Testamenta Taloha 2022
14-20 febroary. Genesisy 18–23: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?”


“14-20 febroary. Genesisy 18–23: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?”” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14-20 febroary. Genesisy 18–23,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Saraha mihazona an’i Isaka zazakely

(Sarah and Isaac) I Saraha sy Isaka, nataon’i Scott Snow

14-20 febroary

Genesisy 18–23

“Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?”

Raha miomana ny hampianatra ianao, dia tadidio fa be ny mpianatra mety nahazo traikefa manan-danja manokana raha mamaky ny Genesisy 18–23 izy. Inona no azonao hatao amporisihana azy ireo hizara ireny zavatra niainana sy hevitra ireny? Saintsaino ny hamela ireo hevitra ireo hitarika ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Matetika ireo fitsapana sy fisedrantsika no lasa fotoana mamaritra ny fiainantsika. Ny Genesisy 18–23 dia mamariparitra fotoana maro toy izany teo amin’ny fiainan’i Abrahama sy Lota. Angamba ny mpianatra afaka mizara andininy hitany mandritry ny fandalinany manokana tamin’ity herinandro ity izay mamariparitra fotoana iray mety namaritra ny fiainan’i Abrahama. Dia afaka hizara ny zavatra nianarany avy tamin’izany izy ireo avy eo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 18:9–14; 21:1–7

Manatanteraka ny fampanantenana nataony ny Tompo amin’ny fotoana voatendriny.

  • Ny fitantarana ao amin’ireo andininy ireo dia mety hanome aingam-panahy ho an’ny mpianatra izay manontany tena raha ho tanteraka ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra tamin’izy ireo. Entina hanombohana fifanakalozan-kevitra, dia mety manampy ny manasa ny mpianatra hiara-hanao famerenana amin’olona iray hafa ao an-dakilasy ny tantaran’ny fampanantenanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Saraha ao amin’ny Genesisy 17:4, 15–22; 18:9–14 sy ny fanatanterahan’ireo fampanantenana ireo ao amin’ny Genesisy 21:1–7. Inona no manaitra ny mpianatra ao anatin’ireo andininy ireo? Inona avy ireo fahamarinana azontsika tsoahintsika avy amin’ny zavatra niainan’i Abrahama sy i Saraha ka azontsika zaraina amin’ny namana izay tsy manana fanantenana fa hanatanteraka ny fampanantenana nataony Andriamanitra? Inona koa ireo soratra masina na zavatra niainana manokana hafa azontsika zaraina? (jereo, ohatra, ny Romana 8:28; Hebreo 11; Môrmôna 9:19–21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64). Inona ireo zavatra niainana azon’ny mpianatra zaraina ka notanterahina teo amin’ny fiainan’izy ireo ireo fampanantenan’ Andriamanitra? Ahoana no ahazoantsika mitana ny finoantsika raha mety tsy ho azo eto amin’ity fiainana ity ireo fitahiana nampanantenana? (jereo Hebreo 11:8–13).

Genesisy 19:15–26

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia tokony handositra ny faharatsiana isika ka tsy hiherika.

  • Inona ny lesona tsapanao fa azon’ny mpianatra hianarana avy amin’ny tantaran’ny fianakavian’i Lota nandositra an’i Sodoma sy Gomora. Mety ho lesona iray ilay natolotra ao amin’ny teny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”. Angamba azonao zaraina amin’ny kilasy izany rehefa avy mamintina ireo zava-nitranga tao amin’ny Genesis 19:15–26 ianao. Amin’ny fomba ahoana sy amin’ny ny tranga toy ny ahoana isika no “miherika” indraindray (andininy 26) rehefa tokony hijery any aloha miaraka amin’ny finoana ny Tompo? Angamba ny mpianatra dia afaka mizara zavatra niainana izay mampiseho ny maha-zava-dehibe ny tsy fiherehana. Inona no zavatra ampian’ny Lioka 9:62 amin’ny fahatakarantsika ity tsoa-kevitra ity?

    Sary
    Sarin’i Lota sy ny fianakaviany mandositra an’i Sodoma sy Gomora

    Fleeing Sodom and Gomorrah (Mandositra an’i Sodoma sy Gomora), nataon’i Julius Schnorr von Carolsfeld

Genesisy 22:1–14

Ny fahavononan’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka dia tandidon’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahy.

  • Ny tantaran’i Abrahama manome ny zanany lahy ho hatao fanatitra dia afaka mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra manome ny ny Zanany Lahy ho fanatitra. Fomba iray handinihana ity tantara ity ny fangatahana ny antsasaky ny kilasy hisaintsaina ny Genesisy 22:1–14 arakany fijerin’i Abrahama sy Andriamanitra Ray, ary ny antsasany iray hafa hisaintsaina ity tantara ity araka ny fijerin’i Isaka sy Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hizara ny hevitra hitany. Indrindra, inona ny zavatra hianaran’ny mpianatra izay nanamafy ny fankasitrahany an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Amin’ity fifanakalozan-kevitra ity, dia azonao aseho ny sarin’i Abrahama mitondra an’i Isaka ho hatao fanatitra (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 9) ().

Sary
additional resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Manondro mankany amin’ny hoavy foana ny finoana.”

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Mety ho azo heverina fa nitodika nijery ny Tompo tao anatin’ny lolom-po ny vadin’i Lota noho ny zavatra nangatahin’ny Tompo taminy mba havelany. … Ka tsy hoe nitodika fotsiny izy; fa nitodika amim-panembonana. Raha fintinina izany, ny fikifirany tamin’ny lasa dia lehibe kokoa noho ny fahatokisany ny hoavy. …

“… Miangavy anareo aho tsy hifikitra amin’ny efa lasa, na haniriniry foana ny omaly, na dia tsara tahaka ny ahoana aza ireny lasa ireny. “Natao hianarana ny lasa fa tsy hiainana. Mijery any aoriana isika mba hianatra zavatra avy amin’ireo ampahany tsara indrindra tao anatin’ny zavatra niainana fa tsy hamerina hiaina ny lasa akory. Ary rehefa nianatra izay nilaintsika hianarana isika sy nitondra niaraka tamintsika ny tsara indrindra izay niainantsika dia mijery any aloha isika ary mahatsiaro fa manondro mankany amin’ny hoavy foana ny finoana. …

“… Tsy nanana finoana [ny vadin’i Lota]. Nisalasala ny amin’ny fahafahan’ny Tompo manome azy zavatra tsara kokoa noho izay ananany izy. Heveriny fa toy ny hoe tsy misy zavatra ho avy izay mety ho tsara noho ny izay navelany tany aoriana. …

“… Ny fifantohana amin’ny fiainana taloha, anatin’izany ny fahadisoana taloha, dia tsy mety! Tsy izany no filazantsaran’i Jesoa Kristy”(“The Best Is Yet to Be,” Ensign, Jan. 2010, 24, 26–27).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampanantenà fitahiana. Raha manasa ireo ampianarinao ianao mba hampihatra izay nianarany, dia mijoroa koa ho vavolombelona amin’ireo fitahiana izay nampanantenan’ Andriamanitra ho an’ireo izay manao an’izany. (Jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35.)

Hamoaka printy