“1–7 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: -Mbola hanantena Azy ihany aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“1–7 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022
1–7 aogositra
Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42
“Mbola hanantena Azy ihany aho”
Inona avy ireo fahamarinana izay nianaranao avy tamin’ny Fanahy Masina rehefa nandalina ny bokin’i Joba ianao? Inona no tianao hozaraina amin’ny kilasinao?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Ireo mpianatra izay nandalina ny Joba tamin’ity herinandro ity dia mety nahita fahamarinana tena manan-danja ho azy ireo. Mba handrisihana azy ireo hizara dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe hoe Nianatra avy tamin’i Joba aho … ary mangataka ny mpianatra ny hamenoany io fehezan-teny io.
Ampianaro ny fotopampianarana
Ny fahatokiantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka hanampy antsika hitoetra ho mahatoky amin’ny toe-javatra rehetra.
-
Ireo toko roa voalohany ao amin’ny Joba, izay mamariparitra an’i Satana manontany ny antony ao ambadiky ny fahatokian’i Joba, dia afaka hanampy ny mpianatra hanombantombana ireo antony manokana nahatonga azy ireo tsy hivadika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny mpianatra dia mety hanomboka amin’ny fanaovana lisitra ireo antony vitsivitsy mety hisafidianan’ny olona iray ny hankatò ny didin’ Andriamanitra. Afaka mamaky ny Joba 1: 6–12; 2:1–6 izy ireo avy eo mba hahitana izay nolazain’i Satana momba ny fahatokian’i Joba. Nahoana no mampidi-doza ny mankatò ny Tompo noho ireo antony naroson’i Satana fotsiny? Manambara inona momba an’i Joba ny valinteniny ao amin’ny Joba 1:20–22; 2:9–10? Afaka miresaka momba ny antony nisafidianany hijanona ho mahatoky amin’ Andriamanitra ireo mpianatra.
-
Raha nisy fotoana niadian’i Joba tamin’ny fisalasalana sy famoizam-po, ny fahatokisany ny Tompo kosa dia nanohana azy tao anatin’ny fijaliany. Mba hianarana avy amin’ny ohatr’i Joba dia afaka mikaroka ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra hamantarana ny sasany amin’ireo valinteny tsara nasetrin’i Joba tamin’ireo fisedrana azy: Joba 1:21; 2:10; 12:9–10, 16; 13:15–16; 19:23–27. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo valinteny ireo izay afaka hanampy antsika hatanjaka ara-panahy rehefa miatrika fitsapana isika? Nahoana no mampidi-doza ny mieritreritra fa ny fitsapana dia sazy noho ny fahotana?
-
Ny fanambarana nataon’i Joba ao amin’ny Joba 19:23–27 dia afaka mitaona ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ny faharesen-dahatra ho azy ireo fa velona ny Mpanavotra, dia i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manomboka amin’ny fanasana ireo mpianatra hisaintsaina mangina ny tenin’i Joba ao amin’ireo andininy ireo. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana toy izao: Nahoana no tena sarobidy ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpanavotra antsika mandritra ny fotoam-pitsapana toy ireo an’i Joba? Ahoana no fomba nanohanan’ny fijoroana ho vavolombelontsika antsika tao anatin’ireo fitsapana? Ny fihirana na ny famakiana ny tononkiran’ny fihirana iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny hoe “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah.76), dia afaka hanampy hevi-baovao sy hery ara-panahy amin’ny fifanakalozan-kevitrareo.
Ny fomba fijerin’ Andriamanitra dia lehibe kokoa noho ny antsika.
-
Ny ankabetsahan’ny bokin’i Joba (toko 3–37) dia ahitana an’i Joba sy ireo namany mitolona amin’ny fanontaniana hoe “Fa maninona no miseho amin’ny olo-marina ny zavatra ratsy?” Na dia tsy mamaly tanteraka an’io fanontaniana io ao amin’ny bokin’i Joba aza ny Tompo dia manome hafatra lehibe tokoa Izy. Azonao atao ny manampy ny mpianatra hahita izany hafatra izany amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamaky ireo fanontaniana napetraky ny Tompo tamin’i Joba ao amin’ny Joba 38:1–7, 18–24. Inona no ianarantsika avy amin’ireo fanontaniana ireo?
-
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manome hazavana fanampiny izay afaka hanampy antsika hahatakatra ireo antony sasany mahatonga ny fijaliana eto amin’izao tontolo izao. Ny mpianatra dia afaka mizara fahamarinana fantany noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ka nanome azy ireo fomba fijery sy fahatakarana lehibe kokoa momba ny fijaliana. Afaka mahita ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny fanambarana hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izy ireo.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Fijery momba ny tanjon’ny fijaliana amin’ny andro farany.
Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia manolotra fomba fijery momba ireo tanjon’ny fijaliana:
Nampianatra i Spencer W. Kimball hoe:
“Raha toa ka jerentsika ho toy ny fetran’ny fisiana ny fiainana an-tany, dia ho antambo ny fanaintainana, ny alahelo, ary ny fiainana fohy. Fa rehefa jerentsika ho toy ny zavatra mandrakizay izay mihitatra hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tany aloha ary mitohy mankany amin’ny hoavy mandrakizay aorian’ny fahafatesana ny fiainana, dia ho hita amin’ny fijery tsara kokoa ny zava-mitranga rehetra.
“Moa ve tsy ahitana ny fahendre[n’ Andriamanitra] ny fanomezany antsika fitsapana mba horesena, ary andraikitra mba hotanterahina ary asa atao hampamafy ny hozakerintsika ary fahoriana hisedrana ny fanahintsika? Moa va isika tsy misedra fakam-panahy mba hitsapana ny tanjatsika, aretina mba hianarantsika faharetana, fahafatesana mba hahatonga antsika ho tsy mety maty sy omem-boninahitra? …
“Raha omena eo no ho eo an’ilay olona nanao ny tsara ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny valisoa, dia tsy hisy ratsy intsony. Hanao ny tsara daholo ny rehetra fa saingy tsy noho ny maha-tsara ny fanaovana ny tsara. Tsy hisy fitsapana ny tanjaka, tsy hisy fivoaran’ny toetran’ny olona, tsy hisy fitomboan’ny hery, tsy hisy fahafahana misafidy” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 15).