Testamenta Taloha 2022
11-17 aprily. Paska: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”


“11-17 aprily. Paska: -Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana,-” Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“11-17 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
fasana miaraka amin’ny vato efa voakodia niala teo amin’ny varavarana

Sarin’ny fasana foana nataon’i Maryna Kriuchenko

11-17 aprily

Paska

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”

Raha miomana ny hampianatra ianao amin’ny Alahadin’ny Paska, dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hanana fankasitrahana sy fijoroana ho vavolombelona lalina kokoa momba ny sorompanavotana sy ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angamba azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara izay nataony na nataon’ny fianakaviany hanamafisana ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany mandritran’ity Paska ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Satria naharesy ny fahafatesana ny Mpamonjy, dia ho velona indray isika.

  • Satria Alahadin’ny Paska anio, hevero ny hamerina indray ny tantaran’ny Paska voalohany araka ny tantara ao amin’ny soratra masina—ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty (jereo ny Jaona 20:1–17). Avy eo dia manasà mpianatra iray mba hitantara ny tantara amin’ny teniny manokana. Mety ho tia manao hira momba ny Mpamonjy sy mamaky soratra masina mifandray amin’izany koa ny mpianatra (voatanisa eo ambanin’ny hira tsirairay ireo andalan-tsoratra masina eo ambanin’ny hira tsirairay ao amin’ny Fihirana). Dia afaka mizara izay andian-teny tiany indrindra avy amin’ny fihirana sy ny fahatsapany momba Mpamonjy ny mpianatra aorian’izany.

  • Hanampiana ny mpianatrao hankasitraka ny fomba ijoroan’ny Testamenta Taloha ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, dia azonao asaina izy ireo hanao famerenanana ireo ny soratra masina ao amin’ny tabilao ao amin’ny rindran-daina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary koa ireo andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna izay miaraka amin’ilay tabilao. Inona no ianarantsika mikasika ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana no manan-danja ny fahafantarana momba ireo faminaniana ireo?

Afaka mahita fiadanana sy fifaliana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy-Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia ahitana lisitr’ireo soratra masina izay mamariparitra ny fiadanana sy fifaliana azo avy amin’i Jesoa Kristy. Raha namaky ireo soratra masina ireo any an-trano ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ireo. Na koa mety hiara-hamaky soratra masina vitsivitsy ianareo iray kilasy ary hiresaka momba ny fiadanana sy fifaliana tsapantsika noho ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Ahoana no ahafahantsika mizara ireo fitahiana ireo amin’ny olona izay mety miady mafy mba hahita fiadanana sy fifaliana eo amin’ny fiainany? Azonao asaina koa ny mpianatra iray hamaky ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84) mandritra ny herinandro alohan’ny lesona ka ho avy vonona hizara izay zavatra ampianarin’io hafatra io momba ny fahitana fifaliana eo amin’ny Mpamonjy.

  • Mety hahatsapana ho voataona ianao hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hanampiana ny hafa hahita fiadanana sy fifaliana ao amin’i Kristy. Azonao atao ny manasa mpianatra hieritreritra olona iray izay fantany—angamba olona iray izay tompoiny—izay mety mila fanampiana na fanompoana, na mila mandre fotsiny ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy sy ny Sorompanavotany. Amporisiho ny mpianatra hijery ny soratra masina (toy ireo ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”) raha mieritreritra fanompoana azony atolotra na fijoroana ho vavolombelona azony zaraina hampaherezana ireo olona manodidina azy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara izay eritreriny momba ny fanompoana tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
I Kristy eo amin’ny hazo fijaliana

Grey Day Golgotha (Andro maloka tao Gologota), nataon’i J. Kirk Richards

I Jesoa Kristy dia manana ny hery hanampiana antsika handresy ny fahotana, ny fahafatesana, ny fitsapana ary ny fahalemena amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

  • Fomba iray hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fanoratana ny lohateny hoe Fahotana, Fahafatesana, Fitsapana, ary Fahalemena eny amin’ny solaitrabe. Asaivo mamaky ny iray amin’ ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny mpianatra tsirairay ary hisaintsaina ny fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika mba handresy ireo zavatra voasoratra eny amin’ny tabilao ireo. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ny soratra masina novakiany eo ambanin’ny lohateny eo amin’ny solaitrabe ary mizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

  • Afaka manampy antsika hahatakatra ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ireo tantara sy fifanahafana. Ohatra, azonao atao ny manasa ny mpianatra iray hizara ny iray amin’ireo tantara na fanahafana ao amin’ny hafatry ny Loholona Walter F. González “Ny fikasihan’ny Mpamonjy” (Liahona, nôv 2019, 90–92) na ny hafatry ny Rahavavy Neill F. Marriott “Mitoetra ao amin’ Andriamanitra sy manamboatra izay rava” (Liahona, nôv. 2017, 10–12). Inona ny zavatra ampianarin’ireo tantara sy fifanahafana ireo antsika momba ny Sorompanavotan’i Kristy? Asao hiasa tsiroaroa ny mpianatra hieritreritra tantara na fifanahafana azy ireo manokana.

  • Inona no hianarantsika avy amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto momba ny sarany naloan’i Jesoa Kristy ho famonjena antsika: Isaia 53:3–5; Môzià 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19? Inona ny sarany naloa’ny Ray any An-danitra? (jereo ny Jaona 3:16).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Andinin-tsoratra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Isaory ireo mpianatrao. “Aza diso variana loatra amin’ny lesona ka hadino ny misaotra ny mpianatra noho ny fandraisan’izy ireo anjara. Mila mahafantatra izy ireo fa mankasitraka ny fahavononan’izy ireo hizara ny heviny sy ny fijoroany ho vavolombelona ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 33).

Hamoaka printy