Testamenta Taloha 2022
25 aprily–1 mey. Eksodosy 24; 31–34: “Ny Tavako no handeha”


“25 aprily–1 mey. Eksodosy 24; 31–34: -Ny Tavako no handeha,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“25 aprily–1 mey. Eksodosy 24; 31–34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Jehovah miseho amin’i Mosesy sy ireo loholon’ny Isiraely

Sarin’i Jehovah miseho amin’i Mosesy sy ireo loholona 70 an’ny Isiraely, nataon’i Jerry Harston

25 aprily–1 mey

Eksodosy 24; 31–34

“Ny Tavako no handeha”

Avelao ireto teny avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ireto hitarika ny fiomananao hampianatra: “Ny ankamaroan’ny olona dia tsy tonga any am-piangonana hitady zava-misy vaovao vitsivitsy fotsiny momba ny filazantsara. … Tonga mba hikatsaka traikefa ara-panahy izy ireo. … Tian’izy ireo hamafisina ny finoany ary havaozina ny fanantenany” (“A Teacher Come from God,” Ensign, May 1998, 26).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azon’ny mpianatra alaina sary an-tsaina ny namana iray milaza hoe: “Tsy mamaky ny Testamenta Taloha aho; toa tsy misy ifandraisany amin’ny fiainako izany.” Angataho izy ireo hamaly amin’ny alalan’ny fizarana zavatra hitany fa manan-danja tao amin’ny fandalinany ny Testamenta Taloha vao tsy ela.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Eksodosy 31:12–17

Manaja ny Sabata isika ho famantarana ny fanolorantenantsika ho an’ny Tompo.

  • Azonao atao ny manomboka amin’ny fanontanianao ny mpianatra raha efa nanazava tamin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na namana iray izy ireo ny antony itondrany ny alahady ho samy hafa amin’ny andro hafa. Asao izy ireo hizara ny zavatra nolazainy na ny zavatra mety holazainy amin’ny manaraka. Ny famakiana ny Eksodosy 31:12–17 na ny zavatra voalaza ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka hanome hevitra fanampiny ho azy ireo. Ahoana no ampisehoan’ny safidintsika momba ny Sabata fa manolo-tena ho an’i Jesoa Kristy isika?

  • Na dia tsy mihatra ankehitriny aza ireo sazy voalaza ao amin’ny Eksodosy 31:14–15 dia maneho ny fahatsapan’ny Tompo momba ny Sabata izy ireny. Nahoana no tena manan-danja io didy io? Ny firesahana ireto andinin-tsoratra masina ireto dia afaka manampy: Eksodosy 31:12–17; Isaia 58:13–14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13.

    Sary
    olona mandeha eo alohan’ny fiangonana

    Maneho ny fitiavantsika ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fanajana ny Sabata.

Eksodosy 32; 34:1–17

Ny fahotana dia fialana amin’ny Andriamanitra, saingy manolotra lalana hiverenana anefa Izy.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina sy hampihatra manokana ny zavatra notantaraina ao amin’ny Eksodosy 32, dia angataho aloha izy ireo handinika ilay toko manokana na ao anaty vondrona. Avy eo dia angataho ny mpianatra sasany handray ny toeran’ny Isiraelita izay nanjary tsy nanam-paharetana niandry an’i Mosesy hiverina ary nanapa-kevitra ny hanamboatra sampy volamena. Inona no fahatsapana mety nitarika azy ireo hanompo sampy? Ny mpianatra hafa ao amin’ny kilasy dia afaka manandrana mandresy lahatra azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny Tompo sy ny mpaminaniny. Afaka miresaka momba ny zavatra manentana ny fanahin’izy ireo hitandrina ny fanekempihavanany ireo mpianatra. Inona no azontsika atao hanampiana ireo izay mety ho sahirana amin’ny fitandremany ny fanekempihavanany?

  • Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ny olona dia gaga izy ireo indraindray amin’ny sazy henjana nomen’ny Tompo ho an’ny fahotana. Ny Eksodosy 34:1–9 dia afaka hanampy azy ireo hahita fa na dia tsy mankasitraka ny fahotana aza Andriamanitra dia be famindram-po koa Izy ka manome famelan-keloka ho an’ireo izay mibebaka. Angamba afaka mamaky ity andalan-tsoratra masina ity ny mpianatra ary misaintsaina fanontaniana toy izao: Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana isika no mila mahafantatra ireo zavatra momba Azy ireo? Azonao atao ny manamarika fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Eksodosy 34:7 dia manazava fa Andriamanitra dia tsy “hanamarina ny mpikomy.” Inona no mety ho dikan’izany? Angamba afaka mizara ny fomba nanatrehany maso ny famindrampon’ Andriamanitra ny mpianatra. Ahoana no ahafahan’ Andriamanitra ho sady mamindra fo tanteraka no manao ny rariny tanteraka? (jereo ny Almà 42:13–15).

  • Ny Eksodosy 34:6–17 dia azo jerena ho toy ny torolalana hanampiana ny Isiraelita hibebaka amin’ny fahotany tamin’ny fanompoana sampy (voafariparitra ao amin’ny Eksodosy 32). Inona no hitantsika ao amin’ireo andininy ireo izay mety nanampy ny Isiraelita hibebaka? Inona no ianarantsika momba ny Tompo sy ny fibebahana avy amin’io torolalana io?

Eksodosy 33:11–17

Mila ny fanatrehan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika.

  • Ahoana no hanampianao ny mpianatra hampihatra izay nolazain’ny Tompo tamin’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 33:11–17? Azonao atao ny manomboka amin’ny famerenana mijery ny asa mbola nilain’ Andriamanitra notanterahin’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 33:1–3). Inona no hitantsika ao amin’ny andininy 11–17 izay mety nampatanjaka sy nampionona an’i Mosesy? Afaka mieritreritra zavatra iray tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo ny mpianatra—toy ny fanatanterahana antso ao am-piangonana, andraikitra iray ao amin’ny fianakaviana na fotoana iray hanompoana. Afaka mamaky ireo andininy ireo indray izy ireo avy eo. Inona no hevi-baovao azontsika momba ny fomba hanohanan’ Andriamanitra antsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Famantarana iray ny Sabata.

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana aho vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo ny Eksodosy 31:13; Ezekiela 20:12, 20]. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: -Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?- Izany fanontaniana izany dia nampisafidy ahy mazava tsara mikasika ny andro Sabata” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy. “Ny tanjona lehibe indrindran’ny zavatra rehetra ataon’ny mpampianatra filazantsara iray dia ny hoe—ny fanontaniana rehetra, ny soratra masina rehetra ary ny asa atao rehetra—dia natao mba hanasana ny Fanahy hanorina finoana sy hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).

Hamoaka printy