Testamenta Taloha 2022
18-24 aprily. Eksodosy 18-20: “Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay”


“18-24 aprily. Eksodosy 18-20: -Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay,-” Avia, hanaraka Ahy–Ho an’ny Sekoly Alahady 2022 (2021)

“18-24 aprily. Eksodosy 18-20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
tendrombohitra

Tendrombohitra iray any Egypta inoana fa Tendrombohitra Sinay.

18-24 aprily

Eksodosy 18-20

“Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay”

Vakio ny Eksodosy 18-20, dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao momba ny fomba hanampiana ny mpianatrao hianatra avy ao amin’ireo toko ireo. Na dia ireo fahatsapana tsotra indrindra aza dia mety mitondra traikefa amin’ny fianarana tena manan-danja.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanasana ny mpianatra hizara izay nianarany, dia azonao atao no manoratra eo amin’ny solaitrabe hoe 18, 19, sy 20—ireo toko izay novakiany tao amin’ny Eksodosy tamin’ity herinandro ity. Angataho ny mpianatra hanoratra eo akaikin’ny laharan’ny toko ny laharan’ny andininy izay tiany hifanakalozana hevitra avy ao amin’izany toko izany. Angataho ny mpianatra hizara ny heviny, ary anontanio ny mpianatra sasany hafa raha nanana hevitra momba ireo andalan-tsoratra masina ireo koa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Eksodosy 18:13–26

Azontsika atao ny “mizaka ny vesatra” amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

  • Azonao amporisihina ny mpianatrao hiresaka momba ny torohevitra nomen’i Jetro an’i Mosesy (jereo Eksodosy 18:13–26) ka asaivo alain’izy ireo an-tsaina hoe miresaka amin’ny olona izay mahatsapa fa ny antson’ny Fiangonany, na ny adidiny eo amin’ny fianakaviany, na adidy hafa dia “mavesatra loatra” ary dia “ho reraka mihitsy izy” (Eksodosy 18:18). Amin’ny fomba ahoana ny torohevitra ao amin’ny Eksodosy 18:13–26 no mety manampy? Inona ny torohevitra fanampiny azontsika zaraina avy amin’ny zavatra niainantsika manokana?

  • Ny firesahana momba ny Eksodosy 18:13–26 dia mety hanome fahafahana hifanakalozana hevitra ny amin’ny fomba hanampian’ny fanompoana antsika “hiara-mitondra ny vesatra” amin’ireo mpitarika antsika ao amin’ny asan’ny Tompo (Eksodosy 18:22). Inona avy ireo toetra nasain’i Jetro notadiavin’i Mosesy tao amin’ireo izay ho lasa “mpifehy” ny vahoaka? (jereo ny Eksodosy 18:21). Nahoana ireo toetra ireo no manan-danja ao amin’ny ezaka ataontsika hifanompoana? Ahoana ny fanompoana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika, sy ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary ny hafa no manampy “mitondra ny vesatra” an’ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana? Ho ampahany amin’ny fifanakalozanareo hevitra, dia azonao atao ny mampiseho ny iray amin’ireo rakitsary mifandray amin’izany izay hita ao amin’ny ministering.ChurchofJesusChrist.org.

    Sary
    lehilahy mifandray tanana amin’ny vehivavy iray

    Ny fanompoana ny hafa dia fomba iray handraisantsika anjara amin’ny asan’ny Tompo.

Eksodosy 20:2–11

Ho ataontsika lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ny Tompo.

  • Mahalala asa izay mandeha tsara kokoa rehefa nahavita ny dingany lehibe indrindra voalohany ve ianao? (Anisan’ny ohatra amin’izany ny famahana olana amin’ny matematika na fanarahana fomba fandrahoana sakafo). Zarao amin’ny lakilasy ny ohatra sasany izay mahazatra anao, ary asao izy ireo hieritreritra ny azy ireo koa. Nahoana ny fahavitana ireo dingana lehibe voalohany no mifandray amin’ireo didy ao amin’ny Eksodosy 20:2–11? Inona ny zavatra ampianarin’ny didy amintsika momba ny fanaovana an’ Andriamanitra ho voalohany eo amin’ny fiainantsika? Inona ny zavatra mety haka fanahy antsika ka mety ho ataontsika voalohany mialoha Azy? (Raha mila ohatra, dia jereo ireo teny natao ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”) Ny famerenana mijery ny Eksodosy 20:2–11 dia mety manampy ny mpianatrao hisaintsaina ny fanolorantenany hametraka an’ Andriamanitra ho voalohany.

Eksodosy 20:2–17

Be indrafo Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahatakatra ny lanjan’ny Didy folo amin’izao androtsika izao? Azonao zaraina ho tsiroaroa ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky ny Eksodosy 20:2–17 ary hifanakalo hevitra avy eo momba ny fitahiana azony, azon’ny fianakaviany, na ny olona manodidina azy noho ny fankatoavana ny didy tsirairay. Inona ireo fitahiana ampanantenan’ny Ray any An-danitra antsika noho ny fankatoavana ireo Didiny? (jereo, ohatra, ny Môziaà 2:41). Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ireo didy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra antsika?

Sary
additional resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tsy manana andriamani-kafa.

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra antsika fa misy fitoviana ny fivavahana sary voasikotra sy ny fihetsiky ny olona ankehitriny. Hoy izy:

“Ny fanompoan-tsampy dia anisan’ny fahotana lehibe indrindra. …

“Ireo sampy sy andriamani-kafa amin’izao fotoana izao dia mety haka endrika maro toy ny fitafiana, trano, fandraharahana, milina, fiara, sambo fialam-boly ary zavatra maro hafa mandrebireby ny saintsika hiala amin’ilay lalana hahatongavana ho andriamanitra. …

“Afaka ny ho tonga andriamanitra mora foana ihany koa ny zavatra tsy azo tsapain-tanana. Afaka ny ho tonga sampy ny diplaoma sy ny mari-pankasitrahana ary ny toerana tanana amin’ny asa. …

“Maro ireo olona manorina sy mametraka fanaka amin’ny trano ary mividy fiara aloha—-ary avy eo mahita fa -tsy manana- andoavana fahafolonkarena izy ireo. Iza no hivavahan’izy ireo? Azo antoka fa tsy ny Tompon’ny lanitra sy ny tany. …

“Maro ireo izay mankalaza ny fihazana, ny fandehanana manjono, ny fialan-tsasatra, ireo fitsangantsanganana amin’ny faran’ny herinandro ary ny fandehandehanana. Ny sampin’ny sasany dia ny fifaninanana ara-panatanjahantena, ny baseball, ny football, ny savika ombilahy, na ny golf. …

“Mbola sampy iray hafa ankalazain’ny olona ny hery sy ny laza. … Ireo andriamanitry ny hery, harena ary fitaomana ny hafa ireo no tena mitaky zavatra betsaka indrindra avy amin’ny olona ary efa mila ho azo tsapain-tanana tahaka ireo ombilahikely volamenan’ny zanak’i Isiraely tany an-tany foana” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 146–47).

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amina fitsipika vitsivitsy. “Misy zavatra maro tokony hifanakalozana hevitra ao anatin’ny lesona tsirairay, saingy tsy ilaina ny mampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray mba handonana ny fon’olona iray—hevi-dehibe iray na roa matetika dia ampy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).

Hamoaka printy