Testamenta Taloha 2022
20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11: “Ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay”


“20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11:- Ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
Ny Mpanjaka Davida mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana

King David Enthroned (Napetraka tamin’ny seza fiandrianana ny Mpanjaka Davida), nataon’i Jerry Miles Harston

20–26 jona

2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11

“Ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay”

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia katsaho ombam-bavaka ireo fitsipika izay hanan-danja indrindra amin’ireo mpianatrao mba hahafahanao mifantoka amin’ny zavatra ilain’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamantarana izay hitan’ny mpianatra fa manan-danja ao amin’ny fandalinany ny soratra masina, dia azonao atao ny mangataka azy ireo mba hanoratra ny andalan-tsoratra masina izay nitaona fanahy azy ireo eo amin’ny taratasy kely iray ary hametraka izany ao anaty fitoeran-javatra iray. Dia afaka misafidy taratasy avy ao amin’ilay fitoeran-javatra ny mpianatra avy eo ary hamaky sy hifanakalo hevitra momba ireo andalan-tsoratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Samoela 6:1–8

Tsy maintsy manao ny asan’ Andriamanitra amin’ny fombany isika.

  • Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaky ny 2 Samoela 6:1–8 ary hisaintsaina ireo fampitandremana mety atolotr’izany tantara izany ho antsika ankehitriny. Mety hanampy ny teny nataon’i Brigham Young ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona ireo fomba sasany hafa izay mety andramantsika entina manao ny asan’ Andriamanitra amin’ny fomba hafa ankoatra izay notendreny? Nahoana no mampidi-doza izany? Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra niainana izay nianarany natoky ny torolalana nomen’ny Tompo tamin’ny fanatontosana ny asany.

2 Samoela 11

Tokony hiambina hatrany hanohitra fahotana isika.

  • Ny fandraisana lesona avy amin’ireo safidy ratsy nataon’i Davida voarakitra ao amin’ny 2 Samoela 11 dia afaka hanampy antsika hisoroka ny fahadisoana toy izany. Angamba azon’ny mpianatra atao ny miara-mamaky ny 2 Samoela 11:1–17 ary mamantatra ireo safidy izay nitarika an’i Davida tamin’ny fahotana. Inona no azon’i Davida natao ho solon’izany? Azonao atao ny mangataka mpianatra iray hanoratra fehezan-teny iray izay afaka mitaona fanahy ny olona hisoroka ny fahotana, araka izay nianarany tao amin’ny 2 Samoela 11. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny.

  • Azonao atao ny mampiasa ny 2 Samoela 11 hiresahana ireo loza avy amin’ny pôrnôgrafia sy ireo fahotana ara-nofo hafa. Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny Tompo antsika handresy ireo fakam-panahy na fitondrantena ireo?

    Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara hevitra izay hitany fa manampy eo amin’ny ezaka ataony hiarovana ny fianakavian’izy ireo amin’ny pôrnôgrafia sy ny vokatry ny pôrnôgrafia. Ny hafatry ny Rahavavy Linda S. Reeves, “Fiarovana amin’ny pôrnôgrafia—Tokantrano mifantoka amin’i Kristy” dia mety hanampy (Liahona, mey 2014, 15–17; jereo ihany koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

Sary
Tempolin’i Barranquilla Colombie

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

1 Mpanjaka 8:22–61

Mitondra fitahiana ny tempoly.

  • Ny 1 Mpanjaka 8 dia mamariparitra ireo fitahiana nokatsahin’i Solomona ho an’ny vahoakany rehefa vita ny tempoly. Azonao zaraina amin’ny mpianatra ny andininy 22–61 dia angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany tao anatin’ireo andininy ireo ka nanainga ny fanahin’izy ireo momba ny fitsaohany any amin’ny tempoly. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba nitahiana ny fiainan’izy ireo noho ny fitsaohany any amin’ny tranon’ny Tompo.

1 Mpanjaka 8:61; 11:1–11

“Tsy marina tamin’i Jehovah ny fony.”

  • Inona no dikan’ny hoe “aoka ho marina amin’ny Jehovah Andriamanitsika anie ny fo[ntsika]”? (1 Mpanjaka 8:61). Moa ve izany samy hafa amin’ny hoe tonga lafatra ny zavatra ataontsika? Amin’ny fomba ahoana? Rehefa misaintsaina ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia afaka mamaky ny 1 Mpanjaka 11:1–11 izy ireo ka handinika izay lazain’ny Tompo momba ny fon’i Solomona. Ahoana no fomba ahafahantsika misoroka ireo fahadisoana nataony?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mampijoro ny sambofiara.

Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe: “Avelao amin’izao ilay Fanjakana, ny Tompo no mampijoro ny sambofiara. Ary raha mitsingilaila izany, ka toa mila hajoro tsara, raha somary mihorirana kely izany indraindray, ary heverina hampiongana azy ny fijery ny endrika rehetra, dia tandremo ny faninjiranao ny tananao hampijoro azy. Aoka isika tsy hitebiteby loatra amin’ny fitsabahana amin’izay tsy tokony hidirantsika. Avelao izany, asan’ny Tompo izany” (Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe [1954], 66).

Miaro ny fianakaviana amin’ny pôrnôgrafia.

Nampianatra ny Rahavavy Linda S. Reeves hoe: “Ahoana no fomba hiarovantsika ny zanatsika sy ireo tanorantsika? Fitaovana tena manampy be ny logiciel manao sivana saingy ny sivana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao, ilay hany tokana izay tena handaitra dia ny sivana manokana ao anaty, izay tonga avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona lalina sy maharitra momba ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika ho an’ny tsirairay amintsika” (“Fiarovana amin’ny pôrnôgrafia—Tokantrano mifantoka amin’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 16; jereo ihany koa ny Joy D. Jones, “Addressing Pornography: Protect, Respond, and Heal,” Ensign, Oct. 2019, 22–27).

Manatsara ny fampianarantsika

Makà antoka fa mampianatra fotopampianarana marina ianao. “Manontania tena tsy tapaka hoe: -Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra ampianariko an’ireo mpianatro mba hanorina finoana an’i Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary handray ny Fanahy masina?-” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).

Hamoaka printy