Testamenta Taloha 2022
28 febroary–6 martsa. Genesisy 28-33: “Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah”


“28 febroary–6 martsa. Genesisy 28-33: -Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 febroary–6 martsa. Genesisy 28-33,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Tempolin’i Tijuana Mexique

28 febroary–6 martsa

Genesisy 28–33

“Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah”

Raha miomana ny hampianatra ianao, dia saintsaino ombam-bavaka hoe fitsipika inona ao amin’ny Genesisy 28-33 no mety hanampy indrindra ny mpianatrao. Ireto hevitra manaraka ireto dia natao hanampy ny fandalinana sy fanetanam-panahinao manokana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Fitahiana iray azo avy amin’ny fivondronana ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny hoe afaka mifanampy mitady ny dikan’ny tenin’ny soratra masina ireo mpianatra. Amporisiho ny mpianatra hizara amin’izay mipetraka eo akaikiny izay nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo raha mandalina ny soratra masina izy tamin’ity herinandro ity. Afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra ny mpianatra vitsivitsy. Izany dia mety fomba tsara hanombohana ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny kilasinao.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 28:10–22

Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika ao amin’ny tempoly.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra ahita ny hevitry ny zavatra niainan’i Jakoba tany Betela, araka ny voafariparitra ao amin’ny Genesisy 28:10–22? Azony atao ny mamonmboka amin’ny famerenana ny Genesisy 27:41–45; 28:1–5 sy fieritreretana momba ny fiainan’i Jakoba tamin’izany fotoana izany. Inona no mety ho fahatsapan’i Jakoba? Ny mpianatra dia afaka mamaky ny Genesisy 28:10–22 koa. Inona no fitahiana azon’i Jakoba avy tamin’izany zavatra niainany izany? Inona no mety nampahery azy? Manome antsika aingam-panahy toy ny ahoana entina mitsaoka ao amin’ny tempoly ny zavatra niainan’i Jakoba? Azon’ny mpianatra atao koa ny mihira, na mamaky, na mihaino ny “Mon Dieu plus près de toi,” izy mifototra amin’ireo andininy ireo (Cantiques, no. 10054). Azony atao ny mizara andian-teny avy amin’ilay hira na avy amin’ny Genesisy 28:10–22 izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra niainany rehefa niezaka ny hanantona akaiky kokoa ny Tompo izy ireo.

  • Ny tohatra izay hitan’i Jakoba tao amin’ny nofiny dia matetika no oharina tamin’ny fanekempihavanan’ny tempoly. Angamba ianao afaka mampiseho na manao sarina tohatra sy tempoly. Ny mpianatra dia afaka manao famerenana ny Genesisy 28:10–22 ary sady miresaka momba ny zavatra ampianarin’ilay tohatra ao amin’ny nofin’i Jakoba antsika momba ny tempoly. Inona koa no hitantsika ao amin’ireo andininy ireo izay mampahatsiahy antsika ireo fitahiana izay azontsika noho ny fanekempihavanana ataontsika any amin’ny tempoly?

  • Hanampiana ny mpianatra hisaintsaina momba ireo fampanantenanan’ny fanekempihavanan’i Abrahama, izay nohavaozin’ny Tompo tamin’i Jakoba, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Genesisy 28:10–15 ary hiresaka momba ny fomba ahazoantsika mandray ireo fitahiana ireo ankehitriny (jereo koa ny Genesisy 12:2–3). Azony hatao koa ny mamaky ny teny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”, sady mitady ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana. Ahoana no nitahiana an’i Jakoba rehefa nandray ireo fampanantenana hita ao amin’ny Genesisy 28:10–15 izy? Inona ny fifandraisana hitantsika eo amin’ireo tranga ao amin’ireo andininy ireo sy ireo tranga ao amin’ny Genesisy 29 sy 30 (ny fanambadian’i Jakoba sy ny fahaterahan’ireo zanany)? Ahoana ny fomba hitahian’ny Tompo antsika rehefa manao sy mitandrika fanekempihavanana masina isika?

Sary
Jakoba sy Esao mifamihina

Sarin’i Jakoba sy Esao mifamihina, nataon’i Robert T. Barrett

Genesisy 32-33

Ny Tompo dia afaka manampy antsika handresy ny tsy fifanarahana eo anivon’ny fianakaviantsika.

  • Ny Genesisy 32–33 dia mety hanome aingam-panahy ho an’ny mpianatra izay mitady fahasitranana eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviany. Mety manampy koa ny mangataka ny mpianatra hamintina fohifohy ireo tranga voarakitra ao amin’ny Genesisy 27. Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia ahitana fanontaniana hosaintsainina eo am-pandalinana ny Genesisy 32-33. Angamba ny mpianatra dia afaka misafidy ny iray amin’ireo fanontaniana ireo ary hitady valinteny ao amin’ireo toko ireo. Mety te hizara ny zavatra niainany koa izy ireo rehefa nanamafy ny fifandraisany teo anivon’ny fianakaviany. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny fomba nanampian’ny Ray any An-danitra azy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Zanaky ny fanekempihavanana isika.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Eo amin’ny batisa dia manao fanekempihavanana isika ny hanompo ny Tompo sy hitandrina ny didiny. Rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo isika dia manavao izany fanekempihavanana izany ary manambara ny finiavantsika hitondra ny anaran’ i Jesoa Kristy eo amintsika. Amin’ izany fomba izany no hahafahantsika hatsangana ho Zanakalahiny sy Zanakavaviny ary antsoina hoe mpirahalahy sy mpirahavavy. Izy no rain’ ny fiainantsika vaovao. Amin’ ny farany, ao amin’ ny tempoly masina isika dia afaka ho tonga mpiray lova handova ny fitahiana hahazo fianakaviana mandrakizay, tsy misy hafa amin’ izay nampanantenaina tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakôba sy ireo taranany. Noho izany, ny fanambadiana selestialy no fanekempihavanan’ ny fisandratana.

“Rehefa fantatsika fa isika dia zanaky ny fanekempihavanana, dia fantatsika hoe iza isika ary inona no andrasan’ Andriamanitra amintsika. Voasoratra ao am-pontsika ny Lalàny. Izy no Andriamanitsika ary vahoakany isika. Ireo zanaky ny fanekempihavanana manolo-tena dia mitoetra ho mahatoky, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza. Rehefa miorim-paka lalina ao am-pontsika izany fotopampianarana izany, dia na ny tsilon’ny fahafatesana aza dia mihamalefaka ary mihamatanjaka ny herintsika ara-panahy” (“Covenants,” Liahona, Nov. 2011, 88).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hanao asa araka ireo bitsika. “Ny fiovampo marina dia mifono zavatra bebe kokoa fa tsy ny fahatsapana ny Fanahy izay manamafy ao am-pontsika ny fahamarinana fotsiny; tsy maintsy mandray andraikitra isika eo anatrehan’ireo fahamarinana ireo. Ankoatra ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa sy hahafantatra ny Fanahy masina, dia ampio izy ireo hanao asa araka ny bitsika izay voarainy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).

Hamoaka printy