Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: “Mihainoa ianareo ry olona”


“28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1: -Mihainoa ianareo ry olona,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“28 desambra–3 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

28 desambra–3 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

“Mihainoa ianareo ry olona”

Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1, dia eritrereto ireo andininy izay mety hifantohanao ao an-dakilasy sy ny fomba mety hanampianao ny mpianatra hisintona lesona avy amin’ireo andininy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao atao ny manomboka ny fandalinan’ny kilasinao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tarihinao amin’ny alalan’ny fanontaniana ny mpianatra ny zavatra tsapany momba ny fandalinana ity bokin-tsoratra masina ity amin’ity taona ity. Andininy inona ao amin’ny fizarana 1 no manampy azy ireo hahatsapa ho tena liana tokoa hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? Azonao atao angamba ny mangataka azy ireo hikaroka ao amin’ny fizarana 1 izay andininy iray hozarain’izy ireo raha toa izy ireo ka miezaka mandresy lahatra olona iray hamaky io boky masina io.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Manasa antsika ny Tompo hoe “Diniho ireto didy ireto.”

  • Rehefa mifanakalo hevitra momba ny “sasin-teni[n’]”ny Tompo ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (andininy 6) ianareo dia mety hanampy ny hanazavan’ny olona iray ao an-dakilasy ny atao hoe sasin-teny sy ny tanjona nanaovana izany ao anatin’ny boky iray. Aorian’izay ny kilasy dia afaka miresadresaka hoe nahoana ny fizarana 1 no maneho izany tanjon’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany. Ohatra, inona avy ireo ventin-kevitra ho an’ilay boky izay ampahafantarin’ny fizarana 1 ? Inona avy no tanjona ananan’ilay boky? Inona ao amin’io fizarana io no hitantsika fa afaka hanova ny fomba hamakiantsika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity?

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manasa antsika hieritreritra ny fomba hanatanterahantsika ilay didin’ny Tompo hoe “diniho ireto didy ireto” (andininy 37). Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara ny zavatra nomaniny hatao amin’ity taona ity mba hampanan-danja ny fandalinan’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Inona no hodinihin’izy ireo? Inona no mampiavaka ny fandinihana amin’ny famakiana fotsiny? Inona no fomba fandalinana hitan’izy ireo fa tena manampy indrindra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–6, 23–24; 37–39

Miteny amin’ny alalan’ny mpanompony Andriamanitra ary ho tanteraka ny teniny.

  • Maro amintsika no manana fianakaviana sy namana ary olom-pantatra izay tsy mitovy finoana amintsika mikasika ny mpaminany velona. Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara ireo fahamarinana hitan’izy ireo ao amin’ny fizarana 1 izay azon’izy ireo ampiasaina mba hamaliana olona izay misalasala ny amin’ny finoan’izy ireo momba ny mpaminany. Azonao toroina hevitra izy ireo mba hijery indrindra indrindra ao amin’ny andininy 1–6 sy 37–39. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Tompo sy ny mpaminaniny?

  • Mety hahaliana ny mpianatra ny hahafantatra fa rehefa nifanakalo hevitra mikasika ny hamoahana ireo fanambarana azon’ny Mpaminany ny filankevitra iray nantsoin’i Joseph Smith, dia nanohitra izany hevitra izany ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny filankevitra. Nahamenatra azy ireo ny tsy fahaizan’i Joseph nanoratra, ary natahotra izy ireo sao dia hiteraka olana bebe kokoa ho an’ny Olomasina ny famoahana ireo fanambarana (jereo ny Saints, 1:140–43). Ahoana no hamalian’ny fizarana 1 ireo ahiahy ireo? (Jereo ohatra ny andininy 6, 24, 38).

  • Ny tonon’ny hira “Viens écouter la voix de Dieu” (Cantiques, no. 12) dia mampianatra ny sasany amin’ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny fizarana 1. Afaka miaraka mihira na mamaky ilay hira angamba ianareo ary avy eo manasa ny mpianatra mba hitady ireo andalana ao amin’ilay hira sy ireo andininy ao amin’ny fizarana 1 izay mampianatra fitsipika mitovy.

    Sary
    fivoriana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

    Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpanompony Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–30, 35–36

Namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany ny Tompo mba hanampiana antsika hiatrika ireo olana amin’ny andro farany.

  • Inona no hevitra tonga tao an-tsain’ny mpianatra teo am-pamakiany ny famaritana ny andro farany tao amin’ny andininy 13–16? Inona no mitranga eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ka manatanteraka ireo famariparitana nambara tamin’ny faminaniana? Amporisiho ny mpianatra hizara izay zavatra hitany ao amin’ny fizarana 1 izay nanampy azy ireo hahatsapa fiadanana sy fahatokian-tena na dia eo aza ireo olana amin’izao androntsika izao.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana azontsika satria efa naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no ampianarin’ny andininy 17–23 momba ny antony namerenan’ny Tompo ny filazantsarany? Afaka mamaky ireo andininy ireo ny mpianatra ary mifampizara ny zavatra tonga ao an-tsainy. Ohatra, ahoana no nanampian’ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith antsika hampitombo ny finoantsika? (jereo ny andininy 21).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:19–28

Mampiasa “ny malemy sy ny tsotra” ny Tompo mba hanatanterahana ny asany.

  • Ventin-kevitra iray manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1 ny anjara asa tanan’ “ny malemy sy ny tsotra” ao amin’ny asa lehiben’ny Tompo amin’ny andro farany (andininy 23). Asao ny mpianatra hanadihady ny andininy 19–28 mba hianatra ny fomba hiharan’ny teny hoe “malemy” sy “tsotra” amintsika amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo antsika. Rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto ianareo: Inona avy ireo toetoetra tian’ny Tompo hananan’ny mpanompony? Inona no hotanterahin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpanompony amin’izao andro farany izao? Manao ahoana ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ireo andininy ireo manerana izao tontolo izao sy eo amin’ny fiainantsika?

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra mba hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Afaka manampy antsika hiatrika ireo olana sedraintsika amin’izao fotoana izao ireo fahamarinana izay nanentana ny fanahin’ireo Olomasina tany aloha. Rehefa mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao dia ampio ny mpianatra hampifandray ny hafatry ny Tompo ho an’i Joseph Smith amin’ny zavatra izay mety holazain’ny Tompo amin’izy ireo manokana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Hamoaka printy