Avia, hanaraka Ahy
12–18 aogositra. Romana 7–16: -Reseo amin’ny soa ny ratsy-


“12–18 aogôsitra. Romana 7–16: -Reseo amin’ny soa ny ratsy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“12–18 aogôsitra. Romana 7–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Roma

12–18 aogôsitra

Romana 7–16

“Reseo amin’ny soa ny ratsy”

Vakio ny Romana 7–16, dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao momba ny fomba hanampiana ny mpianatrao hianatra avy amin’ny soratra masina. Mety ho toy ny hevitra tsotra fotsiny aloha ireo zavatra tsapanao amin’ny voalohany, kanefa rehefa saintsaininao izy ireo dia mety ho lasa asa hoenti-mianatra manan-danja.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Tsy tokony hanana fisalasalana ny mpianatra hizara izay zavatra nanentana ny fanahin’izy ireo nandritra ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviana, kanefa manampy indraindray ny mangataka azy ireo hizara ireo eritreriny momba ny zavatra iray voafaritra mazava tsara. Ohatra, afaka mamaky ny Romana 10:17 sy 15:4 ianao dia mangataka azy ireo hizara soratra masina izay mampiorina ny finoany na manome azy ireo fanantenana.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Romana 8:14–18

Afaka mandova izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’i Jesoa.

  • Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mino isika fa ireo andian-teny toy ny hoe “mpandova an’ Andriamanitra” sy ny hoe “mpiray lova amin’i Kristy” dia midika fa afaka ny ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy hahazo izay rehetra ananany isika rehefa manampy antsika i Jesoa Kristy (Romana 8:17; jereo koa ny FF 132:19–20). Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ampianarana io fotopampianarana io ao anatin’ny soratra masina iray manontolo dia afaka manasa ny antsasaky ny mpianatra ianao handalina ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”, ary ilay antsasany hafa handalina ireo andinin-tsoratra masina avy amin’ny soratra masin’ny andro farany, izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ihany koa. Avy eo dia afaka mifampianatra ny zavatra izay nianarany ny mpianatra. Omeo fotoana izy ireo hiresadresahana mikasika ny antony maha-manan-danja an’io fotopampianarana io. Ohatra, mampiova inona eo amin’ny fiainantsika ny fahafantarana fa afaka ny ho lasa “mpandova an’ Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy” isika? (Romana 8:17).

  • Ny fahatsiarovana fa misy fitahiana mandrakizay miandry ireo mahatoky dia afaka manampy antsika rehefa miatrika fakam-panahy sy fitsapana (jereo ny Romana 8:18). Mety ho fomba tsotra hanehoana io fitsipika io ny manao sarina fandanjana eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny mpianatra hanoratra eo amin’ny ila-mizana iray ireo fitsapana sasantsasany mety lalovan’ny olona. Avy eo izy ireo dia afaka manadihady ny sasany amin’ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia manoratra eo amin’ilay ila-mizana iray hafa ny famariparitana ireo fitahiana mandrakizay azon’ireo izay miatrika amim-pahatokiana ny fitsapana lalovany. Toy ny ahoana ireo fitsapana raha ampitahaina amin’ireo fitahiana nampanantenaina? Inona no holazaintsika amin’ny olona iray izay manontany antsika raha ilaina marina ny mijanona ho mahatoky amin’ireo didin’ny Tompo?

  • Ilay fifanahafana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety afaka hanampy ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahantsika miomana ny ho lasa “mpandova an’ Andriamanitra” (Romana 8:17). Inona avy ireo “lalàna sy fitsipika” resahin’ny Loholona Oaks?

Romana 8:18, 28, 31–39

“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?”

  • Ny fiarahana miresaka mikasika ny Romana 8 dia mety hanome fahafahana hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Asehoy ilay sary mameno pejy iray ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na sarin’i Jesoa Kristy hafa eo am-piarahanareo mamaky ny Romana 8:18, 28, 31–39. Inona no eritreritra na fahatsapana ananan’ny mpianatra rehefa avy namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo? Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana hitany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Afaka miara-mihira hira ao amin’ny fihirana ihany koa ianareo (na mangataha olona iray hihira) momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, toy ny “Notre Dieu nous a tant aimés na “Merveilleux l’amour” (Cantiques, lah. 111, 117). Inona no teny na andian-teny avy amin’ireo hira ireo izay manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

Romana 13:8–10

Ny didin’ Andriamanitra rehetra dia tanteraka ao anatin’ny didy hoe hitia.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hoe nahoana ny didy rehetra no “samy efa ao anatin’” ny didy hoe hitia ny namana (Romana 13:9), dia asao izy ireo hanoratra ny didy rehetra tonga ao an-tsainy eny amin’ny solaitrabe. Iaraho mamaky ny Romana 13:8–10 sy ny Matio 22:36–40, dia hifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ny zavatra mampifandray ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika ary ny fankatoavana ny tsirairay amin’ireo didy voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Ahoana no hanovan’io fahamarinana io ny fomba fieritreretantsika ny didy sy ny fankatoavana?

Romana 14

Tsy tokony hitsara ny safidin’ny hafa isika ary tsy tokony ho vato fahatafintohinana ara-panahy.

  • Mba hanazavana ny sahan-kevitry ny Romana 14, dia afaka milaza amin’ny mpianatra ianao fa nifanditra mikasika ny fahasamihafan’ny sakafo fihinana andavan’andro, sy ny fankalazana ny andro fety, ary ireo fomba amam-panao hafa ara-kolontsaina ny Olomasina Romana sasany. Inona no toe-javatra mitovy amin’izany izay iainantsika amin’izao fotoana izao? Azo atao tsara ny manasa ny mpianatra hamaky ny Romana 14 dia hamintina ny torohevitr’i Paoly ao anaty fehezan-teny iray. Inona no torohevitra azontsika hifampizarana mikasika ny fomba hisorohana ny fitiavana mitsaratsara? Afaka manampy ilay teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”.

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hahatsapan’ny mpianatra fitaomam-panahy hamaky ny 1 Korintiana 1–7, dia afaka milaza amin’izy ireo ianao fa izy io dia mirakitra ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo mpikambana nipetraka tao amin’ny tanàna iray izay fantatra fa iray tamin’ireo tanan-dehibe faran’izay maloto fitondrantena sy mpijangajanga indrindra teo amin’izao tontolo izao fahiny.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Romana 7–16

Mandray “izay rehetra ananan’ny [Ray]” (FF 84:38).

Avy ao amin’ny Baiboly

Avy ao amin’ny soratra masin’ny andro farany

Nitantara ity fanoharana manaraka ity ny Loholona Dallin H. Oaks hoe:

“Nahafantatra ny ray mpanankarena iray fa raha hanolotra ny hareny amin’ny zanany izay mbola tsy nanana ny fahendrena sy ny tsanganana ilaina amin’izany izy dia mety ho verivery foana ilay lova. Hoy ilay ray tamin’ny zanany:

“‘Maniry ny hanome anao ny zava-drehetra izay ananako aho—tsy ny hareko fotsiny ihany fa ny toerako sy ny lazako eo anivon’ny olona koa. Azoko omena anao mora foana ny zavatra izay ananako fa ny maha-izaho ahy kosa dia tsy maintsy ianao ihany no mikatsaka izany. Ho mendrika ny lovanao ianao rehefa mianatra ny zavatra nianarako sy miaina izay zavatra niainako. Homeko anao ny lalàna sy ny fitsipika izay nahazoako ny fahendreko sy ny tsanganako. Araho ny ohatra napetrako, mahafehy zavatra tahaka ny nahaizako nifehy, dia ho lasa tahaka ahy ianao ka ho anao izay rehetra ahy.’” (“The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32).

Mpiray lova amin’i Kristy isika.

“Ny Olomasin’ny Andro Farany dia mandray ny olon-drehetra ho toy ny zanak’ Andriamanitra amin’ny heviny feno sy tanteraka. Mihevitra ny olona tsirairay ho avy amin’ Andriamanitra sy manana toetra ary hery anaty tahaka an’ Andriamanitra. … Tsy misy hafa amin’ny fahafahan’ny ankizy iray mampitombo ao anatiny ny toetran’ireo ray aman-dreniny rehefa mandeha ny fotoana no hahafahan’ny toetra araka an’ Andriamanitra lovain’ny olombelona mitombo mba hahatongavan’izany ho tahaka ny an’ny Rain’izy ireo any An-danitra. … Ny lehilahy sy ny vehivavy dia manana ny hery anaty hisandratana amin’ny toetra maha-andriamanitra” (“Becoming Like God,” Gospel Topics, topics.lds.org).

Fitsarana ny Hafa.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Azo ampianarina amin’ny alalan’ny toriteny ahitana teny roa monja ny lohahevitra mikasika ny fitsaratsarana ny hafa. Raha mikasika ny fankahalana, fifosafosana, tsy firaharahiana, fanalana baraka, fananana lolom-po na faniriana handratra fo no resahina—dia ampiharo izao manaraka izao:

“Ajanony izany!

“Tena tsotra be ilay izy. Mila manajanona ny fitsaratsarantsika ny hafa fotsiny isika ary manolo izany eritreritra sy fahatsapana te-hitsaratsara izany ho lasa fo feno fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny zanany rehetra. Raintsika Andriamanitra. Zanany isika. Mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra. … [Nisy] soratra mampita hafatra hitako vao haingana teo amin’ny taratasy mandraikitena … nipetaka tao aorian’ny fiara iray … ary nimotomototra be ihany ilay mpamily azy, kanefa ireo teny hita teo amin’ ilay taratasy mandraikitena dia nampianatra lesona manan-danja. Hoy izany hoe -Aza mitsara ahy ianao satria manota tahaka anao aho fa amin’ny fomba hafa fotsiny” (“Izay miantra no hiantrana,” Liahona, mey 2012, 75).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitadiava loharanom-pitaovana mba hanohanana ireo fitsipika. Ankoatra ireo hevitra hoenti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manamboatra ireo asa atao avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao mba ho ampiasaina ao amin’ny kilasinao. (Jereo koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17–18.)