Testamenta Taloha 2022
7-13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: “Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”


“7-13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: -Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana,’-” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7-13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2,” Avia, hanaraka Ahy–Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Abrahama sy Saraha

Sarin’i Abrahama sy Saraha nataon’i Dilleen Marsh

7-13 febroary

Genesisy 12-17; Abrahama 1-2

“Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”

Inona ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina anao tamin’ity herinandro ity rehefa nandalina ny Genesisy 12-17 sy Abrahama 1-2 ianao? Ataovy izay hanomezana fafhafahana ho an’ny mpianatra hizarany izay nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana ny mpianatra fahafahana hizara ny zavatra izay nianarany avy tao amin’ny Genesisy 12-17 sy Abrahama 1-2, dia afaka misafidy olona iray voalaza ao amin’ireo toko ireo izy tsirairay, ary mameno ny fehezan-teny toy ny hoe: “i Abrahama dia nampianatra ahy ” na “i Saraha dia nampianatra ahy .”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 15:1–6; 17:15–22; Abrahama 1:1–19

Hitahy antsika Andriamanitra noho ny finoantsika sy ireo faniriantsika feno fahamarinana.

  • Ny zavatra niainan’i Abrahama sy Saraha hita ao amin’ny Genesisy 15; 17; Abrahama 1 dia afaka manampy ny mpianatra hihazona finoana fa ny faniriany marina dia ho tanteraka amin’ny fotoanan’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahanao manomboka fifanakalozan-kevitra momba an’io fitsipika io? Hevitra iray ny manasa ny kilasy hamaky ny Genesisy 15:1–6 sy Abrahama 1:1–19 ary hamariparitra ireofaniriana sy zava-tsarotra niainan’i Abrahama. Ahoana no nampisehoan’i Abrahama sy Saraha ny finoan’izy ireo tao anatin’ny fotoana sarotra? (jereo ny Hebreo 11:8–13). Ahoana no nahatanteraka ireo faniriany marina nony farany? (jereo ny Genesisy 17:15–22; 21:1–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:29; Abrahama 1:31). Ahoana no ahafahantsika mampiseho ny finoantsika raha tsy mbola tanteraka araka izay tiantsika ny faniriana marina ananantsika? Angamba azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba nanohanan’ny Tompo azy ireo tao anatin’ny tranga toa an’ireo.

  • Ny sasany amin’ny mpianatrao dia mety zara raha mahazo fanohanana avy amin’ny fianakaviany raha miezaka miaina ny filazantsara—ary mety miatrika fanoherana mihitsy koa aza izy ireo. Inona no azontsika hianarana avy amin’ny ohatr’i Abrahama ao amin’ny Abrahama 1:1–19 ka afaka manampy ireo izay miezaka miaina araka ny filazantsara?

  • Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:36–40 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), ary hizara izay nianarany momba ny finoana sy fanirian’i Abrahama. Azony hatao koa ny miresaka momba ny fitahiana azony rehefa nampihatra ny finoany izy ireo raha nandoa ny fahafolonkarena.

Abrahama 2:6–11

Ny fanekempihavanan’ i Abrahama dia mitahy antsika rehetra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny atao hoe fanekempihavanan’i Abrahama, dia zarao ireo teny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” (jereo koa ny Gospel Topics, “Abrahamic Covenant, topics.ChurchofJesusChrist.org). Mety nianatra momba ny fanekempihavanan’ i Abrahama avy tao amin’ny Abrahama 2:6–11 ny mpianatra, araka ny naroso tao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angamba azon’ny mpianatra ato ny mizara izay nianarany, na afaka miara-mandalina ireo andininy ireo ny iray kilasy. Inona ny fampanantenana sy ny andraikitra azontsika avy amin’ny fanekempihavanan’ i Abrahama? Inona no tokony hataontsika mba handraisana ireo fitahiana avy amin’io fanekempihavanana io? Ahoana no ahafahantsika, amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika, hitahy “ireo fianakaviana rehetra eto an-tany”? Abrahama 2:11).

Genesisy 14:18–19; , Genesisy 14:25–40

“Lehilahy nanam-pinoana i Melkizedeka.”

  • Noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana dia mahafantatra ny fisoronana Melkizedeka, kanefa tsy mahafantatra an’i Melkizedeka ilay lehilahy ny sasany. Hanampiana ny mpianatra ahafantatra bebe kokoa momba azy, dia mety ho asainao izy ireo haka an-tsary hoe asaina mampahafantatra azy aman’ny olona izay tsy mahafantatra azy ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra izay ho teneniny. Ny zavatra holazainy dia mety ho hitany amin’izay novakiany tao amin’ny Almà 13:13–19; sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Fisoronana Melkizedeka ao amin’ireo andininy ireo?

    Sary
    Nitso-drano an’i Abrama i Melkizedeka

    Mitso-drano an’i Abrama i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanan’ i Abrahama.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ilay fanekempihavanana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama ary nohamafisina taty aoriana tamin’ i Isaka sy Jakôba dia tena faran’ izay manan-danja. … Niseho tamin’ izao andro farany izao ny Tompo mba hanavao io fanekempihavanan’ i Abrahama io. … Tamin’ izany fanavaozana izany no nandraisantsika, tsy misy hafa tamin’ ireo fahiny, ny fisoronana masina sy ny filazantsara mandrakizay. Manana ny zo isika handray ny fahafenoan’ ny filazantsara, sy hahazo ireo fitahiana avy amin’ ny fisoronana, ary ho mendrika ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra—dia ny fiainana mandrakizay” (“Covenants,” Liahona, Nov. 2011, 87–88).

“Ireo fitahiana faratampon’ny fanekempihavanan’i Abrahama dia omena any amin’ireo tempoly masina. Ireo fitahiana ireo dia mamela antsika hivoaka amin’ny Fitsanganana amin’ny maty voalohany sy handova fiandrianana, fanjakana, hery, fanapahana, ary fizakana, hankany amin’ny -fisandratantsika sy ny voninahitsika amin’ny zava-drehetra- [Fotompanpianarana sy Fanekempihavanana 132:19]” (“Special Witnesses of Christ,” Ensign, Apr. 2001, 7).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona matetika. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsimpo mikasika ny fahamarinana ara-panahy, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. Ohatra, afaka mizara fijoroana ho vavolombelona tsotra ianao momba ny fomba nitahian’ny fanekempihavanana ny fiainanao.

Hamoaka printy