Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65: “Ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy”


“11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65:-Ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“11–17 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
I Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

Niantso ahy tamin’ny anarako Izy, nataon’i Michael Malm

11–17 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65

“Ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy”

Mialoha ny hamakianao ireo hevitra ao amin’ity rindran-damina ity, dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 sy ny Joseph Smith—Tantara 1:27–65, ary raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ireo mpianatra hizara ny hevi-baovao hitan’izy ireo sy ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nandalina ireo soratra masina ireo, dia afaka mangataka azy ireo ianao mba hizara andinin-tsoratra masina iray izay nahatonga azy ireo hisaintsaina lalina kokoa noho ny mahazatra. Inona no nanaitra azy ireo mikasika izany andinin-tsoratra masina izany?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Joseph Smith—Tantara 1:27–65

Nantsoin’ Andriamanitra mba hanao ny asany i Joseph Smith.

  • Hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatrao ve ny famerenana mamaky ny tantara ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:27–65? Azonao asaina ny mpianatra iray mba hamintina izany na afaka mifampitantara tsiroaroa na ao anatina vondrona kely an’ilay tantara ireo mpianatrao. Amporisiho izy ireo mba hampiditra antsipirian-javatra faran’izay betsaka azon’izy ireo tadidiana. Nahoana no manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ilay antso masin’i Joseph Smith io tantara io? Inona no lesona ianarantsika avy amin’io tantara io mikasika ny fomba fanaovan’ Andriamanitra ny asany?

  • Hevero ny hampiseho zavatra na sary izay mifandray amin’ilay asa niantsoana an’i Joseph Smith mba hataony, toy ny Bokin’i Môrmôna iray na sarin’ny tempoly iray. Afaka mitady andininy ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:33–42 izay mampianatra mikasika ireo lafin-javatra ao anatin’ny asa nanirahana ny Mpaminany ireo mpianatra. Inona no ifandraisan’ny asan’ Andriamanitra nampanaoviny an’i Joseph Smith amin’ny asa ilain’ Andriamanitra ampanaovina antsika? Inona no ampianarin’ireo mpaminany velona antsika mikasika ity asa ity?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2

Tonga i Elia mba hampitodika ny fontsika any amin’ireo razambetsika.

  • Hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatrao ve ny fanaovana fifanakalozan-kevitra mikasika ny hoe iza moa i Elia sy ny momba ny hery entina mamehy izay naveriny? Afaka mamaky mikasika an’i Elia ireo mpianatra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na mamerina mamaky tantara iray tao anatin’ny fiainany (jereo ny 1 Mpanjaka 17–18)). Inona no zavatra mampitombo ny fahatakaranao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 izay nentin’izany fampahalalana izany? Azonao atao koa ny miresaka mikasika ny dikan’ny hoe mamehy zavatra. Mety manampy ny zavatra sasany tahaka ny fitoeran-kanina am-bifotsy, na harona plastika izay misy fanidiana azy, na fitomboka izay maneho ny fanekena ny taratasy iray. Ahoana no mety hanampian’ireo zavatra ireo antsika mba hahatakatra ny dikan’ny hoe mamehy ny fianakaviana ho mandrakizay? Nahoana no manampy amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny fahariana ny tany izany hery izany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:47–48 sy ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2, dia afaka mifanakalo hevitra mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 ianareo.

  • Ny fianarana mikasika “ny fampanantenana natao tamin’ny ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2) angamba dia hanampy ireo izay ampianarinao hahatakatra tsara kokoa ny herin’ny fisoronana izay nasaina naverin’i Elia. Iza ireo hoe “ny ray”? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:9–10). Inona avy ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba? (jereo ny Genesisy 17:1–8; 22:16–18; 26:1–5, 24; 28:11–15; Abrahama 2:8–11). Inona no dikan’ny hoe “mamboly” ireo fampanantenana ireo ao am-pontsika? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanaovana izany antsika mba hampitodika ny fontsika amin’ny razambentsika?

Sary
Tempolin’i Palmyra New York

Tempolin’i Palmyra New York

  • Mba hamporisihana ireo mpianatra hampitodika ny fon’izy ireo amin’ny razamben’izy ireo dia afaka manasa mpikambana vitsy ianao mba hitarika ny fifanakalozan-kevitra mikasika ilay lohahevitra. Hevero ny hampiditra ny mpanoro hevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy ao anatin’izany. Afaka manomboka izany ianao amin’ny alalan’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:2–3 ary manasa ireo mpitarika ny fifanakalozan-kevitra mba hizara zavatra niainana izay nampitodika ny fon’izy ireo tamin’ny razamben’izy ireo. Inona no zavatra nitranga teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nanampy azy ireo hanana faniriana hianatra mikasika ny tantaram-pianakavian’izy ireo? Inona no sosokevitra azon’izy ireo atolotra mba hanampiana ireo mpianatra hafa hirotsaka ao amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly? Ny teny nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” sy ilay horonan-tsary “Les bénédictions promises de l’histoire familiale” (ChurchofJesusChrist.org) dia afaka manentana ny fanahin’ireo mpianatra koa. Afaka manasa ireo mpikambana hiditra ao amin’ny FamilySearch.org koa ianao mba hahitana hevitra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny tanjon’ny Fahariana.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ny fiainana mandrakizay izay azo tratrarina noho ny Sorompanavotana no tanjona ambony indrindra an’ny Fahariana. Raha lazaina amin’ny endriny mifanohitra amin’izany io teny nambara io dia hoe, raha tsy nofehezina tany amin’ireo tempoly masina ireo fianakaviana dia ho fongotra tanteraka ny tany iray manontolo.

“Ireo tanjon’ny Fahariana, ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana dia hitambatra ao anatin’ilay asa masina atao any amin’ireo tempolin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“The Atonement,” Nov. 1996, 35). Jereo koa ny Mosesy 1:39.

Afaka manao zavatra ny tsirairay.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Misy asa maro tokony hotanterahina ao anatin’ny asa fanavotana ny maty. … Ny ezaka ataontsika dia tsy ny hanery ny olon-drehetra hanao ny zava-drehetra, fa hamporisika kosa ny olona tsirairay hanao zavatra” (“Family History: ‘In Wisdom and in Order,’Ensign, June 1989, 6).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo mpianatra izay tsy nandalina soratra masina tany an-tranony. Ataovy izay hahazoan’ny mpianatra rehetra aina eo amin’ny fandraisana anjara sy ny fitondrana anjara biriky ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra, na dia ireo izay mety tsy namaky tany an-trano aza.

Hamoaka printy