“16–22 mey. Deotoronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: -Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“16–22 mey. “Deotoronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022
16–22 mey
Deotoronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34
“Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah”
Nahazo aingam-panahy i Mosesy mba hampianatra ny zanak’i Isiraely mifototra amin’ny filan’izy ireo (jereo ny Deotoronomia 6:1). Rehefa mandalina ny Deotoronomia ianao dia mitadiava fitaomam-panahy hahafantarana izay fitsipika hampianarina, miorina amin’ny filan’ny mpianatra.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Koa satria ny Deotoronomia dia mirakitra ny teny farany nataon’i Mosesy tamin’ny zanak’i Isiraely dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara zavatra hitany ao amin’ny Deotoronomia izay tian’izy ireo ampidirina ao amin’ny teny farany ataon’izy ireo amin’ny zanany na ny zafikeliny. Rehefa mizara izy ireo dia angataho izy ireo hanazava ny antony nisafidianany ireo teny ireo.
Ampianaro ny fotopampianarana
Deotoronomia 6:4–7, 20–25; 8:2–5, 11–17; 29:18–20; 30:6–10, 15–20
Tian’ny Tompo hitia Azy amin’ny fontsika rehetra isika.
-
Manerana ny Deotoronomia dia misy andinin-tsoratra masina izay afaka mandrisika antsika hieritreritra ny toe-panahin’ny fontsika. Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka manao sarina fo eo amin’ny solaitrabe ianao. Avy eo zarao amin’ny mpianatra ireto soratra masina manaraka ireto: Deotoronomia 6:4–7, 20–25; 8:2–5, 11–17; 29:18–20; 30:6–10, 15–20. Asao ny mpianatra hanoratra ny andinin-tsoratra masina ao amin’ilay fo raha mampianatra zavatra tokony hananantsika ao am-pontsika izany na hanoratra ilay andalan-tsoratra masina ivelan’ilay fo raha mampianatra zavatra tokony hialantsika izany. Inona no dikan’ny hoe manokana ny fontsika manontolo amin’ny Ray any An-danitra?
-
Ahoana no hanazavantsika amin’ny fianakaviantsika sy ny hafa ny antony hankatoavantsika ny didin’ Andriamanitra? Rehefa avy nisaintsaina izany fanontaniana izany ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mamaky ny Deotoronomia 6:4–7, 20–25 na ilay teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary mizara ny eritreriny. Ahoana no fiantraikan’ireo hevi-baovao ireo amin’izay tsapantsika momba ny didy na ny fanekempihavanana?
“Ampianaro am-pahazotoana amin’ny zanakao ny [tenin’ny Tompo].”
-
Indraindray dia manampy ny maheno hevitra momba ny fomba fampianarana sy ianaran’ny hafa ny filazantsara any an-tranony. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hanarahan’ny mpianatra ny torohevitra ao amin’ny Deotoronomia 6:4–9, 20–25 dia afaka manome fahafahana hianaran’ny iray kilasy avy amin’ny tsirairay. Inona no ataontsika mba hampianarana sy “hiresahana” (andininy 7) ny tenin’ Andriamanitra araka ny faritan’ireo andininy ireo? Inona avy ireo traikefa azontsika zaraina izay nitarihan’ny Tompo antsika tamin’ny ezaka ataontsika?
Ny fanampiana ny sahirana dia ahitana tanana malala-tanana sy fo vonona.
-
Mbola tsy tonga ilay andro ka “tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao” (Deotoronomia 15:4), noho izany ireo fitsipika momba ny fanampiana ny mahantra ao amin’ny Deotoronomia 15 dia mbola sarobidy, na dia misy aza ny fomba fanao manokana momba ny trosa sy ny mpanompo izay niova. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny andininy 1–15 ary hitady fitsipika momba ny fanampiana ny mahantra sy ny sahirana izay tian’izy ireo resahina. Ny fanontaniana toy ireto dia afaka hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra: Inona no dikan’ny hoe “sokafy tsara [amin’ny sahirana] ny tananao”? (andininy 8, 11). Inona no anjara asan’ny fontsika amin’ny fanampiana ny hafa? (jereo ny andininy 7, 9–10). Inona no azontsika ianarana momba ny fanampiana ireo sahirana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Tompo? (jereo ny andininy 15).
Manasa antsika ny Tompo hisafidy “ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza.”
-
Mety hahaliana ny mampitaha ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Deotoronomia amin’ny sasany amin’ireo fampianaran’i Lehia farany ho an’ny fianakaviany ao amin’ny 2 Nefia 1–4. Angamba mety hahita fitoviana sy fahasamihafana eo amin’ireto andalana ireto ny mpianatra: Deotoronomia 29:9 sy 2 Nefia 4:4; Deotoronomia 30:15–20 sy 2 Nefia 2:26–29. Ahoana no nanazavan’i Lehia ny zavatra nampianarin’i Mosesy? Fa maninona ny teny toy ny fiainana sy ny fahafatesana no fomba tsara hamaritana ny safidintsika “hitandrina” na “hiala” amin’ny didin’ Andriamanitra? (Deotoronomia 30:16–17). Afaka mizara ny zavatra hitany ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo izay manentana ny fanahin’izy ireo “hifidy ny fiainana” (Deotoronomia 30:19) ny mpianatra.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Mitandrina ny fanekempihavanantsika isika satria tia an’ Andriamanitra.
Nampianatra ny Filoha Linda K. Burton:
“Ankoatra ireo antony hafa rehetra mahatonga antsika ho tokony hazoto bebe kokoa eo amin’ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia ity antony iray ity no mavesa-danja kokoa noho ny hafa rehetra, dia ny fitiavana izany. …
“-Raha toa isika ka mankasitraka feno ireo fitahiana maro azontsika tamin’ny alalan’ny fanavotana natao ho antsika, dia tsy tokony hisy zavatra izay angatahan’ny Tompo amintsika ka tsy ho ataontsika amim-pientanentanana sy amim-pahavononana,” [Joseph Fielding Smith, “Importance of the Sacrament Meeting,” Relief Society Magazine, Oct. 1943, 592]. Araka io teny nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith io, ny fitandremana ny fanekempihavanana dia fomba iray hanehoana ny fitiavantsika noho ilay Sorompanavotana tsy takatry ny saina sy tsy manam-piafarana izay nataon’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika sy ilay fitiavana lavorary avy amin’ny Raintsika any An-danitra” (“Ny hery sy fifaliana ary fitiavana avy amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2013, 114).