Testamenta Taloha 2022
23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24: “Mahereza sy matanjaha”


“23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24: -Mahereza sy matanjaha,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“23–29 mey. Josoa 1–8; 23–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
i Mosesy manokana an’i Josoa

Sarin’i Mosesy manokana an’i Josoa, nataon’i Darrell Thomas

23–29 mey

Josoa 1–8; 23–24

“Mahereza sy matanjaha”

Rehefa mamaky ny Josoa 1–8 sy ny 23–24 ianao, dia saintsaino ilay torohevitra hoe “saintsaino andro aman-alina” (Josoa 1:8). Henoy ny bitsiky ny Fanahy izay tonga. Mety hanome hevitra enti-mampianatra ho an’ny kilasinao izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara andalan-tsoratra masina iray avy tamin’ny vakiteniny tamin’ity herinandro ity izay nampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Ohatra, mety nisaintsaina ny fomba nampahatsiahivan’ny iraka nataon’i Josoa azy ireo ny amin’ny an’i Jesoa Kristy izy ireo. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ireo tantara ao amin’ny bokin’i Josoa?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Josoa 1:1–9

“Koa mahereza sy matanjaha”

  • Nolazaina imbetsaka i Josoa hoe: “Mahereza sy matanjaha; aza matahotra” (jereo ny Deoteronomia 31:7, 23; Josoa 1:6–7, 9). Mety hahazo tombony amin’ny zavatra tian’ny Tompo ho lazaina amin’izany andian-teny izany ny mpianatra. Afaka mitady torohevitra nomen’ny Tompo an’i Josoa ka nanampy azy hahery sy hatanjaka ao amin’ny Josoa 1:1–9 izy ireo. Afaka mizara ohatra momba ny olona fantany fa manana ireo toetra ireo koa izy ireo. Ahoana no nanehoan’i Josoa tanjaka sy herim-po tao amin’ireo tantara hita ao amin’ny bokin’i Josoa? (mba ahitana ohatra dia jereo ny toko 3, 6, ary 8). Afaka mizara izay ezahany atao mba hahery sy hatanjaka ho an’i Kristy ny mpianatra.

Josoa 1:8

Ny tenin’ Andriamanitra dia afaka hampalavorary ny lalantsika.

  • Mba hankaherezana ny mpianatra amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina sy miaraka amin’ny fianakaviany dia azon’ny iray kilasy atao ny miara-mamaky ny Josoa 1:8. Inona no ianarantsika avy amin’io andininy io momba ny fomba fandalinana ny soratra masina? Angamba afaka mizara ny zavatra ataon’izy ireo ny mpianatra mba “hisaintsainana” ao amin’ny soratra masina “andro aman’alina.” Inona no fomba nampiasain’ny Tompo mba hahalavorary ny lalantsika sy hahatonga antsika ho “hambinina” rehefa nandalina ny teniny isika?

    Sary
    vehivavy mamaky soratra masina

    Ny tenin’ Andriamanitra dia afaka “hahalavorary ny lalantsika” (Josoa 1:8).

Josoa 3–4

Afaka miaina ny “fahagagan’”Andriamanitra isika.

  • Angamba hahasoa ny mpianatra ny famerenana fohy ny tantaran’ny Isiraelita niampita ny Renirano Jordana. Azonao zaraina ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao ny mpinamana tsirairay hifampitantara ilay tantara, mifandimby miteny fehezan-teny iray isaky ny mandeha (amporisiho izy ireo hijery ao amin’ny Josoa 3 raha mila fanampiana amin’ny fitadidiana ilay tantara). Avy eo ny iray kilasy dia afaka mifanakalo hevitra momba ny antsipiriany rehetra izay nanaitra azy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ity tantara ity izay afaka hanampy antsika hiaina ireo “fahagagan’”ny Tompo eo amin’ny fiainantsika? (andininy 5). Inona ireo “fahagagana” nataony ho antsika? Nahoana no zava-dehibe ny hananan’ny taranaka tsirairay traikefa ara-panahy izay mampianatra azy ireo fa “mahery … i Jehovah”? (Josoa 4:24).

  • Na dia samy mila manana ireo traikefa fampiorenana finoana antsika manokana aza isika rehetra, dia zava-dehibe koa ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’ny razambentsika. Araka ny voalazan’ny Josoa 4, inona no nataon’ireo Isiraelita hanampiana ireo taranaka ho avy hahatadidy ny fiampitana ny Renirano Jordana? (jereo ny Josoa 4:1–7). Inona no ataontsika mba tsy ho hadinoin’ny taranaka ho avy ny zavatra niainantsika?

Josoa 6–18

Ny fankatoavana dia mitondra ny herin ’Andriamanitra eo amin’ny fiainako.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manome soso-kevitra ny hampitahana ny ady nataon’ny Isiraelita tamin’ny Kananita ao amin’ny Josoa 6–8 amin’ireo adintsika manokana amin’ny fakam-panahy. Azonao atao ny manontany ny mpianatra hoe inona no eritreritra na fahatsapana nananan’izy ireo teo am-pamakiana ireo toko ireo sady nanao io fampitahana io tao an-tsaina. Na azonao atao ny manondro andinin-tsoratra masina manokana amin’izy ireo izay toa mifandraika amin’ny ady ataontsika hisorohana ny fahotana, ary afaka miresaka momba izay ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fahazoana ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika izy ireo. Ny sasany amin’ireo andininy ireo dia mety ho ny Josoa 6:1–5, 18, 20; 7:11–13.

Josoa 23–24

“Fidionareo anio izay hotompoinareo.”

  • Angamba mety hanampy ny mpianatra hampihatra ny Josoa 23–24 amin’ny tenany raha toa ka mieritreritra izy ireo fa Isiraelita nandre an’i Josoa nanome ity torohevitra ity tany am-piafaran’ny fiainany. Azonao atao ny manome azy ireo andininy vitsivitsy hovakiana mangina ary avy eo dia angataho izy ireo hizara zavatra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mety hanome aingam-panahy azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny Tompo. Azon’izy ireo atao koa ny mizara ny fomba nanapahany hevitra manokana momba ny hoe “iza no hotompoin[‘izy ireo” (Josoa 24:15). Nahoana izy ireo no nandray izany fanapahan-kevitra izany?

  • Azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy andian-teny iray ao amin’ny Josoa 23–24 izay manome aingam-panahy azy ireo hisafidy ny hanompo an’ Andriamanitra ary avy eo dia mamorona peta-drindrina na kisarisary miaraka amin’izany andian-teny izany mba aseho ao an-trano na amin’ny tambajotran-tserasera.

Manatsara ny fampianarantsika

Mitranga ao an-tokantrano ny fivoarana ara-panahy. Ny mpianatrao dia mila manana traikefa ara-panahy manokana any ivelan’ny kilasy mba hijanona ho matanjaka ara-panahy. Mitadiava fomba hampiasana ny fotoana fohy anananao miaraka amin’izy ireo mba hamporisihana azy ireo hahita sakafo ara-panahy ao amin’ny soratra masina any an-tokantrano—tsirairay sy miaraka amin’ny fianakaviany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 18.)

Hamoaka printy