Avia, hanaraka Ahy
29 jolay–4 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Mpanompo sy Vavolombelona-


“29 jolay–4 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Mpanompo sy Vavolombelona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“29 jolay–4 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22-28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

i Paoly tao am-ponja

29 jolay–4 aogôsitra

Asan’ny Apostoly 22–28

“Mpanompo sy Vavolombelona”

Vakio amim-bavaka ao am-po ny Asan’ny Apostoly 22–28 mba hitarihan’ny Fanahy Masina anao hahafahanao mahafantatra izay zavatra tokony hifantohana ka hanampy ny mpianatrao. Raketo an-tsoratra ireo hevitra tonga ao an-tsaina, mety ho ireo no fiandohan’ny drafitry ny fampianaranao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hanoratra andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–28 izay nanaitra azy ireo tamin’ity herinandro ity. Angony ny valin-tenin’izy ireo dia mamakia vitsivitsy avy amin’ireo andininy ireo. Asao ny mpianatra maromaro hizara ny antony mampanan-danja ireo andininy ireo amin’izy ireo.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 22:1–21; 26:1–29

Ny fijoroana ho vavolombelona dia fanambarana fahamarinana mifototra amina zavatra fantatra na inoan’ny tena manokana.

  • Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly tamin’i Festosy sy Agripa Mpanjaka dia mety ho fomba ahafahana miresaka momba ny dikan’ny hoe mijoro ho vavolombelona. Afaka manomboka izany ianao amin’ny fanasana ny mpianatra hamerina hamaky ny Asan’ny Apostoly 22:1–21 sy ny 26:1–29. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Paoly mikasika ny fijoroana ho vavolombelona? Inona avy no fitsipika fanampiny mikasika ny fijoroana ho vavolombelona izay ianarantsika avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Ny fihirana na fitendrena ny hira “Le Saint Esprit a témoigné” (cantiques, lah. 74) dia mety hanampy amin’ny fanasana ny Fanahy ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.

  • Mety nahazo hevitra vaovao manokana ny mpianatra tamin’izy ireo nandalina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly tamin’i Festosy sy Agripa Mpanjaka. Asao izy ireo hizara. Inona no mety ho fampitandremana ho antsika amin’izao andro izao ao anatin’ny valin-tenin’i Agripa Mpanjaka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly? (jereo ny Asan’ny apostoly 26:28). Mety afaka mieritreritra fijoroana ho vavolombelona hafa ao amin’ny soratra masina koa ny mpianatra, izay nanentana ny fanahin’izy ireo. (Ny ohatra sasantsasany dia ahitana ny Joba 19:25–27; 2 Nefia 33:10–15; Almà 5:45–48; ary ny FF 76:22–24.) Na azon’izy ireo atao tsara ihany koa ny mizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’izy ireo nentan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny olona iray.

  • Nampitahain’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny zavatra niainan’i Paoly teo anoloan’i Agripa Mpanjaka ny zavatra niainany tamin’ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Fahitana Voalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25). Azon’ny mpianatra atao tsara ny miasa tsiroaroa ka manao ny lisitr’ireo fitoviana misy eo amin’ireo mpanompon’ Andriamanitra roa ireo. Ahoana no fomba hanampian’ity asa atao ity antsika hahatakatra ny fomba hizarana ny fijorana ho vavolombelona ananantsika na dia amin’ny fotoana maha sarotra ny fanaovana izany aza?

  • Na dia tsy nikatsaka ny tenivavolombelon’ny Fanahy izay noraisiny teny amin’ny lalana mankany Damaskosy aza i Paoly dia nandany ny androm-piainany sisa izy tamin’ny fikolokoloana ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fiarovana izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 22:10, 14–16; 26:19). Ny ohatra nasehon’i Paoly dia afaka manampy ny mpianatrao hahatakatra fa ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky asa sy fahafoizan-tena. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mahakasika izany dia angamba misy mpianatra iray afaka manoritsoritra ny ezaka ataony mba ho tonga mpitendry zava-maneno, na mpanakanto, na mpihazakazaka havanana. Inona no mampitovy ny fampivoarana ny fahaiza-manao tahaka izany amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona sy ny fanatanjahana izany? Inona avy ireo ezaka tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fijoroana vavolombelona sy hanamafisan’orina izany? (jereo koa ny Almà 5:46).

Asan’ny Apostoly 26:9–23

Manana andraikitra isika hanompo ny hafa.

  • Nantsoin’ny Tompo ho “mpanompo” i Paoly (Asan’ny apostoly 26:16), saingy inona no dikan’io teny io? Mba hanampiana ny mpianatra hikaroka ny fomba azon’izy ireo hanompoana ny hafa dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Inona no dikan’ny hoe manompo? Asao ireo mpianatra hikaroka valiny ao anatin’ireto loharano manaraka ireto: Matio 20:25–28; Asan’ny Apostoly 26:16–18; 3 Nefia 18:29–32; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manompo,” scriptures.lds.org. Rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo dia entano hiresaka momba ireo fomba hahafahantsika rehetra manompo ny hafa, anisan’izany eo amin’ny antsontsika ato amin’ny Fiangonana.

  • Rahalahy David L. Beck dia niresaka mikasika ny andraikitr’ireo mpihazona fisoronana eo amin’ny fanompoana ny hafa, ary maro amin’ireo hevitra nentiny no azo ampiharina amin’ireo rehetra izay manompo ao amin’ny Fiangonana (jereo “Ny adidinareo masina dia ny hanompo,” Liahona, mey 2013, 55–57). Ohatra, inona no ampianarin’ny tantaran’i Chy Johnson antsika mikasika ny fanompoana ny hafa ? Inona ihany koa no ohatra hafa azon’ny mpianatra zaraina? Omeo fotoana ireo mpianatra hieritreretana olona iray izay azon’izy ireo ho tompoina amin’ity herinandro ity sy ny fomba hanatanterahan’izy ireo izany.

Asan’ny Apostoly 27

Rehefa mihaino ireo mpaminan’ny Tompo isika dia hitarika antsika Izy ary hiaro antsika amin’ny ratsy.

  • Mety efa nanana traikefa ireo mpianatrao tamin’ny fanarahan’izy ireo ny torolalan’ireo mpaminany na dia tsy nitovy tamin’ny torohevitry ny manampahaizana eo amin’izao tontolo izao aza izany na tamin’ny hevitr’ireo olona manodidina azy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hivonona hizara traikefa tahaka izany. Ary avy eo dia asao ny mpianatra hilaza ny fihetsik’ireo olona tao anatin’ilay sambo rehefa naminany i Paoly fa hisy “fahasimbana sy fatiantoka be” hiatra amin’ilay sambo (Asan’ny Apostoly 27:10). Nahoana no mitovy amin’izany ny fihetsika asetrin’ireo olona sasany amin’izao androntsika izao an’ireo torohevitra miendrika faminaniana?

  • Inona no hianarantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27 mikasika ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo? Ny teny nambaran’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” dia ahitana fanontaniana hosaintsainina sy lisitr’ireo zava-doza izay nampitandreman’ireo mpaminany maoderina antsika. Inona no fitahiana azontsika rehefa nanaraka ny torolalan’ireo mpaminany velona?

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ireo mpianatra hanomboka hamaky ny epistilin’i Paoly dia asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe nanoratra taratasy manokana ho an’ny paroasinareo ny mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Inona no mety ho fahatsapana ananantsika mikasika izany taratasy izany? Inona no mety holazainy amintsika? Asao ireo mpianatra hitahiry izany ao an-tsaina rehefa mamaky ny taratasin’i Paoly ho an’ireo Olomasina Romana izy ireo.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Asan’ny Apostoly 22–28

Fijoroana ho vavolombelona.

Ny Loholona M. Russell Ballard dia niresaka mikasika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly teo anatrehan’i Agripa Mpanjaka, ary nampianatra antsika ny dikan’ny hoe mijoro ho vavolombelona:

“Ireo fivoriantsika fanaovana fijoroana ho vavolombelona dia ilaina afantoka kokoa amin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianaran’ny filazantsara, ny fitahiana entin’ny Famerenana amin’ny laoniny ary ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina. Mila solointsika teny vavolombelona madio ireo tantara sy fitantarana dia natao ary sermona. Ireo izay voatendry hiteny sy hampianatra mandritra ireo fivoriantsika dia mila manao izany amin’ny alalan’ny herin’ny fotopampianarana izay sady ho re no tsapa, ka mampientana ny fanahy ary mankahery ny olona ao amintsika. …

“… Na dia tsara foana aza ny maneho fitiavana sy fankasitrahana, dia tsy teny tahaka izany no mamaritra ilay karazana fijoroana ho vavolombelona izay hanorina ny afon’ny finoana eo amin’ny fiainan’ny hafa. Ny hoe mijoro ho vavolombelona dia -mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, manao fanambarana manetriketrika ny amin’ny fahamarinana mifototra tamin’ny finoana na fahalalana manokana- [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mijoro ho vavolombelona,” scriptures.lds.org]. Ny fanambarana mazava ny fahamarinana no hampisy fahasamihafana eo amin’ny fiainan’ny olona. Ary izany no manova ireo fo. Izany no hamafisin’ny Fanahy Masina ao ampon’ireo zanak’Andriamanitra” (“Pure Testimony,” Ensign or Liahona, nôv. 2004, 41).

Mijoro miaraka amin’ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Ny Loholona Ronald A. Rasband dia nampianatra toy izao:

“[Ireo mpitarika antsika], tamin’ny alalan’ny fitariham-panahy, dia voantso hampianatra sy hitarika antsika, ary … miantso antsika mba hitandrina manoloana ireo loza izay hatrehintsika ankehitriny—manomboka amin’ny fankatoavana ny andro Sabata, ka hatramin’ny loza mananontanona ny fianakaviana sy ny fanafihana ny fahalalahana ara-pivavahana, eny, na dia ny fiadian-kevitra mikasika ireo fanambarana amin’ny andro farany aza. Ry rahalahy sy anabavy, moa ve isika mihaino ny torohevitr’izy ireo? …

“Rehefa mibosesika mandroso isika, ka misafidy ny hanaraka ireo torohevitra sy fampitandremana avy amin’ireo mpitarika antsika, dia misafidy ny hanaraka ny Tompo isika, raha izao tontolo izao kosa mizotra mankamin’ny lalana hafa. Misafidy ny hamikitra amin’ny tendron’ny anja-by isika, [ny] ho Olomasin’ny Andro Farany, ny ho iraky ny Tompo ary ny ho feno -fifaliana mitafotafo- [1 Nefia 8:12].

“Ny fanontaniana manan-danja mipetraka ankehitriny dia mazava: moa ve ianao mijoro miaraka amin’ireo mpitarika ny Fiangonana, ao anatin’ny tontolo izay mihamaizina, mba hahafahanao manaparitaka ny Fahazavan’i Kristy?” (“Mijoro miaraka amin’ny mpitarika ny Fiangonana,” Liahona, mey 2016, 47–48).

Manatsara ny fampianarantsika

Miomàna mialoha. “Rehefa misaintsaina ny fitahiana hoentin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao amin’ireo mpianatrao ianao, dia hisy hevitra sy fahatsapana ho tonga eo amin’ny fiainanao andavanandro—eny eo am-pandehanana miasa, eo am-panaovana raharaha ao an-trano, eo am-pifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana. Aza eritreretina ho toy ny zavatra anokananao fotoana ny fiomanana ara-panahy fa ataovy toy ny zavatra efa ataonao foana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).