Testamenta Taloha 2022
27 jona–3 jolay. 1 Mpanjaka 17–19: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”


“27 jona–3 jolay. 1 Mpanjaka 17–19: -Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“27 jona– 3 jolay. 1 Mpanjaka 17–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Elia mijoro eo akaikina alitara mirehitra

Elijah Contends against the Priests of Baal (I Elia mifanandrina amin’ireo mpisoron’i Bala), nataon’i Jerry Harston

27 jona–3 jolay

1 Mpanjaka 17–19

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”

Ny tanjon’ny soratra masina, sy ny kilasinao, dia ny hanorina finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Aoka izany tanjona izany no hitarika ny fanapahan-kevitra momba izay hampianarina sy ireo fanontaniana hapetraka.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny 1 Mpanjaka 17–19 dia azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra lohateny iray ho an’ny tsirairay amin’ireo toko ireo. Inona no andininy nahatonga azy ireo hieritreritra ireo lohateny ireo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Mpanjaka 17:8–16; 19:19–21

Ny fanasana hanao fahafoizan-tena dia fotoana iray hampiasana ny finoantsika.

  • Ny ohatra navelan’ilay mpitondratena tao Zarefata dia mety hanome aingam-panahy ireo mpianatrao mandritra ny fotoana fitsapana ny finoany. Azonao atao ny manomboka amin’ny fangatahana azy ireo hanao lisitra ireo safidy mitaky finoana an’i Jesoa Kristy. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 17:8–16 ary miresaka momba izay ampianarin’izany tantara izany azy ireo momba ny fampiharana finoana. Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany momba ilay mpitondratena sy ny fomba nanentanan’ny ohatra nasehony azy ireo mba hampihatra ny finoany. Inona no mampitovy ny finoany amin’ny finoana nasehon’i Elisa ao amin’ny 1 Mpanjaka 19:19–21? Mety ho vonona hizara ny fahafoizan-tena nataon’izy ireo ho an’ny Tompo sy ny fomba nitahiany azy ireo ny mpianatra.

  • Ny tantaran’ilay mpitondratena tao Zarefata dia afaka mampianatra antsika ihany koa ireo fitahiana azo avy amin’ny fahafoizan-tena. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hamalian’izy ireo ny teny toy izao: “Tsy afaka mandoa fahafolonkarena aho” na “Be atao loatra aho ka tsy afaka manaiky ny iraka amin’ny fanompoana.” Inona no ampianarin’ny 1 Mpanjaka 17:8–16 antsika ka mety mihatra amin’ireo teny lazaina ireo? Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika ny fahalalantsika momba ny Mpamonjy rehefa angatahana hanao fahafoizan-tena isika? Afaka manampy ihany koa ny tenin’ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

1 Mpanjaka 18:17–39

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy.”

  • Ny fifanakalozan-kevitra momba ny 1 Mpanjaka 18:17–39 dia afaka hanampy ny mpianatra hanolo-tena kokoa hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hatoky Azy. Rehefa avy nandinika ilay tantara niaraka tamin’ny iray kilasy ianao dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana napetrak’i Elia tamin’ny vahoakan’Isiraely: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?” (andininy 21). Avelao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany fa hevitr’io fanontaniana io. Inona avy ireo antony sasany mety nahatonga ny olona “hiroa saina” (izay mety hidika fisalasalana, fiovaovan-kevitra) eo amin’ny fanarahana ny Tompo sy ny fanarahana an’i Bala? Nahoana isika indraindray no misalasala momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy? Afaka mizara traikefa izay nanampy azy ireo hisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy ny mpianatra.

Sary
I Elia nijoro teo ambony vatolampy

Sary maneho ny 1 Mpanjaka 19:11–12. Ny mpaminany, © Robert Booth Charles/Bridgeman Images

1 Mpanjaka 19:1–12

Matetika ny Tompo no miresaka amin’ny fomba tony sy tsotra.

  • Betsaka ny olona no sahirana amin’ny famantarana rehefa mifandray amin’izy ireo ny Tompo. Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra tsara kokoa ny feon’ny Tompo dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny 1 Mpanjaka 19:1–12 ary hizara ny zavatra nianaran’i Elia. Angamba azon’ny mpianatra atao ny mizara zavatra niainana izay nampianatra azy ireo ireo fomba samihafa iresahan’ny Tompo amin’izy ireo.

  • Mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra haingana momba ny andian-teny hoe “feo tony sy malefaka”, dia azonao atao ny mampiseho zavatra (na sarin-javatra) izay mety hanampy ny mpianatra hisaintsaina ilay andian-teny. Afaka mandroso ohatra hafa ny mpianatra. Nahoana no fomba tsara ilazalazana ny feon’ny Fanahy ireo teny hoe “tony” sy “malefaka”? Mba hahitana famariparitana hafa, ny mpianatra dia afaka mamaky ny andinin-tsoratra masina toy ny Helamàna 5:30; 3 Nefia 11:3–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:8–9; 11:12–14; 36:2. Mety afaka mizara soratra masina hafa momba ny famantarana ny Fanahy izy ireo. Inona no soso-kevitr’ireto soratra masina ireto momba ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handrenesana ny feon’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ilay mpitondratena tao Zarefata.

Nilaza ny Loholona Lynn G. Robbins hoe: “Takatr’i Elia ny fotopampianarana fa ny fitahiana dia tonga aorian’ny fitsapana ny finoantsika [jereo ny Etera 12:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:5]. Tsy tia tena izy. Amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy, i Elia dia hanome, fa tsy handray [jereo ny 1 Mpanjaka 17:13–16]. … Antony iray nanehoan’ny Tompo fotopampianarana amin’ny toe-javatra faran’izay mafy indrindra ny fanafoanana ireo fialantsiny. Raha ny mpitondratena mahantra indrindra aza dia andrasan’ny Tompo handoa ny farantsakeliny, ahoana izany ny momba ny hafa rehetra izay mahita fa tsy tsotra na mora ny manao fahafoizan-tena?” (“Tithing—a Commandment Even for the Destitute,” Liahona, May 2005, 35).

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho fitaovana feno fanetrentena mitondra ny Fanahy. “Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tsy ny hanao famelabelarana mahavariana fa hanampy ny hafa kosa handray ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ilay tena mpampianatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).

Hamoaka printy