Testamenta Taloha 2022
22–28 aogositra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah”


“22–28 aogositra. Psalms 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150: -Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“22–28 aogositra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Kristy manao akanjo mena voahodidin’ny vahoaka mandohalika

Ny lohalika rehetra dia handohalika, nataon’i J. Kirk Richards

22–28 aogositra

Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150

“Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah”

Inona amin’ireo fampianarana ao amin’ny Salamo no tsapanao fa tena hanampy indrindra ireo olona ao amin’ny kilasinao? Eo am-pandalinanao amin’ity herinandro ity dia saintsaino ny fomba hahafahanao manampy ireo olona ao amin’ny kilasinao hahita ny lanjan’ireo tonon’ireo salamo ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mamaky ireo salamo novakian’izy ireo tamin’ity herinandro ity, ary asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara andalana tiany indrindra. Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra nampianarin’ny Fanahy azy ireo. Nihatsara tamin’ny fomba ahoana ny fitsaohantsika manokana ny Tompo noho ny Salamo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Salamo 102–3116

Afaka mankahery antsika ao anatin’ny fahoriantsika ny Tompo.

  • Moa ve efa nisy nahatsapa izay tsapan’ilay mpanoratra ny Salamo 102 ireo mpianatrao? Ahoana no fomba ahafahantsika mitodika any amin’ny Tompo rehefa mahatsapa ho kivy sy ketraka isika? Rehefa nandalina ny Salamo 102, 103, ary 116 tany an-trano ny mpianatra tamin’ity herinandro ity dia mety nahita andian-teny namporisika azy ireo hitodika any amin’ny Tompo ao anatin’ny fahoriany izy ireo. Ankaherezo izy ireo hizara izay hitany, na hiaraka hijery andian-teny mitaona fanahy ny iray kilasy. Afaka mizara ireo fomba nanampian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ny fotoam-pahoriana ny mpianatra.

  • Mety ho tian’ny mpianatra ny hanoratra ny salamon’izy ireo manokana momba ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ny fotoam-pahoriana. Tsy mila atao lava na sarotra ireo salamo ireo—fa fanehoana tsotra ny finoana, fankasitrahana, ary fiderana. Afaka miasa irery na tsiroaroa ny mpianatra, ary afaka mamerina mijery ny Salamo 102, 103, ary 116 mba ahitana hevitra. Manasà olona vitsivitra hizara ny salamon’izy ireo, raha sitrany izany. Azonareo atao ihany koa ny miaraka manao hira momba ny fomba hankaherezan’ny Tompo antsika, toy ny “Où pourrais-je chercher?” (Cantiques, lah. 68).

    Sary
    i Jesoa manasitrana

    Healing (Fanasitranana), nataon’i J. Kirk Richards

Salamo 119

Hampijanona antsika eo amin’ny lalany ny tenin’ Andriamanitra.

  • Hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny Salamo 119, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hiresaka momba ny fotoana iray nanarahan’izy ireo lalana iray mba ho tonga amin’ny toerana iray (mety hanampy ny firesahana mialoha amin’ny olona iray ka mangataka azy mba ho vonona hiresaka momba izany). Inona avy ireo zavatra niainana nanasarotra ny fijanonana teo amin’ilay lalana? Inona no nanampy azy ireo hijanona teo amin’izany? Afaka manao sarina lalana iray eny amin’ny solaitrabe ianao ary manasa ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra andian-teny avy ao amin’ny Salamo 119 izay milaza ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany. Eritrereto ny hizara ny teny nindramina nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

  • Ny mpianatra ao amin’ny kilasinao dia mety hahazo tombony amin’ny fampitahana izay ampianarin’ny Salamo 119 momba ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny Tompo amin’ireo soratra masina hafa izay mampianatra fahamarinana mitovy amin’izany. Azonao zaraina ho vondrona maromaro ny kilasy ary angataho ny vondrona tsirairay hamerina hijery andalan-tsoratra masina toy ireto: Salamo 119:33–40, 105; Ohabolana 4:11–19; 1 Nefia 8:20–28; 11:25; 2 Nephi 31:17–21; Almà 7:9, 19–20. Asao ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra nianarany. Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy mba hataony araka ny zavatra nianarany.

Salamo 139

Mahafantatra ny fontsika ny Tompo.

  • Ny fahatakarana fa mahafantatra antsika ny Tompo—ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika, ny tanjatsika sy ny fahalementsika— ary koa tia antsika Izy dia mety hisy fiantraikany mahery vaika amin’ny safidy ataontsika. Azonao atao ny manasa ny iray kilasy hitady andian-teny ao amin’ny Salamo 139 izay mampianatra io fahamarinana manan-danja io. Inona no fiantraikan’ny fahalalana an’io fahamarinana io eo amin’ny fiainantsika? Afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahantsika manasa ny Tompo hoe “diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko” ihany koa ireo mpianatra (andininy 23).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ilay lalana ety sy tery.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Raha te hahomby ny diantsika eo amin’ny fiainana dia mila manaraka ny fitarihan’ Andriamanitra isika. Hoy ny Tompo: -Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; tsy hiroanàhana, tsy hatahotra- [Fotopampianaran sy Fanekempihavanana 6:36] Ary nanoratra ny mpanao salamo hoe: -Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao- [Salamo 119: 105]. …

“Mandritra ny dianao mandritra ny fiainana dia ho tojo vato misakana maro ianao ary hanao hadisoana. Manampy anao hahafantatra ny lesoka ny torolalana ao amin’ny soratra masina ka hanao ny fanitsiana ilaina. Mitsahatra tsy mandeha amin’ny lalan-diso ianao. Halalininao tsara ny sari-tanin’ny lalana ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia miroso amin’ny fibebahana sy ny famerenana amin’ny laoniny takina ianao hiverenana eo amin’ny lalana -ety sy tery mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay- [2 Nefia 31:18]” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, Nov. 2000, 17).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo izay manana fahasahiranana. Indraindray ireo mpianatra manana fahasahiranana dia mila ampandraisina anjara fotsiny mba hahatsapany fa tiana izy. Asao izy ireo mba hilalao an-tsehatra ao amin’ny lesona manaraka ka asao izy ireo hanatrika ny kilasy, ary alaivo antoka fa misy mitondra mankany am-piangonana izy ireo. Aza milavo lefona raha toa izy ireo tsy miraika amin’ny ezaka ataonao amin’ny voalohany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)

Hamoaka printy