Testamenta Taloha 2022
21-27 martsa. Eksodosy 1-6: “Tsaroako ny fanekeko”


“21-27 martsa. Eksodosy 1–6: -Tsaroako ny fanekeko,-” Avia, hanaraka Ahy–Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21-27 martsa. Eksodosy 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Mosesy sy ny lelafo teo amin’ny roimemy

Moses and the Burning Bush (I Mosesy sy ny Lelafo teo amin’ny Roimemy), nataon’i Harry Anderson

21-27 martsa

Eksodosy 1–6

“Tsaroako ny fanekeko”

Rehefa mamaky ny Eksodosy 1–6 ianao dia eritrereto ireo olona ampianarinao. Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo izay ho manan-danja ho azy ireo? Ahoana no hanampianao azy ireo hahita ireo fahamarinana ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevitra iray hamporisihana ny mpianatra hizara izay nianarany dia ny manoratra fanontaniana toy izao eo amin’ny solairabe: Raha mamaky ny Eksodosy 1–6 ianao, inona ny zavatra tsikaritrao izay tsy tsikaritrao teo aloha? Asao ny mpianatra hizara ny valinteniny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Eksodosy 1–2

I Jesoa Kristy no Mpanafaka antsika.

  • Na dia tsy tononina anarana aza ny Mpamonjy ao amin’ny Eksodosy 1–2, ity tantara ity dia afaka manampy ny mpianatra hanorina finoana amin’ny asa nanirahana Azy mba hanafaka antsika amin’ny fahababoana. Ireo mpianatra dia afaka mahita teny na andian-teny ao amin’ny Eksodosy 1–2 izay mitantara ny zava-tsarotra niainan’ny Israelita. Inona ny mampitovy an’ireo tantara ireo amin’ny fahababoana ara-panahy na zava-tsarotra hafa izay iainantsika? Ahoana no nitadiavan’ny zanak’Israely fanafahana, ary ahoana no namalian’ Andriamanitra azy ireo? (jereo koa ny Eksodosy 2:23–25; 3:7–8). Ahoana no hisintonantsika ny herin’ Andriamanitra rehefa mila fahafahana isika? Ahoana no hamalian’Andriamanitra ireo fiangaviantsika hahazo fanampiana? Afaka mitady hevitra fanampiny ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika (Liahona, mey 2017, 39–42) ny mpianatra.

    Sary
    Mosesy zazakely ao anaty harona

    Moses in the Bulrushes, © Providence Collection/fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Eksodosy 3–4

Rehefa manao ny asan’ny Tompo isika, dia afaka mahazo ny herin’ny Tompo.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoro hevitra ny hamakiana ny Eksodosy 3–4 ahitana ny fomba namalian’ny Tompo ny ahiahin’i Mosesy momba ilay asa hanafahana ny Israelita amin’ny fahababoana. Raha nanao ity atrikasa ity tany an-trano ny mpianatrao, dia asao izy ireo hizara izay nianarany. Na azonareo tanterahina miaraka amin’ny iray kilasy ity atrikasa ity. Indrindra, tokony hizaha ny Eksodosy 3:11–18 ny mpianatra; 4:1–17, ka hitady ny ahiahin’i Mosesy ary ny valintenin’ny Tompo amin’ny tsirairay amin’ireo. Ahoana ny ahafahan’ny valintenin’ny Tompo manampy antsika rehefa manana ahiahy isika momba ny fahafahantsika manao ny Asany?

Eksodosy 3:5

Tokony maneho fanajana lalina ho an’ny zavatra sy toerana masina isika.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny ohatr’i Mosesy hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba tokony hitondrantsika ireo zavatra masina? Ohatra, rehefa avy niara-namaky ny Eksodosy 3:5 ianareo, dia afaka mampiseho zavatra na sarina zava-masina ianao (toy ny soratra masina na ny tempoly) ary ireo zavatra mahazatra na sarina zavatra mahazatra (toy ny boky tsotra na trano tsotra). Afaka miresaka momba ny zavatra hafa izay heveriny fa masina ny mpianatra, ary mizara ny fomba hanehoany fanajana lalina ho an’ireo zavatra ireo (jereo koa ny Levitikosy 19:30; Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 6:10–12). Nahoana ny Tompo no maniry ny hanehoantsika fanajana lalina ho an’ny zavatra masina?

Eksodosy 5:4–9, 20–23; 6:1–13

Ho tanteraka amin’ny fotoanany ny tanjon’ny Tompo.

  • Mety mahakivy rehefa toa tsy misy vokany ny ezaka ataontsika hanao ny tsara, mety hoe tsy mamaly ny ezaka fanompoana ataonao ny namana iray na toa tsy misy valiny ny vavaka ataontsika ho an’ankizy maditra iray. Mba hianarana momba ny zavatra mitovy iray niainan’i Mosesy, dia afaka mamaky ny Eksodosy 5:4–9, 20–23 ny mpianatra. Ahoana ny nanampian’ny Tompo an’i Mosesy handresy ny fahatsapana fahakiviana nananany? (jereo ny Eksodosy 6:1–13). Afaka mizara ny zavatra niainany ny mpianatra rehefa tsy nahita vokany avy hatrany izy tamin’ny ezaka nataony hanompoana ny Tompo. Inona ny zavatra nianarantsika avy amin’ny traikefan’i Mosesy ao amin’ireo toko ireo momba ny fomba tokony hamaliantsika ny zavatra mitranga mitovy amin’izany? (Jereo koa ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”)

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manompo ny hafa ho an’ny Tompo isika.

Ny Filoha Joy D. Jones dia nitantara ny nanompoan’izy sy ny vadiny tamim-pahatokiana tamin’ny asa fanompoana nanirahana azy ireo kanefa tsy nahita fahombiazana tamin’ny ezaka nataony izy ireo. Nisaintsaina sy nivavaka nangataka fitarihana izy mivady. Raha nitantara ny valin’ny vavaka nataony izy ireo, dia hoy ny Filoha Jones hoe:

“Tsapanay fa tena niezaka ny hanompo io fianakaviana io sy ny evekanay izahay kanefa nila nanontany tena izahay hoe moa ve izahay tena nanompo noho ny fitiavana ny Tompo. Navahan’ny Mpanjaka Benjamina mazava tsara izany rehefa nilaza izy hoe: -Indro, lazaiko aminareo, satria nolazaiko taminareo fa efa nandany ny androko tamin’ny fanompoana anareo aho, dia tsy noho izaho maniry ny hirehareha, satria izaho dia tsy nanao afa-tsy ny nanompo an’ Andriamanitra- [Môzià 2:16; nampiana fanamafisana].

“Koa iza ary no tena notompoin’ny Mpanjaka Benjamina? Ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Ny fahafantarana ny hoe iza sy ny nahoana rehefa manompo ny hafa dia manampy antsika hahatakatra fa ny fanehoana fitiavana lehibe indrindra dia ny fanolorantena ho an’ Andriamanitra” (“Ho Azy,” Liahona, nôv. 2018, 50).

Manatsara ny fampianarantsika

Mizara traikefa ara-panahy. Fomba iray hanasana ny fitarihan’ny Fanahy ho ao amin’ny kilasinao dia ny mamporisika ny mpianatra hizara izay nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo rehefa nandalina ny soratra masina izy ireo tamin’ity herinandro ity.

Hamoaka printy