Testamenta Taloha 2022
21-27 febroary. Genesisy 24-27: Nohavaozina ny fanekempihavanana


“21-27 febroary. Genesisy 24-27: Nohavaozina ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21-27 febroary. Genesisy 24–27,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Rebeka

Sarin’i Rebeka, nataon’i Dilleen Marsh

21-27 febroary

Genesisy 24–27

Nohavaozina ny fanekempihavanana

Rehefa mamaky ny Genesisy 24-27 ianao, dia mivavaha ahafantarana izay tokony ho ataonao amporisihana ny mpianatra ahazo ny traikefany manokana amin’ny fianarana avy ao amin’ny sorara masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Amporisihana ny mpianatra hizara ny hevitra azony avy ao amin’ny Genesisy 24-27, dia azonao atao ny manasa azy ireo hisafidy andalan-tsoratra voafaritra izay mitondra aingam-panahy ho azy ireo ary hanoratra izany amin’ny taratasy kely. Hangony ireo taratasy, dia misafidiana maromaro ho vakiana sy hifanakalozana hevitra miaraka amin’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 24

Ny fanekempihavanan’ny fanambadiana dia zava-manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra mandrakizay.

  • Ny lanja nomen’i Abrahama tamin’ny fitadiavana vady ho an’i Isaka dia manome fahafahana hifanakalozana hevitra momba ny fanekempihavanan’ny fanambadiana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika. Hanombohana ny fifanakalozan-kevitra, ny mpianatra dia afaka mamaky haingana ny Genesisy 24 sy mizara ireo zavatra nataon’ny Tompo hanampiana an’i Isaka sy Rebeka ho tonga amin’ny fanambadiana. Nahoana ny fanambadiana no manan-danja amin’ny Tompo? Hanampiana ny mpianatra hifanakalo-hevitra momba io fanontaniana io, azonao zaraina amin’izy ireo ny teny nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”. Ahoana no ahazoantsika antoka fa tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra amin’ny fanambadiana?

  • Hanontanio ny mpianatra ireo zavatra tsara hitany eo amin’ny vady, ray aman-dreny, na mpivady hafa izay nahatonga ny fanambadiany ho feno fahatokiana sy fifaliana. Ny tantara ao amin’ny Genesisy 24 dia mampiseho zavatra tsara izay afaka manampy olona iray hanorina fanambadiana sambatra—sy ireo lafiny hafa amin’ny fiainana. Ohatra, ao amin’ny andininy 12 dia mianatra momba ny hoe tarihina amin’ny alalan’ny vavaka isika, ary ao amin’ny andininy 19 dia mianatra momba ny hoe manome ezaka fanampiny ao amin’ny fanompoana isika. Inona koa ireo fitsipika hafa hitantsika ao anatin’ireo toko ireo? Afaka mijery ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org) ihany koa ny mpianatra.

Genesisy 25:29–34

Azontsika atao no misafidy na valisoa eo no ho eo na zavatra manan-danja lehibe kokoa.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra ahita lesona ho azy ireo manokana avy amin’ny zavatra niainan’i Jakoba sy Esao? Hevitra iray ny manasa azy ireo hanao lisitra anakiroa eo amin’ny solaitrabe: ny iray ahitana ireo fitahiana mandrakizay tian’ Andriamanitra omena antsika ary amin’ny ankilany ny zavatra eto an-tany izay manalavitra antsika amin’ ireo fitahiana ireo. Avy eo ny mpianatra dia afaka mamaky ny Genesisy 25:29–34, dia manakalo ny “fizokiana” amin’ny zavatra iray avy eo amin’ny lisitra voalohany ary ny “lasopy” amin’ny zavatra iray avy eo amin’ny lisitra faharoa. Ahoana no fomba hiezahan’ny fahavalo mandresy lahatra antsika hanakalo ireo fitahian’ Andriamanitra amin’ireo zavatra tsy dia manan-danja firy? Eritrereto ny hanasa ny mpianatra hifanome torohevitra momba ny fomba hifantonana amin’ny Mpamonjy sy ireo fitahiana mandrakizay izay omeny antsika.

Genesisy 26:18–25, 32–33

I Jesoa Kristy no fantsakana misy ny rano velona.

  • Ny Genesisy 26 dia milaza im-betsaka fa i Isaka sy ny ankohonany dia mila niady fatsankana mba ahitana rano, ary izany dia matetika no nitaky ezaka tena lehibe. Izany dia afaka manampy anao hampianatra ireo olona ao amin’ny kilasinao momba ny ezaka takiana hitondrana ny “rano velona” an’ny Mpamonjy hoe eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Jaona 4:10). Angamba azonao hatao sary eo amin’ny solaitrabe ny fantsakana iray tototra fotaka lalina . Afaka mifandimby mamafa ny sasany amin’ilay fotaka ny mpianatra sady mamariparitra ny fomba ahitany ny rano velon’ny Tompo. Amporisiho izy ireo hampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina ahitana andininy izay mifandray amin’izay zavatra zarainy.

    Sary
    fantsakana fahiny iray

    Fantsakana iray any Beri-sheba fahiny, toerana izay hiadian’i Abrahama sy Isaka fantsakana.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fanambadiana sy fianakaviana dia zavatra noharian’ Andriamanitra.

Ny loholona D. Todd Christofferson dia nanome ireo antony sasany maha-manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra:

“Ny fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra—toerana ilaina ho an’ny fahaterahan’ny zanaka izay tonga ao anatin’ny fahadiovana sy ny tsy fananan-tsiny avy amin’ Andriamanitra, ary tontolo ho an’ny fianarana sy fiomanana izay ho ilain’izy ireo mba hananana fiainana an-tany mahomby sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. Ny fisian’ny vondrom-pianakaviana na dia amin’ny isany kely indrindra izay naorina tamin’ny alalan’ny fanambadiana toy izany dia tena zava-dehibe ho an’ny fiarahamonina mba hahavelona azy sy mba hivelarany. …

“… Fa tsy mifototra amin’ny haifiarahamonina anefa ny hevitra ijoroantsika mikasika ny anjara asan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana fa mifototra amin’ilay fahamarinana hoe zavaboaharin’ Andriamanitra izy ireo. Tany am-piandohana dia Izy no nahary an’i Adama sy i Eva araka ny endriny, izay lahy sy vavy ary nampitambatra azy ireo ho mpivady mba ho lasa ’nofo iray’ sy hihabetsaka ary hameno ny tany. Samy manana izay endrik’ Andriamanitra izay ny olona tsirairay, saingy ao anatin’ny fanambadian’ny lehilahy sy vehivavy hitambatra ho iray angamba no hahatanterahantsika ny dikany feno tanteraka fonosin’ilay hoe namboarina araka ny endrik’ Andriamanitra—lahy sy vavy. … Ny fanambadiana toy izany … dia ampahany lehibe ao amin’ny drafitry ny fahasambarana tahaka ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana” (“Why Marriage, Why Family,” Liahona, May 2015, 52).

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy mifototra amin’ny fotopampianarana ny fampianaranao. Raha manasa ny mpianatra hizara ianao, dia alaivo antoka fa mitondra tsy tapaka ny fifanakalozan-kevitra mankany amin’ny fotopampianarana ao amin’ny soratra masina ianao. Azonao hatao izany amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hamaky ny andalan-tsoratra masina ao an-dakilasy, sy fanetrahana fanontaniana momba izay zavatra lazain’ny soratra masina, ary fanasana ny mpianatra hizara ny zavatra niainany momba ireo fanekempihavanana izay nampianarina.

Hamoaka printy