Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: “Hitohy ny asako”


“18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5: -Hitohy ny asako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“18–24 janoary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2021

Sary
olona miasa eny an-tsaha

Fotoam-pijinjana any France, nataon’i James Taylor Harwood

18–24 janoary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

“Hitohy ny asako”

Ny fandalinana ombam-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5 mialoha ny hamakiana ireo hevitra ao amin’ity rindran-damina ity dia hanampy anao hahazo fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ny tantara izay nitondra tamin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ireo fizarana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mamaky ny soratra masina novakin’izy ireo tany an-trano ary hitadiavana andininy izay hitan’izy ireo fa manan-danja. Asao izy ireo avy eo mba hizara amin’ny olona iray hafa ao amin’ny kilasy ny zavatra nianaran’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–15

Tokony hatoky an’ Andriamanitra isika fa tsy hatahotra olona.

  • Toa an’i Joseph Smith, dia efa niaina toe-javatra izay nahatsapantsika ho teren’olon-kafa hanao zavatra izay fantatsika fa ratsy isika rehetra. Inona avy ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–15 izay afaka manampy antsika hitoetra ho mahatoky amin’ Andriamanitra ao anatin’ny toe-javatra toy izany?

  • Nilaina nofaizina i Joseph Smith noho ny fahatahorany olona mihoatra noho Andriamanitra, kanefa nilaina nampaherezina koa izy. Asao ireo mpianatra hitady ao anatin’ny fizarana 3 ny fomba namaizan’ny Tompo sy nampaherezany an’i Joseph. Ohatra, azon’izy ireo tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo andiam-pehezan-teny avy ao amin’ny andininy 1–15 izay ahitana ny fitezeran’ny Tompo ary ireo andiam-pehezan-teny hafa izay ahitana ny famporisihany azy mba hibebaka sy hitoetra ho mahatoky. Inona no zavatra ampianarin’ny toe-javatra niainan’i Joseph antsika mikasika ny fomba fanampian’ny Mpamonjy antsika mba handresena ireo fahadisoantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Mangataka antsika ny Tompo mba hanompo Azy amin’ny fontsika rehetra.

  • Ireo toetra namaritana ireo mpanompon’ny Tompo izay tanisaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 dia toetran’i Jesoa Kristy koa. Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra bebe kokoa dia afaka manasa azy ireo ianao hisafidy iray amin’ireo toetra ireo ary hitady famaritana na soratra masina fanampiny izay manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay toetra (jereo ohatra ny teny nambaran’ny Rahavavy Elaine S. Dalton ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Afaka manasa olona vitsivitsy ianao mba hizara ny zavatra hitany. Azon’izy ireo zaraina koa ny antony mahatonga ilay toetra izay nofidin’izy ireo ho toy ny toetra takina mba hanompoana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahantsika mampivelatra bebe kokoa ireo toetra ireo? (jereo ny andininy 7).

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia natolotra ho an’i Joseph Smith Rainy, izay naniry ny hahafantatra ny fomba ahafahany mitondra fanampiana ao amin’ny asan’ny Tompo. Io fizarana io dia afaka manampy koa izay olona maniry ny hanompo ny Tompo. Ity misy fomba iray handalinana io fizarana io: Afaka miasa ao anatina vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra mba hanoratra famariparitana ny asa miandry ny mpanompon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny fizarana 4 ho tari-dalana. Inona no tsy mampitovy an’ireo fepetra takina ireo amin’ireo fepetra takina any anatin’ny famariparitana asa hafa? Nahoana ireo toetra ireo no tena ilaina amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra? Ilay teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ny mpikambana hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fampivelarana ireo toetra ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

Ny vavolombelon’ny fahamarinana dia tonga eo amin’ireo izay manetry tena sy mino.

  • Raha toa ka naseho mba ho hitan’izao tontolo izao ireo takela-bolamena, moa ve izany handresy lahatra ny tsirairay fa marina ny Bokin’i Môrmôna? Nahoana no eny na nahoana no tsia? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:7). Afaka mikaroka ao amin’ny fizarana 5 angamba ireo mpianatra mba hitady hevi-baovao izay afaka manampy azy ireo hamaly olona iray izay mangataka porofo fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Inona no nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith sy i Martin Harris izay afaka manampy antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana momba ireo fahamarinan’ny filazantsara?

    Sary
    Martin Harris

    Martin Harris, nataon’i Lewis A. Ramsey

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Midika hoe tanjaka ny hatsaran-toetra.

Nanome an’ity fanazavana momba ny hatsaran-toetra ity ny Rahavavy Elaine S. Dalton: “Ny hatsaran-toetra dia teny tsy henontsika matetika eo amin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao, kanefa ny teny fototra Latina hoe virtus dia midika hoe tanjaka. Ny vehivavy sy lehilahy tsara toetra izany dia manana fahamendrehana ary hery anaty. Matoky tena izy ireo satria mendrika ny handray ny Fanahy Masina sy hotarihin’ny Fanahy Masina (“Fiverenana amin’ny hatsaram-panahy,” Liahona, nôv. 2008, 79).

Fahatongavana ho misiônera.

Hoy ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny dingana mba hahatongavana ho misiônera dia tsy mitaky ny hanaovan’ny zatovolahy iray lobaka fotsy sy karavato [na zatovovavy manao akanjolava] mankany an-tsekoly isan’andro na hanarahana ny torolalana momba ny asa fitoriana mikasika ny fandehanana matory sy ny fifohazana. … Saingy azonao ampitomboana ny fanirianao hanompo an’ Andriamanitra [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3], ary afaka manomboka misaina toa an’ireo misiônera ianao, mamaky izay zavatra vakin’ireo misiônera, mivavaka tahaka ny misiônera mivavaka ary mahatsapa ny zavatra tsapan’ireo misiônera. Afaka mandositra ireo fitaoman’izao tontolo izao izay mahatonga ny Fanahy Masina hisintaka ianao, ary afaka mahazo fahatokian-tena amin’ny fahafantarana sy fanatanterahana ireo bitsika ara-panahy.(“Becoming a Missionary,” Ensign or Liahona, Nov. 2005, 45–46).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay mamporisika ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra mafonja. Ny fanontaniana izay misy valiny marina mihoatra ny anankiray dia manasa ny mpianatra hamaly amin’ny alalan’ny fifotorana amin’ireo hevitry ny tena manokana sy ny fahatsapan’ny tena manokana ary ny zavatra nianan’ny tena manokana. Ohatra, afaka manontany ianao hoe “Ahoana no ahafahanareo mahafantatra fa miresaka aminareo Andriamanitra? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 33.)

Hamoaka printy