Testamenta Taloha 2022
31 janoary–6 febroary. Genesisy 6-11; Mosesy 8: “Nahita sitraka teo imason’ny Tompo i Noa”


“31 janoary–6 febroary. Genesisy 6-11; Mosesy 8: -Nahita sitraka teo imason’ny Tompo i Noa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8,” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Noa, ny fianakaviany, biby, ilay sambofiara, ary avana iray

Sarin’i Noa mivoaka ny sambofiara, nataon’i Sam Lawlor

31 janoary–6 febroary

Genesisy 6–11; Mosesy 8

“Nahita sitraka teo imason’ny Tompo i Noa”

Ity rindran-damina ity dia manamafy ireo fitsipika hita ao amin’ny Genesisy 6–11 sy Mosesy 8, saingy tsy ireo fitsipika ireo ihany no azonao hifantohana rehefa mampianatra ianao. Atokiso ny bitsika ara-panahy izay voarainao eo am-pandalinanao ny soratra masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny mpianatra hizara hafatra ara-panahy ho an’ny androntsika avy amin’ny tantaran’i Noa na ny Tilikambon’i Babela. Amporisiho izy ireo hizara soratra masina iray izay manamafy izany hafatra izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 6–8; Mosesy 8

Misy fiarovana ara-panahy ao amin’ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo.

  • Ny faharatsiana tamin’ny andron’i Noa dia mampahatsiahy antsika ny faharatsiana hitantsika manodidina antsika ankehitriny. Hanampiana ny mpianatra hahazo tombontsoa avy amin’ireo lesona ao amin’ny tantaran’i Noa, dia azonao hatao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe hoe Fampitandremana sy Fanomezan-toky. Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mandinika ny Genesisy 6–8 na Mosesy 8:13–30 sy mitady izay tsapany fa fampitandremana lehibe ho amin’ny androntsika ary izay heveriny fa manome toky (jereo koa ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”). Azon’izy ireo atao ny manoratra izay hitany eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany eo amin’ny solaitrabe. Nahoana ny tantaran’i Noa no manan-danja amintsika ankehitriny?

Genesisy 9:8–17

Ireo tandindona na famantarana dia manampy antsika hahatsiaro ireo ny fanekempihavanantsika tamin’ny Tompo.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manolo-kevitra ny hamakiana ny Genesisy 9:8–17 ary hisaintsainana momba ny fomba hanampian’ireo tandindona sy famantarana antsika mba hahatsiaro ireo fanekempihavanantsika. Hanampiana ny mpianatra hizara ny eritreriny, dia azonao atao ny mitondra zavatra izay mampahatsiahy antsika zava-dehibe, toy ny peratra mariazy, sainam-pirenena, na famantarana anarana eo an-tratran’ny misiônera, dia ampitahao amin’ny “tandindon’” ny avana izany. Inona ny ampianarin’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith, Genesisy 9:21–25 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) antsika momba io tandindona io? Ahoana no hampiasan’ Andriamanitra ireo tandindona na famantarana hanampiana antsika hahatsiaro ireo ny fanekempihavanantsika?

Genesisy 11:1–9

Ny hany lalana hahatongavana any an-danitra dia ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Ny tantaran’ny vahoakan’i Babela nanamboatra tilikambo dia mifanohitra tanteraka amin’ny tantaran’i Enoka sy ny vahoakany nanangana an’i Ziona, izay nohalalinin’ny mpianatra tamin’ny herinandro lasa. Samy nanandrana nanatratra ny lanitra ireo andian’olona roa ireo, saingy samy hafa ny fomba nataony. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitanisa any amin’ny solaitrabe izay zavatra tadidiny momba ny vahoakan’i Ziona (jereo ny Mosesy 7:18–19, 53, 62–63, 69) sy izay nianarany avy tao amin’ny Genesis 11:1–9 sy Helamana 6:26–28 momba ny vahoakan’i Babela. Inona avy ireo fahasamihafana hitan’izy ireo? Mampianatra inona antsika momba ny ezaka manokana ataontsika hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra izany?

    Sary
    ny tilikambon’i Babela

    Sarin’ny Tilikambon’i Babela, nataon’i David Green

  • Tsy misy intsony ny tanànan’i Babela fahiny, kanefa ny mbola misy ny rehareha sy ny toetra araka izao tontolo izao izay asehony. Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo lesona avy amin’ny Tilikambon’i Babela eo amin’ny fiainany, dia atombohy amin’ny fanasana azy ireo hamerina hijery ny Genesisy 11:1–9. Dia azonao atao avy eo ny mizara taratasy kely ary manasa ny mpianatra hanoratra ireo zavatra ataon’ny olona ka misintona azy ireo hanalavitra an’ Andriamanitra; dia, eo amin’ny taratasy kely hafa, hanoratra ireo zavatra mampanakaiky azy amin’ Andriamanitra. Mety ho tian’ny mpianatra ny mandamina ireo andiana taratasy voalohany haka endrika tilikambo, ary ny andiana taratasy faharoa haka endrika tempoly. Inona no nomen’ Andriamanitra hanampiana antsika “hahatakatra ny lanitra”? (Genesisy 11:4; jereo koa ny Jaona 3:16). Azonareo atao ny manao hira iray momba io lohahevitra io, toy ny “Mon Dieu plus près de Toi” (Cantiques, no. 54).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Lesona avy amin’i Noa.

Hoy ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

“Ny tsy fanekena ny torohevitry ny mpaminany dia mampihena ny herintsika handray torohevitra nentanim-panahy amin’ny ho avy. Ny fotoana tsara indrindra nanapahana hevitra ny hanampy an’i Noa hanamboatra ilay sambofiara dia tamin’ny fotoana voalohany nangatahany izany. Isaky ny nangataka izy taorian’izay, ny tsy famaliana tsirairay dia nampihena ny fahenoana ny Fanahy. Ary dia toy izany fa isaky ny nangataka izy dia toa miha-adaladala kokoa izany, mandrapahatongan’ny orana. Dia efa tara loatra izany.

“Isak’izay nisafidy ny hanemotra ny fanarahako ireo torohevitra nentanim-panahy teo amin’ny fiainako aho, na nanapa-kevitra fa niavaka tamin’ny rehetra ny tenako, dia fantatro fa nampidi-doza ny tenako aho. Isaky ny avy nihaino ny torohevitr’ireo mpaminany aho, ka nahazo fanamafisana izany tamin’ny vavaka, ary avy eo dia nanaraka izany, dia hitako hoe nandroso nankany amin’ny fahazoana fiarovana ny tenako” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, Mey 1997, 25).

Nahoana Andriamanitra no nandefa ny tondra-drano?

Misy olona manontany momba ny fahamarinan’ Andriamanitra rehefa nandefa tondra-drano Izy “hanafoana ny olombelona” (Genesisy 6:7). Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nanazava fa tamin’ny fotoanan’ny Tondra-drano Lehibe, dia “tonga tamin’ny fotoana iray nananany hery nandravana ny fahafahana misafidy ny fahalovana ka tsy nahafahana nandefa ireo fanahy tety araka ny rariny” (We Will Prove Them Herewith 1982], 58).

Manatsara ny fampianarantsika

Asio fotoana hisaintsainana. Ny fanontaniana tsara dia mitaky fisaintsainana sy fikarohana ary fanentanam-panahy. Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hieritreretana fanontaniana iray vao mangataka valinteny. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31–34.)

Hamoaka printy