Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26: “[Nahita] andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako [aho]”


“4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26: -[Nahita] andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako [aho],-” Avia, hanaraka Ahy—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“4–10 janoary. Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
ilay Ala kely masina

Ala kely masina, nataon’i Greg K. Olsen

4–10 janoary

Joseph Smith—Tantara 1:1–26

“[Nahita] andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako [aho]”

Tsarovy fa ny fiomanana faran’izay manan-danja indrindra ataonao dia ny fandalinana ny soratra masina sy ny fiainana mifanaraka amin’ny zavatra nianaranao. Afaka manampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hifantohana mandritra ny fotoam-pianarana ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Inona no zava-baovao nianaran’ireo mpianatra rehefa nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:1–26 izy ireo tamin’ity herinandro ity? Afaka mampiseho ny sarin’i Joseph Smith na ny sarin’ny Fahitana Voalohany angamba ianao ary manasa ireo mpianatra mba hanoratra ireo hevi-baovao sasany avy amin’ny fandalinan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe, miaraka amin’ireo andininy izay nahitan’izy ireo izany. Azon’izy ireo zaraina koa ny momba ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Joseph Smith sy ny asa nanirahana azy rehefa nianatra mikasika azy izy ireo tamin’ity herinandro ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Joseph Smith—Tantara 1:5–18

Rehefa mangataka amim-pinoana isika dia hamaly antsika Andriamanitra.

  • Afaka mampifandray ny zavatra iainan’izy ireo amin’ny fanirian’i Joseph hikatsaka ny fahamarinana ao anatin’ny tontolo iray izay ampianarana hevitra maro mifanohitra ireo mpianatrao. Inona no mampitovy ny fisafotofotoana atrehantsika amin’izao androntsika izao amin’ny fisafotofotoana natrehany? Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba ahafahantsika mahita ny valin’ireo fanontaniantsika, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fomba samihafa entin’ny olona mikatsaka fahamarinana. Afaka mamerina mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:5–18 izy ireo avy eo ary mampiditra koa ao anatin’ilay lisitra ny zavatra nataon’i Joseph Smith mba hahitana ny valin’ireo fanontaniany.

  • Afaka mizara ny fomba nanarahan’izy ireo ny ohatra nasehon’i Joseph Smith tao anatin’ny fikarohan’izy ireo ny fahamarinana ireo mpianatra sy ny fomba namalian’ Andriamanitra azy ireo. Mandroso fomba vitsivitsy ahafahantsika mikatsaka ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

    Sary
    zatovovavy iray mivavaka

    Manome fahafahana antsika hifandray amin’ Andriamanitra ny vavaka.

Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Nahita an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph Smith.

  • Ny Fahitana Voalohany dia manambara fahamarinana maro mikasika an’ Andriamanitra izay mifanohitra amin’ny zavatra ninoan’ny olona maro tamin’ny andron’i Joseph. Afaka mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20 sy mitady zavatra mampianatra azy ireo momba an’ Andriamanitra ireo mpianatra. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra ireo?

  • Raha mitsidika ny kilasintsika i Joseph Smith dia inona tao anatin’ilay zavatra niainany no hanontaniantsika azy?   Mety afaka misaintsaina ny fomba hamenoan’izy ireo ny fehezan-teny iray tahaka ity anankiray ity izy ireo: “Koa satria nitranga tokoa ny Fahitana Voalohany dia fantatro fa …” Inona avy ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainantsika noho ny Fahitana Voalohany?

  • Mba hampientanentana ny fifanakalozan-kevitrareo dia afaka mamaky na mihira “Ny vavaka voalohany nataon’i Joseph Smith” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 28) ireo mpianatra. Manampy antsika hahatakatra inona mikasika ny Fahitana Voalohany sy hahatsapa inona mikasika ny Fahitana Voalohany io hira io? Misy mpianatra vitsivitsy angamba afaka mizara ny fomba nahafantaran’izy ireo manokana fa tena nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tao amin’ny Ala kely masina i Joseph. Na afaka manasa misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao (na olona iray vao nahavita ny asa fitoriany vao haingana) mba hitsidika ny kilasy ary hiresaka mikasika ny fiantraikan’ny Fahitana Voalohany teo amin’ny fiainan’ireo olona nampianarin’izy ireo.

Joseph Smith—Tantara 1:21–26

Afaka mitoetra ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika isika na dia lavin’ny hafa aza.

  • Mety ho afaka ny hahatakatra ny sasany amin’ireo zavatra niainan’i Joseph Smith ireo mpianatra rehefa nanomboka niresaka tamin’ny olona mikasika ilay fahitana hitany izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:21–26). Afaka mizara andininy angamba izy ireo izay manentana ny fanahin’izy ireo rehefa manohitra ny finoan’izy ireo ny hafa.

  • Raha toa ianao mahafantatra mpikambana niaina fanoherana satria mpikamban’ny Fiangonana, dia hevero ny hangataka azy ireo mba ho tonga ao amin’ny kilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara ny fomba nihazonan’izy ireo ny finoan’izy ireo ho mafy. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:21–26?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Araho ny ohatra nasehon’i Joseph.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ny Mpaminany Joseph Smith dia nametraka fomba ho arahantsika eo amin’ny fitadiavana valiny ho an’ireo fanontaniantsika. Rehefa notarihin’ilay fampanantenana nomen’i Jakoba i Joseph zazalahikely hoe raha tsy manana fahendrena isika dia afaka mangataka amin’ Andriamanitra [jereo ny Jakoba 1:5], dia napetrany mivantana tamin’ny Ray any An-danitra ny fanontaniany. Nikatsaka fanambarana ho an’ny tenany manokana izy, ka dia nanokatra ity fotoampitantanana farany ity ny fikatsahany izany.

“Tahaka izany koa, hanokatra inona ho anareo ny fikatsahana ataonareo? Inona no fahendrena tsy anananareo? Inona no tsapanareo fa ilainareo fantarina na takarina haingana? Araho ny ohatra nasehon’ny Mpaminany Joseph. Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana sy fampiononana” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95).

Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith.

Raha hamaky famaritana iray mikasika ny Fahitana Voalohany izay miankina amin’ireo zavatra maro tao anatin’ireo tantaran’i Joseph Smith, dia jereo ny Saints, 1:14–16.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao rehefa mampianatra ianao ireto rindran-damina ireto. Ampiasao kosa izy ireo mba hampivoaka hevitra sy hampisy aingam-panahy rehefa misaintsaina ny fotopampianarana ao amin’ny soratra masina sy ireo zavatra ilain’ny olona ampianarinao ianao.

Hamoaka printy