Testamenta Taloha 2022
7-13 martsa. Genesisy 37-41: “Ary Jehovah nomba an’ i Josefa”


“7-13 martsa. Genesisy 37-41: -Ary Jehovah nomba an’ i Josefa,-” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7-13 martsa. Genesisy 37-41,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Josefa avy any Ejipta any am-ponja

Sarin’i Josefa avy any Ejipta any am-ponja, nataon’i Joseph Ward

7-13 martsa

Genesisy 37–41

“Ary Jehovah nomba an’ i Josefa”

Tsy voatery hampianatra ny atrik’asa rehetra izay ato anatin’ity rindran-damina ity ianao. Eo am-piomananao hampianatra, dia mivavaha mba hanampian’ny Fanahy masina anao hahafantatra ireo atrik’asa (raha misy) ato amin’ity rindran-damina ity izay mifanaraka indrindra amin’ny zavatra ilain’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny mpianatra hizara izay nianarany tao amin’ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany, dia azonao asaina izy ireo hitady andian-teny ao amin’ny Genesisy 37–41 izay maneho lesona na fitsipika iray heveriny ho manan-danja.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Genesisy 37:1–28; 39; 40:1–19; 41:9–45

“Ary Jehovah nomba an’ i Josefa” tao anatin’ny fijaliany.

  • Tahaka an’i Josefa, ny mpianatrao dia mety miaina fitsapana tena mafy. Hanampiana ny mpianatra hahita aingam-panahy avy amin’ny ohatr’i Josefa, dia azonao zaraina ho vondrona telo ny mpianatra ka angataho ny vondrona tsirairay hanao famerenana ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Genesisy 39; 40:1–19; na 41:9–45. Avy eo ny vondrona tsirairay dia afaka mizara ireo fomba samihafa niarahan’ny Tompo tamin’i Josefa tao anatin’ireo olany. Raha mety, dia afaka mizara ny zavatra niainany ny mpianatra rehefa niaraka tamin’izy ireo ny Tompo nandritry ny fotoam-pitsapana sarotra iray. Ahoana no ahafahantsika mianatra mahita tsara kokoa ny fanatrehan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika?

  • Ity lesona ity dia afaka mampiseho ny fomba ahafahantsika mandresy ny fahoriana: mametraha zavatra maivana, toy ny baolina plastika kely iray, ao anatin’ny fitoeran-javatra iray nampiana vary manta na tsaramaso maina hatreo amin’ny antsasany. Asao ny olona iray hanozongozona moramora ilay fitoeran-javatra mandra-pahatonga ilay baolina hiakatra eo aminy tampony. Inona no nampitovy an’i Josefa amin’ilay baolina? Ny mpianatra dia afaka mizara ohatra amin’ny Tompo nanampy an’i Josefa handresy ny fahoriana avy ao amin’ny Genesisy 37:5–11; 39; 40:1–19; 41:9–45. Azony atao koa ny mizara momba ireo fotoana izay nanampian’ny Tompo azy ireo tamin’ny fomba sahala amin’izany.

  • Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hihira na hamaky ny tononkiran’ny fihirana iray momba ny fanaovana safidy tsara, toy ny “Manaova ny marina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 68). Avy eo ny mpianatra dia metymahita hevitra na andian-teny ao amin’ny Genesisy 37:1–28; 39; 40:1–19; 41:9–45 izay maneho ilay hafatra ao amin’ny hira. Ahoana no nitahiana an’i Josefa, na teo aza ny fahoriany, rehefa nanao izay marina izy? Oviana no nitahian’ny Tompo antsika tao anatin’ny fahoriana noho ny fanaovana ny marina?

Genesisy 37:5–11; 40; 41:1–38

Raha mahatoky isika, dia hitarika sy hanentana ny fanahintsika ny Tompo.

  • Na dia tsy mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny nofy aza ny olon-drehetra, dia misy zavatra azontsika hianarana momba ny fanambarana avy amin’ny zavatra niainan’i Josefa, sy ny mpiasan’ny Farao, ary i Farao. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny Genesis 37:5–11; 40:5–8; 41:14–25, 37–38 ary hizara izay zavatra nianarany momba ny fanambarana. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hizara ny zavatra izay nanampy azy hiomana handray, hahazo, ary hanao asa araka ny fanambarana.

    Sary
    I Josefa nandika nofy tao am-ponja

    Joseph Interpreting the Butler and Baker’s Dreams (I Josefa nandika ny nofin’ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofo), nataon’i François Gérard

Genesisy 39:1–20

Afaka mitsoaka fakam-panahy isika miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

  • Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra izay nianarany momba ny fandresena fakam-panahy raha namaky ny Genesisy 39 izy ireo tamin’ity herinandro ity. Inona no nataon’i Josefa handresena ny fakam-panahy? (jereo ny andininy 7–12). Angataho ny mpianatra hanao lisitra ireo zavatra azontsika atao hisintonana ny herin’ Andriamanitra rehefa miatrika fakam-panahy isika. (Ny mpianatra dia mety hahita hevitra ao amin’ny Matio 4:1–11 na ao amin’ireo soratra masina voatanisa eo ambanin’ny “Maka fanahy, Fakam-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org].)

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny ohatr’i Josefa hanampiana ny mpianatra hanohitra ny fakam-panahy hanao fahotana ara-nofo? Ankoatra ny famerenana mijery ny Genesisy 39:1–20, ny mpianatra dia afaka mamerina mijery ny “Fahadiovana Ara-nofo” (ao amin’ny Ry Tanora Mahereza [2011], 35–37). Azony zaraina izay nianarany momba ny fanoharana eritreritra, teny, sy fanaovana izay mampahatonga ny fanotana ara-nofo. Ny famerenana ny “Fibebahana” (ao amin’ny Ry Tanora Mahereza, 28–29) dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fahafahana omen’i Jesoa Kristy antsika mba hibebaka.

Genesisy 41:15-57

Tokony hiomana amin’ny zava-tsarotra mety hitranga isika.

  • Azonao atao ny mangataka ny mpianatra iray hamariparitra ireo nofin’i Farao (jereo nyGenesis 41:15–24) ary ny mpianatra iray hafa hizara ny fandikan’i Josefa ireo (jereo ny andininy 25-32). Inona no nasain’i Josefa atao (jereo ny andininy 33–36, 47–49). Inona ny lesona azontsika raisina avy amin’ity tantara ity ho amin’izao androntsika izao? (jereo ny torohevitra avy amin’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mivonona amin’ny andro sarotra.

Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Mamporisika anareo aho mba ho hendry ianareo amin’ny fandanianareo; fehezo ny tenanareo amin’ny zavatra vidianareo mba hisorohana ny trosa araka izay azo atao. Aloavy farak’izay haingana indrindra azonareo atao ny trosa. … Manàna tahiry, na dia kely aza izany” (“To the Boys and to the Men,” Ensign, Nov. 1998, 54).

Manatsara ny fampianarantsika

Fihetsika maneho fitiavana ny fihainoana. “Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra lazain’ny olona ao amin’ny kilasinao. Rehefa mandinika tsara ny hafatra ampitainy am-bava sy ampitainy amin’ny fomba hafa ianao dia hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ilainy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy 34).

Hamoaka printy