lavitra izany Andriamanitra ka hoe tsy hanome fampitandremana iray raha toa ka nandray fanapahan-kevitra diso ianao” (Richard G. Scott, “Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign or Liahona, May 2007, 10).

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa fahatokiana ny fahaiza-manao ananan’ireo mpianatra. Mety tsy manana fahatokiana ny amin’ny fananan’izy ireo fahaizana mianatra ny filazantsara ny mpianatrao sasany. Diniho ny fomba ahafahanao manome toky azy ireo fa rehefa miezaka mianatra manokana izy ireo dia hampianatra azy ireo ny Fanahy Masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29.)

Hamoaka printy