Testamenta Taloha 2022
25–31 jolay. Estera: “Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”


“25–31 jolay. Estera: -Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“25–31 jolay. Estera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
i Estera mivavaka

Estera, nataon’i James Johnson

25–31 jolay

Estera

“Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”

Hatraiza no tena fahafantaranao ireo mpianatrao? Miezaha mamantatra bebe kokoa mpianatra iray isan-kerinandro. Izany dia hanampy anao hamantatra izay ilain’izy ireo rehefa miomana hampianatra ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny mpianatra dia afaka mizara amin’ny olona mipetraka eo akaikiny izay nampianarin’ny Fanahy azy ireo, zavatra izay nanjary takatr’izy ireo tsara kokoa, na zavatra iray izay nampitahain’izy ireo tamin’ny fiainany rehefa namaky ny bokin’i Estera izy ireo. Dia avelao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara amin’ny iray kilasy manontolo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Estera

Mametraka antsika amin’ny toe-javatra izay ahafahantsika mitahy ny hafa ny Tompo.

  • Ny mpianatrao dia mety nitady ireo fomba nanampian’ny Tompo an’i Estera mba hamonjy ny Jiosy, araka ny soso-kevitra ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Na afaka miara-mitady ohatra vitsivitsy ianareo (jereo ny Estera 2:21–23; 3:10–14; 4:14–16). Inona no azontsika atao mba hamantarana ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika? Ny teny nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia ahitana valinteny iray ho an’io fanontaniana io.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasinao hieritreritra ny fomba nanomanan’ny Tompo azy ireo “ho amin’izao andro izao mihitsy” (Estera 4:14) dia asao izy ireo hamaky ny Estera 4:10–17. Ahoana no mety nanampian’ny tenin’i Mordekay an’i Estera mba handray fanapahan-kevitra hiaro ny fireneny? Tahaka ny nametrahan’ Andriamanitra an’i Estera teo amin’ny toerana ahafahany mamonjy ny Jiosy, inona avy ireo toe-javatra ametrahany antsika mba hahafahantsika mitahy ny hafa? Ahoana no ahafahantsika ho tonga fitaovana tsara kokoa eo an-tanany? Ny famakiana ny teny voalazan-dRahavavy Virginia U. Jensen ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hitaona ny mpianatra hieritreritra fotoana izay nahatsapan’izy ireo fa fitaovana ho an’ny Tompo izy ireo. Angataho izy ireo hizara ny zavatra niainany, araka izay tarihin’ny Fanahy.

Estera 4

Ny fifadian-kanina dia maneho ny fianteherantsika amin’ny Tompo.

  • Azonao atao ny mampiasa ny Estera 4 hiresahana ireo fitahiana azo avy amin’ny fifadian-kanina. Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamerina hijery ireo zava-nitranga izay nahatonga an’i Estera sy ireo Jiosy hafa hifady hanina. Nahoana izy ireo no nisafidy hifady hanina? Nahoana isika no misafidy hifady hanina? Azonao atao ny miara-mandinika andinin-tsoratra masina fanampiny momba ny fifadian-kanina, toy ny Isaia 58:6–12 sy ny Matio 4:1–4; 17:14–21 (jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fifadian-kanina, fifadian-kanina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Azonao na mpianatra vitsivitsy hafa atao angamba ny mizara traikefa izay mampiseho ny fomba hitondran’ny fifadian-kanina ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika.

Estera 3:1–11; 4:10–17; 5:1–4

Ny fanaovana ny tsara matetika dia mitaky herim-po lehibe.

  • Ny tantaran’i Mordekay sy i Estera nijoro tamim-pahasahiana ho an’ny fahamarinana dia afaka mitaona ny mpianatra hanana herim-po hanao ny tsara. Azonao atao ny manasa ny antsasaky ny kilasy hamaky ny momba an’i Mordekay (jereo ny Estera 3:1–11) ary ny antsasany hafa kosa hamaky ny momba an’i Estera (jereo ny Estera 4:10–17; 5:1–4). Raha teto izy ireo androany, inona no mety holazain’i Mordekay sy Estera mba hampaherezana antsika rehefa sarotra ny manao ny tsara? Ny mpianatra ao amin’ny kilasy dia afaka mizara ihany koa ireo toe-javatra izay tsy maintsy nanaovana zavatra tamin-kerim-po. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hihira na hamaky ny tononkiran’ny fihirana iray momba ny fijoroana ho an’ny fahamarinana, toy ny “Manaova ny marina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 68). Dia resaho avy eo izay ampianarin’ilay hira momba ny fananana herim-po.

    Sary
    I Estera sy ny mpanjaka

    Esther before the King (I Estera teo anoloan’ny Mpanjaka), nataon’i Minerva K. Teichert

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny tanan’ Andriamanitra.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe:

“Indraindray dia mahita ny fiasan’ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ny hafa isika nefa diniho hoe, -Ahoana no hahafahako mahatsikaritra bebe kokoa ny fiasan’ny tanany eo amin’ny fiainako manokana?- …

“Rehefa mitandrina ny didy sy mivavaka am-pinoana ny hahita ny tanan’ Andriamanitra amin’ny fiainanao ianao, dia mampanantena anao aho fa hosokafany bebe kokoa ny masonao ara-panahy, ary hahita tsaratsara kokoa ianao hoe tsy mba irery.” (“Ho tonga anie ny Fanjakanao,” Liahona, mey 2015, 121–22).

“Ho amin’izao andro izao mihitsy.”

Nampianatra ny Rahavavy Virginia U. Jensen: “Tsy mino aho fa sendra tonga tampoka tamin’ity ora miavaka ity izaho sy ianao. Mino aho fa, toa an’i Estera taloha, -ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana [antsika] ho amin’ny fanjakana- [Estera 4:14], rehefa afaka mijoro ho fiarovana mafy manohitra ny fisondrotan’ny ratsy izay mandrahona ny hanafotra ny tranontsika sy ny fianakaviantsika ary ireo olon-tiantsika ny hery mitaona ananantsika, ny ohatra asehontsika, ny herintsika ary ny finoantsika” (“Creating Places of Security,” Ensign, Nov. 1997, 89).

Manatsara ny fampianarantsika

Vakio aloha ny soratra masina. Ny soratra masina no tokony ho loharanonao voalohany hanaovanao ny fandalinanao sy ny fiomananao. Aza hadinoina fa ny tenin’ny mpaminany maoderina dia mameno ireo soratra masina nankatoavina ary soratra masina ihany koa. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17–18

Hamoaka printy