Avia, hanaraka Ahy
5–11 aogositra. Romana 1–6: -Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena-


5–11 aogôsitra. Romana 1–6: -Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vovao 2019 (2019)

5–11 aogôsitra. Romana 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

i Paoly manoratra epistily

5–11 aogôsitra

Romana 1–6

“Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena”

Vakio amim-bavaka ny Romana 1–6 sady eritrereto ireo mpianatrao. Hanampy anao izany haheno kokoa ny bitsiky ny Fanahy rehefa miomana hampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hikarohana ao anatin’ny Romana 1–6 andinin-tsoratra masina iray izay tian’izy ireo manokana. Azon’izy ireo zaraina amin’ny olona iray eo akaikin’izy ireo izany andininy nosafidian’izy ireo izany avy eo.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Romana 1:16–17

“Tsy menatra ny filzantsara[n’i Kristy] aho.”

  • Efa nisy fotoana ve hoe nisy nandrabiraby an’ireo mpianatrao noho ny finoan’izy ireo? Asao izy ireo hamaky ny Romana 1:16–17 ary hieritreritra tranga ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izay nanehoan’i Paoly fa tsy menatra ny filazantsara izy. Inona avy ireo zavatra sasany izay tsy mampahamenatra antsika amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany izay nanehoan’izy ireo na nanehoan’olon-kafa fa tsy menatra tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.

Romana 1:16–17; 2:28–29; 6:1–11

Ny maha mpianatra marina dia hita amin’ny fanoloran-tena ao anatintsika fa tsy amin’ny zavatra ataoantsika fotsiny.

  • Ahoana no fomba hanombantombanantsika ny maha mpianatra antsika? Ny torohevitr’i Paoly ho an’ireo Romana dia afaka manampy antsika hahatsiaro ny tsy hifantoka amin’ny famitana ireo lisitry ny asa tokony hatao fa amin’ny “fo [sy] fanahy” kosa (Romana 2:29). Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny torohevitr’i Paoly, dia azonao atao ny manoratra fehezan-teny ao amin’ny Romana 2:28–29 eny amin’ny solaitrabe. Ny teny hoe Jiosy dia soloy hoe Olomasin’ny Andro Farany ary ny teny hoe famorana soloy hoe ny fanekempihavanana. Inona no zavatra fanampiny entin’io fanovana io eo amin’ny fahatakarantsika ny fampianaran’i Paoly? Azonao atao ihany koa ny miresaka mikasika ireo zavatra izay ataontsika amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika, izay manan-danja sy mahery vaika kokoa rehefa natao “tamin’ny fo sy fanahy” (Romana 2:29). Ohatra, jereo ny lahatenin’ny Loholona Jeffrey R. Holland mikasika ny fanompoana, “Iraka avy amin’ny Fiangonana” ( Liahona, nôv. 2016, 61–67), na ny lahatenin’i Neil L. Andersen mikasika ny asa fitoriana, “Vavolombelon’ Andriamanitra” (Liahona, nôv. 2016, 35–38).

Romana 3–6

“Teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra.”

  • Mety misy amin’ireo mpianatrao izay te hahatakatra ny fampianaran’i Paoly ao amin’ireo toko ireo mikasika ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana (jereo ihany koa ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Isambatan’olona sy ny Fianakaviana ary ny Dikatenin’i Joseph Smith ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hifampianatra? Ampahafantaro ireto mety ho fitrangan-javatra roa manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa tsy tokony horaisintsika ho toy ny fomba hanaporofoana ny fahamendrehantsika ny asa soa ataontsika, ary ny famindram-pon’i Kristy dia tsy tokony horaisintsika ho antony iray hanamarinana ny fahadiasoantsika sy ny fahotantsika. Asao ny mpianatra hikaroka ireo fahamarinana ao amin’ny Romana 3:20–31; 5:1–2; 6:1–2, 21–23 izay afaka hanampy an’i Gloria sy Justin. Inona avy ireo fahamarinana ara-potopampianarana hafa hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”, izay mety hanampy azy ireo hahatakatra ny maha zava-dehibe ny hoe sady manatanteraka asa amim-pahamarinana no mitoky amin’ny fahasoavan’i Kristy? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo na hilalao an-tsehatra tantara kely ahitana fifampiresahana.

Fitrangan-javatra 1

Manana namana iray antsoina hoe Gloria ianao, izay mahatsiaro ho tototra tanteraka manoloana ireo ezaka ataony mba ho lasa mpianatra mahatoky. Miezaka mafy izy hanao ny zavatra rehetra izay tsapany hoe tokony ataony, kanefa matetika izy no matahotra sao tsy ampy ireo ezaka ataony. “Ampy ve ny fahatsarako?” hoy izy manontany tena. “Ho eken’ny Tompo ve aho?”

Fitrangan-javatra 2

Manana namana iray antsoina hoe Justin ianao, izay tsy dia miraharaha loatra momba izany hoe manao safidy tsara izany. Mino an’i Jesoa Kristy izy, manatrika ireo fivoriam-piangonana ary ray be fitiavana sy mpiara-monina tsara. Na izany aza anefa dia tsy nisafidy ny hiaina ireo fenitra izay hahafahany ho mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy. Rehefa manandrana mamporisika azy hiomana ho any amin’ny tempoly ny namany sy ny fianakaviany dia izao no avaliny, “Olona tsara aho. Mino an’i Kristy aho. Efa nanefa ny saran’ny fahotako Izy, ary tsy mino aho hoe tsy horaisiny ao amin’ny fanjakana selestialy aho noho ny zavatra madinika tahaka izany.”

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny mpianatra hamaky ny Romana 7–16, dia azonao lazaina azy ireo fa i Paoly dia nanazava ny ady iray tao anatiny—sy ao anatintsika rehetra. Ao amin’ny Romana 7–16 no ahitantsika hoe inona izany ady izany, ary ahoana no fomba handresena amin’izany.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Romana 1–6

Finoana sy fahasoavana ary asa.

Na dia tokony hiezaka aza isika hanaraka ireo didy, ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra fotsiny dia tsy hahavonjy antsika (jereo ny Romana 3:27–31). Na dia eo aza ireo ezaka tsara indrindra vitantsika, dia “samy efa nanota [avokoa isika] ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Noho izany antony izany dia mila an’i Jesoa Kristy avokoa isika, ary ny fahasoavany no mahatonga antsika ho voavela heloka amin’ireo otantsika, sy hahafahantsika manohy manao asa tsara. Nampianatra i Paoly hoe, “Teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” (Romana 5:20).

Ny Filoha David O. McKay dia nizara fanoharana mikasika ny zatovolahy iray izay nanomboka nilentika rehefa niara-nilomano tamin’ireo namany: “Soa ihany fa nisy iray tamin’izy ireo, izay tony tsara sy kinga lahy, ka nanongotra avy hatrany tsatoka lava iray teo amin’ny fefy natao tamin’ny hazomalahelo ka nanolotra izany ho an’ilay tovolahy nilentika [izay] nandray sy nitazona izany mafy ka avotra.

“Ny zazalahy rehetra dia nilaza fa ilay tovolahy izay nanolotra ny fomba hamonjena azy no naha mbola velonaina an’ilay zazalahy tia andrakandrana.

“Tsy isalasalana fa izany tokoa no izy; kanefa na dia teo aza ilay fitaovana izay natolotra azy, raha toa ilay tovolahy ka tsy nanararaotra izany, raha toa ka tsy nanao ny ezaka rehetra avy tany aminy, dia ho nilentika na teo aza ny asa feno herim-po nataon’ilay namany” (David O. McKay, “The Gospel of Work,” Instructor, jan. 1955, 1).

Raha namaly ilay fanontaniana hoe moa ve isika voavonjy noho ny finoana sa noho ny asa, dia nanoratra toy izao ny mpanoratra Kristianina iray antsoina hoe C. S. Lewis : “Amiko izany dia [toy ny] manontany hoe iza amin’ireo lelan’hety roa no ilaina kokoa” (Mere Christianity, 148).

Fitrangan-javatra 1

“Tsy azo vidina amin’ny fankatoavana ny famonjena, fa tsy maintsy efaina amin’ny ran’ilay Zanak’ Andriamanitra izany [jereo ny Asan’ny Apostoly 20:28]. …

“Fanomezan’ Andriamanitra ny fahasoavana ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho an’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any An-danitra io isika” (Dieter F. Uchtdorf, Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Famindrampo,” Liahona, mey 2015, 109–10).

Fitrangan-javatra 2

“Raha fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny fahasoavana, nahoana ary izany no zava-dehibe tokoa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra? Nahoana no mbola misahirana amin’ireo didin’ Andriamanitra—na ny fibebahana, rehefa dinihana? …

“Ny fankatoavantsika an’ireo didin’ Andriamanitra dia ho lasa toy ny vokatry ny fitiavantsika sy fankasitrahantsika tsy misy fetra noho ny hatsaran’ Andriamanitra. Io endri-pitiavana sy fankasitrahana madio io no hampitambatra amin’ny fomba mahagaga ny zavatra ataontsika sy ny famindrampon’ Andriamanitra” (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po,” Liahona, mey 2015, 109).

Ny filantsika ny fahasoavana hatrany.

“Ankoatra ny filana ny fahasoavana ho an’ny famonjena anao farany, dia mila izany hery manampy izany koa ianao isan’andro eo amin’ny fiainanao. Hankahery sy hampatanjaka anao amin’ny alalan’ny fahasoavany ny Ray any An-danitra rehefa manatona Azy akaiky ao anatin’ny fahazotoana, sy fanetren-tena ary fahalemem-panahy ianao (jereo ny Ohabolana 3:34; 1 Petera 5:5; FF 88:78; 106:7–8). Ny fiankinana amin’ny fahasoavany dia ahafahanao mandroso sy mivoatra ao amin’ny fahamarinana” (Miorim-paka ao amin’ny finoana, 78).

Manatsara ny fampianarantsika

Araka ny fitaomam-panahy no niantsoana anao. Amin’ny maha mpampianatra anao dia voantson’ny Tompo ianao hitondra fitahiana ho an’ireo zanany. Tian’ny Tompo ianao hahomby, koa raha miaina mendrika ny ho ampiany ianao dia hanome ny fanambarana izay katsahinao Izy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5.)