Testamenta Taloha 2022
4-10 aprily. Eksodosy 14-17: “Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina”


“4-10 aprily. Eksodosy 14-17: -Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina,-” Avia, hanaraka Ahy–Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“4-10 aprily. Eksodosy 14-17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena

4-10 aprily

Eksodosy 14–17

“Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina”

Eritrereto hoe ahoana no fomba hiaran’ny zavatra niainan’ny zanak’Israely eo amin’ny mpianatrao. Inona ny zavatra niainana tena mhanampy azy mba hifanakalo hevitra?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny Eksodosy 14–17 dia feno tantara tsy hay adinoana. Afaka manao sarin’ny tranga iray avy ao amin’ireo toko ireo ny mpianatra iray ka hamantatra izay ataony sary ny mpianatra hafa. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ilay tantara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Eksodosy 14

Ny Ray any An-danitra dia manafaka antsika rehefa manaraka ny Fanahy isika.

  • Ny Ranomasina Mena dia tahaka ny lala-tampina ho an’ny Israelita, kanefa Andriamanitra dia nahafantatra zavatra tsy fantatr’izy ireo. Ny famerenana mijery ny tantaran’ny fiampitàna mahagaga ny Ranomasina Mena dia mety mampahatsiahy ny mpianatra ireo fotoana nanafahan’ Andriamanitra azy ireo tamin’ny fitsapana nahazo azy. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamerina hijery ny Eksodosy 14 ary hizara izay tena manome aingam-panahy ho azy ireo mombaio tantara io. Amporisiho koa izy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa nohafahana tamin’ny fitsapana, miaraka amin’ny andininy avy ao amin’ilay toko izay manorina ny finoany hoe afaka manafaka antsika Andriamanitra.

  • Mety hahaliana koa ny miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba an’i Mosesy? Amin’ny fomba ahoana ireo fitsipika ireo no miantraika amin’ny fomba fieritreretantsika momba ny zavatra nitranga tao amin’ny Eksodosy 14? Inona ny torohevitra omeny momba ny fomba hikatsahantsika fahafahana amin’ireo fitsapana mahazo antsika? Eritrereto hoe inona no azon’ilay teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” ampiana amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

Sary
vehivavy manangona mana

Ny mana avy amin’ Andriamanitra dia namahana ara-batana an’i Israely; fa mila sakafo ara-panahy koa isika isan’andro. Hoso-doko nataon’i Leopold Bruckner

Eksodosy 15:23–27; 16:1–15; 17:1–7

Hanome antsika izay ilaintsika ny Tompo mandritry ny diantsika mamakivaky ny fiainana.

  • Ny Eksodosy 15–17 dia milaza tantara maro izay mety hanorina ny finoan’ny mpianatra momba ny hery sy fahavononan’ny Tompo hanome izay ilaintsika ara-batana sy ara-panahy. Angamba afaka mandalina ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra tsirairay, ka hitady hafatra ara-panahy: Eksodosy 15:23–27; 16:1–15; 17:1–7. Omeo fahafahana hizara izay zavatra hitany ny mpianatra maromaro. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo tantara ireo hankeherezana ny olona izay tsy mbola nahita ny zavatra ilainy ara-nofo na ara-panahy?

  • Afaka mamaky ireo andininy ireo koa ny mpianatra ary manamatatra ohatra amin’ny fimonomononana. Ahoana no ahafahantsika manazava amin’ny olona iray ny dikan’ny hoe mimonomonona? Inona ny vokatry ny fimonomononana izay mety mampidi-doza tokoa? Angamba ny mpianatra dia afaka mizara torohevitra momba ny fomba hisoronana ny fakam-panahy himonomononana amin’ny Tompo rehefa mandalo fitsapana sarotra isika.

  • Mety hanampy ny mpianatra ny mampitaha ny mana voafaritra ao amin’ny Eksodosy 16 amin’ny sakafo izay ilain’ny fanahintsika. Inona avy ireo fitoviana hitantsika? Inona ny lesona ara-panahy mety ho tian’ny Tompo nampianarina ny Israelita raha nandefa mana tamin’ny fomba nanaovany izany Izy? (jereo ny Jaona 6:31–35, 48–58).

Eksodosy 17:8–16

Voatahy isika rehefa manohana ireo mpitarika antsika.

  • Ny tantaran’i Arona sy Hora itazona ny tanan’i Mosesy dia mampiseho ny lanjan’ny fanohanana ireo izay voantso hitarika antsika. Azonao atao no manasa mpianatra vitsivitsy hilalao an-tsehatra ilay zavatra niainana raha mamaky an’izany amin’ny feo mafy ny mpianatra anankiray hafa. Inona ny fitovian’ny ezak’i Arona sy Hora hitazona ny tanan’i Mosesy amin’ny ezaka ataontsika hanohana ny mpitondra antsika? Ahoana no ampisehoantsika fa manohana ireo mpitarika antsika isika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka mahazo fitarihana manokana ianao.

Nampianatra ny Rahavavy Michelle Craig hoe:

“Amin’ny maha-mpianatra mahatokin’[ny Mpamonjy] anareo dia afaka mandray fanentanam-panahy sy fanambarana manokana tsy mivoana amin’ireo didiny ary natao manokana ho anareo ianareo. Manana asa anirahana sy anjara asa miavaka hotanterahina eo amin’ny fiainana ianareo ary hahazo fitarihana miavaka mba hanatanterahana azy ireo.

“I Nefia, ny rahalahin’i Jareda, ary na i Mosesy aza dia samy niampita rano be-ary ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia niampita tamin’ny fomba samy hafa. Nanao asa -hazo tamin’ny asa-tanana mahavariana- i Nefia [1 Nefia 18:1]. Ny rahalahin’i Jareda dia nanamboatra sambofiara -tsy tantera-drano tahaka ny lovia- [jereo ny Etera 6:5–8]. Ary i Mosesy dia -nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina- [Eksodosy 14:29].

“Samy nandray fitarihana natao manokana ho azy ireo tsirairay avy izy ireo, ary samy natoky sy nandray andraikitra izy ireo. Ny Tompo dia mijery akaiky ireo izay mankatò Azy, ary araka ny nolazain’i Nefia, Izy dia -hanomana lalana ho [antsika] mba hahazoantsika manatontosa ny zavatra izay andidiany antsika- [1 Nefia 3:7]. Mariho tsara fa i Nefia dia niteny hoe: - lalana iray-, fa tsy hoe -ilay lalana.’

“Moa ve isika tsy manao na tsy miraharaha ireo asa anirahana antsika manokana avy amin’ny Tompo satria nanomana -lalana- hafa Izy fa tsy ilay lalana nantenaintsika?” (“Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 21).

Horonan-tsary

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny hafa hijoro ho vavolombelona. Betsaka amin’ireo izay ampianarinao no manana fijorona ho vavolombelona manokana mahery vaika momba ny fahamarinana izay azony zaraina. Asao izy ireo hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana tsotra, toy ny hoe, “Ahoana ny nahazoanao fitahiana noho ny fanarahana ny mpaminany?” (Jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11.)

Hamoaka printy