Testamenta Taloha 2022
11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25: “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”


“11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25: -Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
olona mandao tanàna rava

The Flight of the Prisoners (Ny fitsoahan’ireo gadra), nataon’i James Tissot sy ireo hafa

11–17 jolay

2 Mpanjaka 17–25

“Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”

Ataovy famerenana ireo zavatra tsapanao ka noraketinao nandritra ny fandalinanao manokana ny 2 Mpanjaka 17–25 tamin’ity herinandro ity. Andalan-tsoratra masina inona avy amin’ireo toko ireo no tsapanao fa tena hanan-danja amin’ny mpianatrao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Rehefa mizara ny zavatra ianarany ao an-trano amin’ny fandalinany soratra masina ny mpianatra dia mety hahatsapa ho nahazo fitaomam-panahy ny mpianatra hafa handalina ny soratra masina mandritra ny herinandro. Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ny mpianatra hamaly fanontaniana iray toy ny hoe “Inona no nampianarin’ny Fanahy Masina anao rehefa namaky ireo toko voatendry tamin’ity herinandro ity ianao?”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Mpanjaka 18:28–36; 19:1–7, 14–19

Afaka mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo isika rehefa voasedra ny finoantsika.

  • Ireo fahamarinana ao amin’ny 2 Mpanjaka 18–19 dia afaka manampy antsika hahafantatra izay hasetry rehefa voasedra ny finoantsika. Ahoana no hanampianao ny mpianatrao hahita ireo fahamarinana ireo? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara antony maro mahatonga azy ireo hino an’ Andriamanitra sy ny drafiny. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny 2 Mpanjaka 18:28–35, ary mitady ny antony nomen’ny Asyriana ny vahoaka tao Jerosalema mba tsy hatokisany ny Tompo. Ahoana no ataon’i Satana handresena lahatra antsika mba hisalasala ny finoantsika ankehitriny? Afaka mamaky ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:1–7, 14–19 ireo mpianatra avy eo mba hahitana hoe inona no azontsika ianarana avy amin’i Hezekia momba izay asetritsika rehefa voasedra ny finoantsika. Ahoana no anampian’ny Tompo antsika handresy ireo fanamby amin’ny finoantsika? Inona ireo sosokevitra hafa ananan’ny mpianatra entina hanavaozana ny finoany sy ny fatokiany ny Tompo?

  • Azonao atao ny manasa ny mpianatra iray ho tonga ao an-dakilasy vonona hamintina ny resaka nifanaovan’ny Asyrianina tamin’ireo miaramilan’i Hezekia teo akaikin’ny mandan’i Jerosalema (jereo ny 2 Mpanjaka 18:17–36). Alohan’ny hitantarany ilay tantara dia asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mponina ao Jerosalema izy ireo ka mihaino ity resaka ity. Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana mety ananan’izy ireo? Inona no mety hataon’izy ireo? Azonao omena ampahany avy amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony” (Liahona, mey 2015, 46–49) ny mpianatra ary asao izy ireo hitady torohevitra izay afaka hanohana azy ireo mandritra ny fotoana feno tahotra na ahiahy. Ahoana no nanohanan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy antsika nandritra ireo fotoan-tsarotra?

2 Mpanjaka 22:8–2023

Afaka mampitodika ny fontsika amin’ny Tompo ny soratra masina.

  • Ny firesahana momba ny herin’ny tenin ’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’i Josia Mpanjaka sy ny olony dia afaka mitaona ny mpianatra hikatsaka izany hery izany eo amin’ny fiainany manokana. Azonao atao ny manomboka ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fanasana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny fahasamihafana mety hisy eo amin’ny fiainany raha tsy manana ny soratra masina izy ireo. Avy eo izy ireo dia afaka mikaroka ny 2 Mpanjaka 22:8–11; 23:1–6, 21, 24 mba hahitana ny fiovan’i Josia sy ny olony rehefa nandre ny tenin’ Andriamanitra avy tao amin’ny soratra masina vao hita tao amin’ny tempoly izy ireo. Ahoana no nanampian’ny soratra masina antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Ny fiovana goavana nentin’ny tenin’ Andriamanitra teo amin’i Josia sy ny olona maro tao amin’ny fanjakany dia afaka manentana ny mpianatrao hikatsaka fiovana mitovy amin’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo fanovana ireo (jereo ny 2 Mpanjaka 23:1–6, 21, 24), ny mpianatra dia afaka mizara zavatra niainany rehefa nitondra fiovana teo amin’ny fiainany ny andalan-tsoratra masina na tantara iray. Angamba azon’izy ireo atao ny miresaka momba ny antony nanekeny ny hafatr’izany soratra masina izany tamin’izany fotoana izany teo amin’ny fiainany. Ny teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’io fifanakalozan-kevitra io.

    Sary
    fianakaviana mandalina ny soratra masina

    Afaka mampitodika ny fontsika amin’ny Tompo ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Zahao indray ny soratra masina.

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball:

“Matoky aho fa ny tsirairay amintsika, amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainantsika, dia tsy maintsy mizaha manokana ny soratra masina—ary tsy hoe mizaha indray mandeha fotsiny, fa mamerina mizaha hatrany. …

“Mahatsapa mafy aho fa isika rehetra dia tsy maintsy miverina amin’ny soratra masina tahaka ny nataon’i Josia Mpanjaka ary mamela azy ireo hiasa mafy ao anatintsika, hanosika antsika hanana finiavana tsy miovaova hanompo ny Tompo. …

“Hitako fa rehefa ataoko tsizarizary ny fifandraisako amin’ Andriamanitra ary rehefa toy ny hoe tsy misy sofin’ Andriamanitra mihaino, ary tsy misy feon’ Andriamanitra miteny, dia tena lavitra tokoa aho. Rehefa miroboka ao anatin’ny soratra masina aho dia mihafohy ny elanelana ary miverina ny aim-panahy. Hitako fa tena tia bebe kokoa ireo izay tsy maintsy tiaviko amin’ny foko sy saiko ary tanjako manontolo aho, ary mihatia azy ireo bebe kokoa. Hitako toy ny mora kokoa ny miaina araka ny torohevitr’izy ireo.” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 62–63, 67).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina. Fomba iray hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny soratra masina ny fanondroana azy ireo loharano toy ireo lahatsoratra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina sy ny Lohahevitra momba ny filazantsara (ChurchofJesusChrist.org). Izy ireo koa dia afaka mahita fampahalalana mahasoa ao amin’ny fizarana “Zavatra tokony hotadidiana” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Hamoaka printy