Testamenta Taloha 2022
28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7-13: “Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”


“28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7-13: -Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta,-” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7-13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Mosesy, Arona sy Farao

Sarin’i Mosesy sy Arona tao an-dapan’i Farao, nataon’i Robert T. Barrett

28 martsa–3 aprily

Eksodosy 7–13

“Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”

Ny fahafahanao ho voatarikin’ny Fanahy amin’ny fampianaranao dia hitombo be rehefa mahazo traikefa ara-panahy avy amin’ny fandalinana ny Eksodosy 7-13 ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mieritrereta fanontaniana iray na roa izay hamporisika ny mpianatra hizara hevi-baovao sy zavatra niainana azony rehefa nandalina ny Eksodosy 7-13 manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo. Ohatra, mety hanontany ianao hoe: “Inona no novakianao tamin’ity herinandro ity izay nampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy?’ na “Inona no zavatra novakianao ka nitondra fitahiana ho an’ny fianakavianao?”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Eksodosy 7–12

Azontsika atao ny misafidy ny hampalefaka ny fontsika.

  • Hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny fahavononany hanaiky hanome ny fony ho an’ Andriamanitra, dia azonao atao ny mangataka azy tsirairay hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto: Eksodosy 7:14–25; 8:5–15; 8:16–19; 8:20–32; 9:1–7; 9:8–12; 9:22–26; 10:12–15; 10:21–29; 12:29–33. Dia afaka manoratra teny na andian-teny eny amin’ny solaitrabe izay mamariparitra ny fomba namalian’i Farao ireo loza folo nalefan’ Andriamanitra tamin’ny Ejyptianina. (Mety hanao fanamarihana ianao faireo fanitsiana ao amin’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith dia mampiseho fa nanamafy ny fony i Farao.) Nahoana no namaly toa izany i Farao? Nahoana no mety ho sarotra indraindray no manome ny fontsika sy ny sitrapontsika ho an’ Andriamanitra? Ahoana no hanampian’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy antsika handresy ireo zava-tsarotra ireo?

  • Raha mitondra zavatra mafy sy zavatra malemy ao amin’ny kilasy ianao, dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe manana fo mafy sy ny manana fo malefaka. Azonao ampitampitaina hojeren’ny mpianatra ireo zavatra roa ireo, ka hisy olona iray hamaky ny iray amin’ireo famariparitana momba ny fon’i Farao ao amin’ny Eksodosy 7–10 (toy ny Eksodosy 9:22–35). Nahoana ny hoe “mafy” no famaritana tsara ny fon’i Farao? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny dikan’ny hoe manana fo malefaka? (Raha manampy izany, dia afaka mijery hevi-baovao ao amin’ny iray na mihoatra amin’ireto soratra masina ireto ny mpianatra: 1 Nefia 2:16; Môzià 3:19; Almà 24:7–8; 62:41; Etera 12:27.) Ahoana ny hanampian’ny Mpamonjy antsika hampalefaka ny fontsika?

  • Hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny antony nandefasan’ny Tompo loza tany Egypta, dia azona atao ny manasa ny mpianatra tsirairay hisafidy andalan-tsoratra masina iray avy ao amin’ity lisitra manaraka ity ka hitady ny mety ho antony: Eksodosy 3:20; 7:5, 17; 9:14–16; 10:1–2. Azonao asaina koa ny mpianatra hizara ny fomba nianarany fa “tsy misy tahaka ny [Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy] manerana ny tany manontolo”Eksodosy 9:14).

Eksodosy 12

Ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo dia mampianatra momba ny fanafahana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Ny fankalazana ny Lanonan’ny Paska dia nanampy ny zanak’Israely hahatsiaro fa ny Tompo dia nanafaka azy ireo tamin’ny fahababoana. Hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tandindon’ny Paska, dia azonao atao ny manao tsanganana roa eo amin’ny solaitrabe izay misoratra hoe Tandidona sy Mety ho Heviny, miaraka amin’ny sarin’i Jesoa Kristy eo ambonin’ireo tsanganana. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny Eksodosy 12:1–13 ary manoratra eo amin’ny solaitrabe izay mety ho zavatra amin’ireo andininy ireo ka maneho ny fanafahana antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Dia azony atao ny mifanakalo hevitra momba izay zavatra ampianarin’ireo tandidona ireo antsika momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy (jereo ny tabilao ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” ahazoana hevitra sasantsasany).

    Sary
    people taking the sacrament

    Tahaka ny sakafon’ny Paska, ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro ilay Mpanafaka antsika, dia i Jesoa Kristy.

  • Ho an’ny olona sasany, ny fanasan’ny Tompo dia tsy ara-panahy araka ny tokony ho izy hatrany. Eritrereto hoe ahoana ny ahafahan’ny fanakalozan-kevitra momba ny Eksodosy 12 manampy ny mpianatra rehetra hahita lanjany lalindalina kokoa amin’ny fanasan’ny Tompo. Ohatra, rehefa avy namerina ny Eksodosy 12 ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara izay mety ho nolazain’ny Israelita tamin’izany andro izany raha ohatra ka nanontanian’ny zanany lahy na vavy ny dikan’ny Paska ho azy ireo. Aorian’izany dia afaka mifanakalo hevitra momba izay azon’izy ireo lazaina raha toa ka misy manontany ny dikan’ny fanasan’ny Tompo ho azy ireo, anisan’izany izay mety ho hevi-baovao azony avy tamin’ny Paska. Mety hanome fotoana ny mpianatra ianao hisaintsainana izay azon’izy ireo atao hahatsiarovana ny Tompo isan’andro.

Sary
additional resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny Paska dia mampianatra momba ny Mpamonjy.

Tandindona

Mety ho heviny

Tandindona

Ny zanak’ondry (Eksodosy 12:3–5)

Mety ho heviny

Jesoa Kristy

Tandindona

Ra eo amin’ny tolam-baravarana (Eksodosy 12:7)

Mety ho heviny

Ny ràn’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay manavotra antsika

Tandindona

Mihinana ny zanak’ondry (Eksodosy 12:8)

Mety ho heviny

Manome anjara toerana ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika

Tandindona

Anana mangidy (Eksodosy 12:8)

Mety ho heviny

Ny ngidin’ny fahababoana (fahotana)

Manatsara ny fampianarantsika

Mihainoa. “Fihetsika maneho fitiavana ny fihainoana. … Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra lazain’ny olona ao amin’ny kilasinao. Rehefa mandinika tsara ny hafatra ampitainy am-bava sy ampitainy amin’ny fomba hafa ianao, dia hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ilainy sy ny olany ary ny faniriany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy 34).

Hamoaka printy