Testamenta Taloha 2022
14-20 martsa. Genesisy 42-50: “Andriamanitra nisaina izany ho soa”


“14-20 martsa. Genesisy 42-50: -Andriamanitra nisaina izany ho soa,-” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14-20 martsa. Genesisy 42-50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Josefa tany Egypta

Sarin’i Josefa tany Egipta, nataon’i Robert T. Barrett

14-20 martsa

Genesisy 42-50

“Andriamanitra nisaina izany ho soa”

Hoy ny Loholona David A. Bednar: “Ny fahatakarana ara-panahy izay noraisinao sy noraisiko … dia tsy afaka omena olona hafa tsotra izao” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, Sept. 2007, 67). Ahoana no hanampianao ny mpianatra handray fahatakarana ara-panahy ho an’ny tenan’izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hanomezana ny mpianatra fahafahana mizara ny zavatra izay hitany fa manan-danja tao amin’ny fandalinany ny soratra masina manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany, azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto amin’ny fiantombohan’ny kilasy: Andininy inona tao amin’ireo toko ireto no nanaitra anao? Inona no andininy izay novakianao mihoatra ny indray mandeha? Inona no andininy nozarainao tamin’olona? Inona no andininy izay nitarika fifanakalozan-kevitra manan-danja niarahana tamin’ny fianakavianao na namanao?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 45:1–15; 50:15–21

Mitondra fiadanana ny famelan-keloka.

  • Alohan’ny hanombohana ny fifanakalozan-kevitra mmikasika izay ampianarin’ny zavatra niainan’i Josefa momba ny famelan-keloka, dia mety hanampy raha misy mitantara vetivety ny tantara ao amin’ny Genesisy 37; 39–45. Nahaona no mety ho sarotra tamin’i Josefa no namela heloka ireo ralahiny? Inona ireo zavatra niainana na fihetsika mety nanome an’i Josefa tanjaka hamelana heloka? (jereo, ohatra, ny Genesisy 45:1–15 na 50:15–21). Ahoana no ahafahan’ny ohatr’i Josefa no manampy antsika hamela heloka kokoa?

    Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika mba hamela heloka ny hafa?

  • Inona avy ireo fitahiana tonga avy tamin’ny famelan’i Josefa ny heloky ny rahalahiny? Mety ho mahaliana ny mampitaha ny fifandraisana teo anivon’ny fianakavian’i Jakoba tany amin’ny fiandohan’ny tantara (jereo, ohatra, ny Genesisy 37:3–11) sy ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny farany (jereo ny Genesisy 45:9–15; 50:15–21). Inona no anjara asan’ny famelan-keloka teo amin’ny fiovana teo amin’ny fianakavian’i Josefa? Inona no mety nitranga raha tsy vonona hamela heloka i Josefa? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ireo fomba mety hanampian’ity tantara ity ny fianakaviana ankehitriny mba handresy ny fifandirana sy fialonana.

Genesisy 45:5–11; Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38

Ny asan’i Josefa, sy Mosesy, ary Joseph Smith dia mijoro ho vavolombelona momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy.

  • Miampy ny fahazavan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia fantatsika fa i Josefa, izay nanavotra ny fianakaviany tamin’ny mosary, dia naminany fitahiana lehibe izay hoavy avy amin’ny alalan’i Mosesy sy Joseph Smith indray andro any. Ary ireo mpaminany rehetra ireo dia manondro antsika ho any amin’ilay Mpanavotra Lehibe antsika, Jesoa Kristy. Hanampiana ny mpianatra hahita ny Tompo ao amin’ny fampianaran’ireo mpaminany telo ireo, dia azonao atao no manao sarina tabilao eny amin’ny solaitrabe, mitovy amin’ilay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Afaka miara-miasa ny mpianatra hamenoana izany. Dia afaka manampy tsanganana mamariparitra ny asan’i Josefa avy any Egipta, Mosesy, ary Joseph Smith izy ireo avy eo, ka hampiasa ny zavatra nianarany avy amin’ny Genesisy 45:5–11 sy Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38 . Ahoana no fomba ijoroan’ireo fampianaran’ireo mpaminany ireo ho vavolombelona sy hanondroany antsika mankany amin’ny asa nanirahana an’ny Tompo? (Hahitana ohatra amin’ireo fitoviana teo amin’ny fiainan’i Josefa avy any Ejipta sy ny fiainan’ny Mpamonjy, dia jereo ny Genesisy 37:3 sy ny Matio 3:17; ny Genesisy 37:26–28 sy ny Matio 26:14–16; ny Genesisy 45:5–7 sy ny Lioka 4:18; ary ny Genesisy 47:12 sy ny Jaona 6:35, jereo koa ny Mosesy 6:63.)

    Sary
    Josefa avy any Ejipta nahita an’i Joseph Smith nandray ireo takelabolamena

    Sarin’i Josefa avy any Ejipta, nataon’i Paul Mann

Genesisy 50:19-21

Andriamanitra dia afaka manampy antsika hahita ny hevitr’ireo fitsapana atrehantsika.

  • Na dia mety ho tsy nazava aza ilay izy tamin’ny fotoana nandalovan’ny fitsapana mahery vaika, dia afaka nanao jery todika ny fahoriana niainany tany Ejipta i Josefa ary nahita fa “Andriamanitra nisaina izany ho soa” (Genesisy 50:20). Raha afaka namangy an’i Josefa isika fony izy tao an-davaka na tao am-ponja, ahoana no mety ho fomba nankaherezantsika azy? Ahoana ny ahafahan’ilay hevitra voalaza ao amin’ny Genesisy 50:19–21 manampy antsika mandritra ireo fotoam-pisedrana? Angamba ny mpianatra dia mety hanitry hiresaka momba ireo fomba nitahian’ Andriamanitra azy ireo, na dia nandritra ireo zava-tsarotra niainan’izy ireo aza. Manampy inona amin’ny fahatakarantsika io fitsipika io ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122?

Sary
additional resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fiainan’ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy.

Ny fiainan’i Josefa avy any Ejipta, sy Mosesy, ary Joseph Smith dia afaka mampatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy. Afaka mameno ity tabilao ity ny mpianatra dia manapy tsanganana ho an’i Josefa avy any Ejipta (jereo ny Genesisy 45:5–11), Mosesy (jereo ny Dikan-tenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24, 29, 34–36 ), ary Joseph Smith (jereo ny Dikan-tenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:26–28, 30–33) avy eo.

Jesoa Kristy

Iza no nohafahana?

Nohafahana tamin’ny inona izy ireo?

Inona no natao hanafahana azy ireo?

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa hijoro ho vavolombelona. Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona dia afaka ny ho fomba mahomby iray hanasana ny Fanahy. Ohatra, rehefa mampianatra ny Genesisy 45:1–15, dia azonao apetraka ny fanontaniana toy ny hoe “Inona ny fitahiana azonao avy tamin’ny famelanao heloka ny olona iray?” (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32).

Hamoaka printy