Testamenta Taloha 2022
30 mey–5 jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: “Jehovah nanangana mpamonjy”


“30 mey–5 jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: -Jehovah nanangana mpamonjy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“30 mey–5 jona. “Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Debora miaraka amin’ ny miaramila

Sary maneho an’i Debora mitarika ny tafik’i Isiraely, © Lifeway Collection/nahazoana lalana avy amin’ny goodsalt.com

30 mey–5 jona

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16

“Jehovah nanangana mpamonjy”

Aza hadinoina fa ny mpampianatra manan-danja indrindra dia ny Fanahy Masina. Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hoampianarin’ny Fanahy Masina rehefa miresaka momba ny fahamarinana avy ao amin’ny bokin’ny Mpitsara ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny anaran’ny mpitsara sasany hita ao amin’ny Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16 (toa an-dry Debora, Baraka, Gideona ary Samsona). Omeo minitra vitsy ny mpianatra handinihana ireo toko ireo ary hanoratana eo ambanin’ny iray amin’ireo anarana eo amin’ny solaitrabe ny fahamarinana iray nianarany avy amin’ny zavatra niainan’io olona io.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Mpitsara 2:11–19; 3:5–12; 4:1–16

Manolotra fanafahana ny Tompo rehefa mania isika.

  • Ny fandinihana ny tsingerin’ny fikomiana, alahelo, fibebahana ary fanafahana an’ny Isiraely dia afaka hanampy ny mpianatra hahafantatra ny herin’ny fanafahana avy amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany manokana. Ny mpianatra dia afaka miasa ao amina vondrona kely hitadiavana ny tsingerina voafariparitra ao amin’ny Mpitsara 2:11–19; 3:5-12. Ahoana no nanafahana ny zanak’i Isiraely tamin’ny tsingerin’ny fahotana sy ny fijaliana? Inona no ianarantsika avy amin’ny bokin’ny Mpitsara momba ny fomba ahafahantsika mandositra ny fahotana sy ny fijaliana? Inona avy ireo fomba anafahan’ Andriamanitra antsika? Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hitady sy hizara andinin-tsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny Tompo ho Mpanafaka sy Mpanavotra antsika (ohatra, 2 Samoela 22:1–3; Salamo 40:16–17; 1 Nefia 1:19–20; Môzià 23:21–23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:23).

  • Ny Mpitsara 2:19 dia mirakitra fa ny Isiraelita dia niverimberina nihodina tamin’ Andriamanitra ka nanompo sampy. Angamba azon’ny mpianatra atao ny mamintina ity andininy ity amin’ny endrika fampitandremana ho an’ny tenany. Amin’ny fomba ahoana avy indraindray no “hiankohofantsika” amin’ireo andriamanitra hafa? Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika hanova ny “lalan-diso”?

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba nanafahan’i Debora sy i Baraka an’Isiraely tamin’ny Kananita dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra iray hamintina ilay tantara ho an’ny kilasy (mety hanampy ny mifandray amin’ilay mpianatra mandritra ny andro vitsivitsy mialoha mba hahafahany miomana). Afaka niresaka momba ny toetra nananan’i Debora izay nahavariana azy ireo ny iray kilasy. Ahoana no nanentanan’i Debora ny zanak’i Israely hanaraka ny Tompo? Azonao atao ny miara-mamaky ny Mpitsara 4:14 ary mifanakalo hevitra momba ny dikan’ilay fanambarana mahatoky nataon’i Debora: “Tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah?” Ahoana no fomba hivoahan’ny Tompo eo alohantsika? (jereo koa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:87–88).

Mpitsara 6–8

Afaka manao fahagagana ny Tompo rehefa matoky ny lalany isika.

  • Ny fandalinana ny antson’i Gideona hanompo dia afaka mitaona fanahy ny kilasy amin’ny asa fanompoana ataon’izy ireo manokana. Azonao atao ny mangataka azy ireo hamaky sy hifanakalo hevitra momba ny Mpitsara 6:11–16. Inona no azontsika ianarana avy amin’ity zavatra niainana ity? Mba hanampiana azy ireo hianatra avy amin’ny Mpitsara 7, dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na maromaro mody hanao hoe miaramilan’i Gideona ary hitantara ilay tantara araka ny fomba fijerin’ny miaramila izany. Ny mpianatra hafa dia afaka manontany azy ireo ny zavatra niainan’ireo miaramila. Inona ireo fitoviana hitantsika eo amin’ity tantara ity sy izay mitranga eo amin’ny fiainantsika? Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’ity tantara ity?

Mpitsara 13–16

Ny tanjaka dia avy amin’ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra.

  • Ahoana no hanampianao ny mpianatra hahita ny fahamarinana manentana ny fanahy sy ireo fampitandremana manan-danja avy amin’ny tantaran’i Samsona? Fomba iray ny fanasana ny antsasaky ny mpianatra hamerina hijery ny Mpitsara 14–16 ka hitady ireo andininy izay mampiseho fa ny Tompo dia niaraka tamin’i Samsona. Ny antsasany hafa kosa dia afaka hitady andininy izay naneho fa tsy nanolo-tena tanteraka tamin’ny Tompo i Samsona. Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Inona no ampianarin’ny fiainan’i Samsona antsika momba ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra? Mety hanampy ny teny nataon-dRahavavy Ann M. Dibb ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

    Sary
    I Samsona manosika ireo andry

    Samson Puts Down the Pillars (Mampirodana ireo andry i Samsona), nataon’i James Tissot sy ireo hafa

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Lesona iray tamin’ny fiainan’i Samsona.

Nampianatra ny Rahavavy Ann M. Dibb hoe: “Teraka niaraka tamin’ny fananana hery anaty lehibe i Samsona. Nampanantenaina ny reniny fa -izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina- [Mpitsara 13:5]. Kanefa rehefa nihalehibe i Samsona dia nanaraka kokoa ny fakam-panahin’izao tontolo izao fa tsy ny fitarihan’ Andriamanitra. Nanao safidy izy noho ny hoe -izy ireny ihany no mahafinaritra azy- [Mpitsara 14:3] fa tsy noho ny hoe safidy tsara ireny safidy ireny. Nampiasain’ny soratra masina matetika ny teny hoe -dia nidina izy- [Mpitsara 14:7] rehefa nilaza mikasika ny fiainan’i Samsona sy ny zavatra nataony ary ny safidy nataony. Raha tokony hitsangana sy hamirapiratra i Samsona mba hampiasa ilay hery anaty lehibe nananany dia resin’ny fisarihan’izao tontolo izao izy, ka very ny hery nomen’ Andriamanitra azy ary maty tao anatin’ny fahatanorany tamin’ny fomba mampalahelo izy (“Mitsangàna ary mamirapirata,” Liahona, mey 2012, 118).

Manatsara ny fampianarantsika

Manokàna fotoana hizaran’ny mpianatra zavatra. “Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia tsy hoe mahatsapa ny Fanahy sy mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona fotsiny izy ireo fa mamporisika koa ireo olona hafa ao amin’ny kilasy mba hahita ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny tenany manokana. … Manokàna fotoana mba hizaran’ny mpianatra zavatra amin’ny lesona rehetra.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)

Hamoaka printy