Testamenta Taloha 2022
15–21 aogositra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: “Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”


“15–21 aogositra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: -Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“15–21 aogositra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Jesoa mihazona fanilo

Saving That Which Was Lost (Manavotra izay very), nataon’i Michael T. Malm

15–21 aogositra

Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86

“Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”

Eo am-piomananao hampianatra dia saintsaino ny torohevitry ny Loholona David A. Bednar hoe: “Tsy fampianarana ny firesahana sy ny fitantarana fotsiny ihany. Ny [fampianarana] ny filazantsara amin’ny fomban’ny Tompo dia ahitana ny fandinihana sy ny fihainoana ary ny famantarana ho toy ny zavatra takiana mialoha ny firesahana” (“Lasa misiônera mifanaraka amin’ny Torio ny Filazantsarako,” Liahona, ôkt. 2013, 46).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Fomba iray hanasana ny mpianatra hizara ny zavatra novakiany tamin’ity herinandro ity ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe hoe “Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao” na “ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva” (Salamo 71:23, 24). Ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra hitany izay manampy azy ireo “hankalaza [fatratra]” na “hitory ny fahamarinan’ [ny Tompo].”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Salamo 51; 85–86

“Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka”

  • Ny Salamo 51 dia mamaritra ny zavatra tsapan’ny maro amintsika rehefa mikatsaka ny hibebaka sy hahazo famelana isika. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fibebahana sy hahatsapa fitarihana hibebaka matetika kokoa dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo handinika ny Salamo 51 miaraka amin’ity fanontaniana ity ao an-tsaina: Inona no dikan’ny hoe mibebaka? Avelao izy ireo hizara ny mety ho valiny rehetra. Ny (“Loharanom-pitaovana fanampiny” dia ahitana hevi-baovao manampy.) Nahoana no toa tsy iriana indraindray ny fibebahana? Inona no hitantsika ato amin’ity salamo ity izay afaka mahatonga ny fibebahana ho mitondra fifaliana?

  • Ahoana no hamaritantsika ny zavatra tsapa rehefa mahazo famelan-keloka amin’ny alalan’ny hery manavotra an’i Jesoa Kristy? Asao ny mpianatra hizara ny eritreriny ary amporisiho izy ireo hitady andalan-tsoratra masina ao amin’ny Salamo 51; 85–86 izay mamariparitra ny vokatry ny famelan-keloka manadion’i Jesoa teo amin’ny fiainantsika (mba ahitana ohatra, jereo ny Salamo 51:1–2, 7–12; 85:2–9). Azonao atao ny mampiseho sary na zavatra hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ireo andian-teny ireo. Avy eo ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny fahavononany hanonitra ny fahotantsika mba hahazoantsika famelan-keloka. Azonao atao koa ny miaraka manao hira iray momba ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy, toy ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44).

  • Raha hibebaka dia mila mino isika fa tsy hoe afaka manadio antsika fotsiny ihany i Jesoa Kristy fa tena hanao izany tokoa Izy. Ny mpianatra dia mety nahita andalan-tsoratra masina tao amin’ny Salamo 51; 85–86 tamin’ity herinandro ity izay nanamafy ny finoan’izy ireo fa vonona hamela heloka ny Tompo. Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra hitany. Azonao atao koa ny manondro azy ireo hijery ao amin’ny Salamo 86:5, 13, 15 ka manontany izay ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Tompo. Inona no dikan’ny hoe “mamindrà fo sy miantra” Izy? (andininy 15). Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahalala izany?

Salamo 66:5–20

Ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy ny hafa hanatona Azy.

  • Anisan’ireo fitahiana lehibe amin’ny fiaraha-mivory amin’ny Sekoly Alahady ny fahafahana mahazo tanjaka avy amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona an’ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy hafa. Mba hanomezana izany fahafahana izany an’ny kilasinao dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaky ny Salamo 66:16 ary hisaintsaina ity fanontaniana ity: Raha toa ianao ka “hilaza izay nataon’ [ny Tompo] ho an’ny fanahinao”, inona no holazainao? Rehefa misaintsaina izy ireo dia afaka mamaky ny andininy 5–20 mba hahazoana hevitra. Avelao izy ireo hanoratra ny valinteniny. Avy eo dia asao izy ireo “hifampilaza” amin’ny vondrona kely na amin’ny kilasy iray manontolo — izay nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny fanahin’izy ireo.

    Sary
    lehilahy tanora anankiroa mifampiresaka

    Afaka mizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba izay nataon’ny Tompo ho antsika isika.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny mibebaka dia midika hoe fiovana.

Nofariparitan’ny Filoha Nelson toy izao ny fibebahana:

“Noho izany, rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba -hibebaka- dia manasa antsika Izy mba hanova ny saintsika, ny fahalalantsika, ny fanahintsika, eny, fa na dia ny fomba fiaina aza. Mangataka antsika Izy mba hanova ny fomba fanehoantsika fitiavana, ny fomba fanompoantsika, ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika, ny fomba fitondrantsika ny vadintsika, ny fomba fampianarantsika ny zanatsika, eny fa na dia ny fomba fikarakarantsika ny vatantsika aza.

“Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

“Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy!” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay mikasika ny fo sy ny saina. Angataho ny mpianatra mba hizara ny zavatra tsapany mikasika ny andalan-tsoratra masina iray, na ny zavatra mety ho tsapan’ny olona ao amin’ilay soratra masina na ny ifandraisan’ireo fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina amin’ny fiainantsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31).

Hamoaka printy