Testamenta Taloha 2022
6–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3: “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”


“6–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3: -Ny foko ravoravo amin’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“6–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Rota sy i Naomy

Whither Thou Goest (Fa izay alehanao), nataon’i Sandy Freckleton Gagon

6–12 jona

Rota; 1 Samoela 1–3

“Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”

Zava-dehibe ny fiomanana hampianatra, kanefa alaivo antoka fa tafiditra ao anatin’ny drafitrao ny fanomezana fotoana ho an’ny mpianatra mba hizara izay nianarany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tamin’ity herinandro ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny teny na andian-teny iray avy ao amin’ny Rota 1–4 na 1 Samoela 1–3 izay nankahery ny fanahin’izy ireo nandritra ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakavian’izy ireo. Vakio mafy ny vitsivitsy amin’izany, ka mangataha mpianatra hizara ny fomba nitondran’ireo teny sy andian-teny ireo aingam-panahy ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Rota; 1 Samoela 1–2

I Kristy dia afaka mamadika ny loza ho fandresena.

  • Na dia mety manana fisedrana manokana tsy mitovy amin’ny an’i Rota sy i Hana aza ny mpianatrao dia afaka mianatra avy amin’ny fihetsika nasehon’ireo vehivavy mahatoky ireo tamin’ny famoizana sy alahelo izy ireo. Mba hanampiana azy ireo amin’izany dia azonao zaraina ho vondrona kely ny kilasy, dia asao ny vondrona tsirairay hamaky toko iray ao amin’ny Rota 1–4 na 1 Samoela 1. Azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe fanontaniana toy ireto: Inona avy ireo fitsapana natrehan’i Rota na i Hana? Ahoana no nanehoan’izy ireo ny fatokisany ny Tompo nandritra ny fisedrana azy ireo? Afaka mitady ny valin’ny fanontaniana iray na maromaro ireo vondrona ary mizara izay hitany. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo momba ny fomba hanampian’ny Tompo antsika ao anatin’ny fisedrana antsika?

    Sary
    I Hana sy i Samoela

    For This Child I Prayed (Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako), nataon’i Elspeth Young

  • Tsy izay rehetra mivavaka hahazo zaza dia mahazo iray, ary tsy izay olona maty vady rehetra no manambady indray. Saingy ireo olantsika manokana, na inona na inona izy ireny, dia afaka ny ho fotoana hitodihana any amin’ny Mpamonjy sy hanamafisana ny finoantsika Azy. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaky ny Rota 2:11–12 sy 1 Samoela 1:9–11 ary hiresaka momba ny fiantraikan’ny fisedrana natrehan’i Rota sy i Hana tamin’ny fifandraisany tamin’ny Tompo. Afaka mizara ny fomba nanamafisana ny finoany manokana ihany koa ny mpianatra satria nitodika tany amin’i Jesoa Kristy izy ireo nandritra ny fotoam-pitsapana.

    Mba hanohanana ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na maromaro ho tonga vonona hizara ny fomba fijery avy amin’ny iray amin’ireto manaraka ireto: Ny hafatry ny Rahavavy Reyna I. Aburto “Na inona re miseho, mitoera eto!” (Liahona, nôv, 2019, 57–60); ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny fifaliana avy amin’ny fandresena amin’ny alalan’i Kristy” avy amin’ny hafatry ny loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny fifalian’ny Olomasina” (Liahona, nôv. 2019, 16–17); na ny tenin’ny Filoha Elaine S. Dalton ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Azonao angatahina ny mpianatra mba hizara ny zavatra nianarany momba ny fomba ahafahan’ireo fitsapana antsika ho tonga fahafahana hahazoana finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy.

1 Samoela 2:18–363

Tokony hihaino sy hankatò ny feon’ny Tompo isika.

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao izay, toa an’i Samoela, efa nandre ny feon’ny Tompo kanefa tsy nahafantatra izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny 1 Samoela 3, ka hitady ny zavatra nataon’i Samoela izay afaka manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba handre sy hankatò ny feon’ny Tompo. Azonao atao koa ny mangataka mpianatra roa hamerina ilay fifandraisana teo amin’i Samoela sy i Ely.

  • Indraindray isika dia mahita ny tenantsika ao anaty toe-javatra toa an’i Ely—manana fahafahana hanampy olona iray hahafantatra ny feon’ny Tompo isika. Angamba azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba nanatanterahan’izy ireo izany ho an’ny namana, olona ao amin’ny fianakaviana, na olon-kafa. Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na zavatra niainana nozaraintsika mba hanampiana ny hafa hahatakatra ny fomba fifandraisan’ny Tompo amintsika? (jereo, ohatra, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:7–9).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tsy irery na oviana na oviana isika.

Nampianatra ny Filoha Elaine S. Dalton hoe:

“Indraindray ny dia amin’ny fiainana dia mitondra antsika amin’ny lalana tsy ampoizina. Misy fiolakolahana sy fihodinana izay tsy ampoizin’ny tsirairay amintsika amin’ny lalana. Saingy miaraka amin’ireo fiolakolahana sy fihodinana tsirairay ireo dia misy fahafahana ihany koa—fahafahana misafidy ny valintenintsika sy ny drafitry ny asa ataontsika. Ny fahasahiranana eo amin’ny fiainana dia mety ho fotoana hanampiana antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hatoky Azy bebe kokoa. Amin’ny dingan’ny fiainana akaiky Azy isan’andro dia mampivelatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika. …

“Toa an’i Rota sy Hana, isika rehetra dia hiatrika zava-tsarotra. Mety tsy ho takatsika hatrany ny drafitry ny Tompo ho an’ny fiainantsika, saingy mijoro ho vavolombelona aho fa tsy irery na oviana na oviana isika. Miaraka amintsika mandrakariva Izy ary mampanantena antsika Izy hoe: “Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’ Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3]” (“Lessons from Ruth and Hannah,” Ensign, Apr. 2006, 35, 37).

Jereo ihany koa ny Jaona 14:18; Almà 38:5.

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro.” Raha toa ka tokony hanao izay tsara indrindra vitanao ianao hamaliana izay fanontaniana ananan’ireo mpianatrao, dia tsy andrasan’ny Tompo aminao ny hahaizanao ny zava-drehetra. Rehefa tsy hainao ny fomba hamaliana zavatra iray dia tsory izany ary mijoroa ho vavolombelona amin’ny fo ny amin’ny zavatra fantatrao. (Jereo ny 1 Nefia 11:16–17; Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 24.)

Hamoaka printy