Testamenta Taloha 2022
13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18: “An’i Jehovah ny ady”


“13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18: -An’i Jehovah ny ady,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha: 2022

Sary
i Davida tanora miaraka amin’ny antsamotady

Davida sy Goliata, nataon’i Steve Nethercott

13–19 jona

1 Samoela 8–10; 13; 15–18

“An’ny Tompo ny ady”

Eo am-piomananao hampianatra dia tsarovy fa tena mety nahazo traikefa manan-danja avy tamin’ny fandalinana ny soratra masina tany an-tranony ny mpianatra. Inona no azonao atao mba hitrandrahana ireo traikefa ireo

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tamin’ity herinandro ity dia omeo fotoana izy ireo hieritreretana izay fahatsapana nananany momba ny 1 Samoela 8–10; 13; 15–18. Avy eo dia angataho izy ireo hizara andininy iray izay nahatonga aingam-panahy iray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Samoela 9:15–17; 10:1–12; 16:1–13

Miantso ny olona amin’ny alalan’ny faminaniana mba hanompo ao amin’ny fanjakany Andriamanitra.

  • Ny tantara momba an’ Andriamanitra nifidy an’i Saoly sy i Davida tamin’ny alalan’ny faminaniana sy ny fanambarana dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba fifidianana ny olona hanompo ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny 1 Samoela 9:15–17; 10:1–12; ary 16:1–13, ka mitady andinin-tsoratra masina izay afaka hanampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe “nantsoin ’Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:5). Manova inona ho an’ireo antsoina sy izay manohana azy ireo ny fahafantarana fa Andriamanitra no misafidy ny olona hanompo ao amin’ny Fiangonany?

    Sary
    I Samoela manosotra an’i Saoly

    Sarin’i Samoela manosotra an’i Saoly, © Providence Collection/nahazoan-dalana avy tamin’ny goodsalt.com

1 Samoela 13:5–14; 15

“Ny mankatò dia tsara kokoa noho ny fahafoizan-tena.”

  • Mba hiresahana ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny Tompo dia azonao atao ny manasa ny iray kilasy hamerina hijery ny 1 Samoela 13:5–14 ary hitady ny fihetsika sy ny fitondrantena nahatonga ny fahalavon’i Saoly. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny hadisoan’i Saoly?

  • Na dia tsy fantatsika aza ny antony rehetra nandidiana an’i Saoly hamono ny Amalekita rehetra sy ny biby fiompin’izy ireo, dia misy lesona azo tsoahina avy amin’ny valinteniny tamin’io didy io. Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo lesona ireo dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe hoe Ny mankatò dia tsara kokoa noho ny … dia asao ny mpianatra hisaintsaina an’io andian-teny io rehefa miara-mijery ireo zava-nitranga tao amin’ny 1 Samoela 15 ianareo. Inona avy ireo zavatra tsara ataontsika eo amin’ny fiainantsika izay nofidiantsika eo amin’ny toeran’ny fankatoavana an’ Andriamanitra indraindray? Nahoana no tsara kokoa noho ny zavatra tsara hafa ny fankatoavana an’ Andriamanitra?

1 Samoela 16:6–7

“Jehovah mijery ny fo.”

  • Rehefa avy namaky ny 1 Samoela 16:6–7 ny mpianatra dia afaka mizara ny eritreriny momba ny dikan’ny hoe “ny fo” (andininy 7). Ahoana no ahafahantsika mianatra mahita ny fomba fijerin’ny Tompo? Ny mpianatra dia afaka mizara zavatra niainana izay nampianatra azy ireo ny maha-zava-dehibe ny mijery ny fo fa tsy ny endrika ivelany.

1 Samoela 17

Afaka manampy antsika handresy izay mety ho olana rehetra ny Tompo.

  • Tao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mety nisaintsaina ny tenin’ny olona isan-karazany hita ao amin’ny 1 Samoela 17 ny mpianatra. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy tamin’izany asa atao izany. Inona no nianaran’izy ireo manokana momba an’i Davida?

  • Ny mpianatra sasany dia mety miatrika olana izay mety ho toa mampivadi-po toy ny nataon’i Goliata tamin’i Saoly sy ny tafiny. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Davida sy Goliata hanampiana ny mpianatra hiatrika ny olan’izy ireo amin’ny finoana ny Tompo? Angamba azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Davida sy Goliata (toy ilay ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Avy eo ny mpianatra dia afaka mitanisa zavatra eny amin’ny solaitrabe izay mety ho “Goliata” amin’izao androntsika izao. Avy eo izy ireo dia afaka mahita andininy ao amin’ny 1 Samoela 17 izay mampiseho ny finoan’i Davida, izay nahatonga azy handresy an’i Goliata (jereo koa ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Angamba ny mpianatra dia mety afaka hizara zavatra niainana izay nahatsapany fa nanampy hiady ny adin’izy ireo ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mandresy ireo Goliatantsika.

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Misy Goliata maro manodidina anao, ireo goavambe manana fikasana ratsy handrava anao. Tsy olona mirefy 2 metatra mahery ireo, fa olona sy rafitra mifehy ny zavatra manintona kanefa ratsy mety hanohitra sy hampalemy ary handrava anao. …

“… Saingy tsy tokony hatahotra ianao raha manana ny antsamotadin’ny fahamarinana eo am-pelatananao. … Manana ireo vaton’ny fahatsarana sy voninahitra ary fahamendrehana ianao hampiasaina amin’ireo fahavalo te-handresy anao ireo. Raha mbola ny momba anao dia azonao atao ny mamely azy ireo -eo anelanelan’ny masony,- raha atao sary ohatra. Afaka mandresy azy ireo ianao amin’ny alalan’ny fifehezana ny tenanao mba hialana amin’izy ireo. Azonao lazaina amin’izy rehetra tahaka ny nolazain’i Davida tamin’i Goliata hoe: -Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao- [1 ​​Samoela 17:45]” (“Overpowering the Goliaths in Our Lives,” Ensign, May 1983, 46, 51).

Manatsara ny fampianarantsika

Araka ny fitaomam-panahy no niantsoana anao. Amin’ny maha mpampianatra anao dia voantson’ Andriamanitra ianao hitondra fitahiana ho an’ireo zanany. Raha miaina mendrika ny ho ampiany ianao dia hanome ny fanambarana izay katsahinao Izy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5.)

Hamoaka printy