Testamenta Taloha 2022
8–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: “Jehovah no Mpiandry ahy”


“8–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: -Jehovah no Mpiandry ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“8–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
i Jesoa mandeha miaraka amin’ny ondry

Jehovah no Mpiandry ahy, nataon’i Yongsung Kim, havenlight.com

8–14 aogositra

Salamo 1–2; 8; 19–33; 4046

“Jehovah no Mpiandry ahy”

Manomàna fomba hamelana ny mpianatra hizara ny zavatra ara-panahy niainany rehefa namaky ny Salamo izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fanasana ny mpianatra hizara ny zavatra hitany tao amin’ny Salamo dia mety ho tsotra toy ny fametrahana fanontaniana toy ireto: Inona no nampianarin’ny Fanahy anao rehefa namaky ny Salamo ianao tamin’ity herinandro ity? Salamo inona no nanampy anao manokana hahatsiaro ho akaiky ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Salamo 1; 23; 26–2846

Mampianatra antsika hatoky ny Tompo ny Salamo.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoro hevitra ny hamakiana ny Salamo 1; 23; 26–2846 ka hitady ireto manaraka ireto:

    • Ireo fanasana mba hatoky ny Tompo

    • Ireo teny izay mamariparitra ny Tompo

    • Ireo teny izay mamariparitra ny fiadanana, tanjaka, ary fitahiana hafa omeny.

    • Ireo teny izay mamariparitra an’ireo izay matoky Azy

    Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fehezan-teny ireo dia azonao asaina ireo mpianatra mba hanoratra, eo akaikin’ny fehezan-teny tsirairay, ny zavatra hitany tao amin’ny Salamo 1; 23; 26–28; na 46. Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao atao ny mampijery ireto andinin-tsoratra masina ireto azy ireo: Salamo 1:1–4; 23:1–6; 26:1, 6–8, 12; 27:1, 3, 8, 14; 28:1, 7; 46:1–3, 10. Afaka mizara ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy ny mpianatra rehefa namaky ireo Salamo ireo izy ireo.

  • Satria ny Salamo dia toy ny fihirana ho an’ny Isiraelita dia azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanolotra hira ao amin’ny fihirana izay mampahatsiahy azy ireo ny salamo novakiany tamin’ity herinandro ity. Azon’izy ireo atao ny mijery ny tovana “Soratra Masina” eo amin’ny faran’ny fihirana raha mila hevitra (jereo ihany koa ny lisitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Afaka mihira ny vitsivitsy amin’ireo fihirana ireo ny mpianatra ary mamantatra lohahevitra iraisana ao amin’ny fihirana sy ny salamo. Hafatra inona momba ny fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny finoana Azy no hitantsika?

Salamo 2; 22; 31:5

Ny Salamo dia mampitodika ny eritreritsika any amin’ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy.

  • Ny famakiana ireo salamo—indrindra ireo izay mampitodika any amin’ny fiainan’ny Mpamonjy—dia mety ho fomba lehibe hanamafisana orina ny finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona misy olona roa na maromaro ka omeo iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: Salamo 2:1–3 sy Asan’ny Apostoly 4:24–28; Salamo 2:7 sy Asan’ny Apostoly 13:30–33; Salamo 22:1 sy Matio 27:45–46; Salamo 22:7–8 sy Matio 27:39–43; Salamo 22:16 sy Lioka 23:32–33; Salamo 22:18 sy Matio 27:35; Salamo 31:5 sy Lioka 23:46. Angataho ny vondrona tsirairay hitady ny fomba nahatanterahan’ny faminaniana iray ao amin’ny Salamo teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ary hifanakalo hevitra momba ny fomba nanamafisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy.

    Na azonao atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo eo amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hampitambatra andalan-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Salamo amin’ny zava-nitranga mifandray amin’izany ao amin’ny Testamenta Vaovao.

    Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara andalan-tsoratra masina hafa momba ny Mpamonjy izay hitan’izy ireo tao amin’ny fandalinany ireo Salamo (toy ny Salamo 34:20; 41:9; jereo koa ny Lioka 24:44).

    Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo andalan-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia afaka miresaka momba ny antony nahatonga ireo salamo ireo ho nanan-danja tamin’ny Jiosy izay nahalala ny Mpamonjy. Nahoana izy ireo no manan-danja amintsika?

Salamo 23

“Jehovah no Mpiandry ahy.”

  • Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo sary sy tandindona ao amin’ny Salamo 23 dia azonao atao ny mampiseho ireo sary mifandray amin’ireo lohahevitra ao amin’ny Salamo, toy ireo izay hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra avy eo mba hamantatra teny na andian-teny manan-danja ao amin’ny salamo ary hiresaka izay mety hasehon’izany. Ohatra, mampahatsiahy antsika inona ny andian-teny toy ny hoe “mampandry amin’ny ahi-maitso” na ny “rano fialan-tsasatra”? Mety ho tandindon’ inona ny “tsorakazo” sy ny “tehina” mahafa-tahotra? Mety hidika inona ny hoe feno dia feno ny “kapoaka”-ntsika? Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy ireny tandindona ireny? Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hamerina hanonona ny salamo, ka hanolo ny sasantsasany amin’ireo tandindona amin’izay mety ho dikany noresahan’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fihirana mifandray amin’ny Salamo.

  • Salamo 8:3–9; 9:1–2.Seigneur, mon Dieu” (Cantiques, lah. 44)

  • Salamo 23.L’Eternel est mon berger,” “Seigneur, tu me prépareras” (Cantiques, lah. 57, 58)

  • Salamo 23:6150.Louanges à Dieu” (Cantiques, lah. 37)

  • Salamo 26:8.Nous aimons ta maison” (Cantiques, lah. 152)

  • Salamo 27:1.Christ est ma lumière” (Cantique, lah. 50)

  • Salamo 33:1–6; 95:1–6.Pour la terre et sa beauté” (Cantiques, lah. 43)

  • Salamo 37:3–9.Va ne crains pas” (Cantiques, lah. 65)

  • Salamo 148.Vous, créations de notre Dieu” (Cantiques, no. 31)

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. “Manasa ny Fanahin’ny Tompo ireo fihirana, miteraka fahatsapana fanajana, mampiray hina ireo mpikambana ary manome fomba iray ho antsika mba hiderana ny Tompo. … Ny fihirana dia manentana antsika hibebaka sy hanao asa tsara, hanorina fijoroana ho vavolombelona sy finoana, hampahery ireo trotraka, hampionona ireo malahelo ary hanentana antsika haharitra hatramin’ny farany” (Cantiques, vii).

Hamoaka printy