Testamenta Taloha 2022
29 aogositra–4 septambra. Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana”


“29 aogositra–4 septambra. Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: -Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“29 aogositra–4 septambra. Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
lehilahy iray mandalina ny soratra masina

29 aogositra–4 septambra

Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12

“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana”

Mety hitahy ny fiainan’ireo izay ampianarinao amin’ny fomba ahoana ireo hafatra ao amin’ny Ohabolana sy Mpitoriteny? Araho ireo bitsika sy fahatsapana azonao rehefa mandalina sy miomana hampianatra ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Misy hafatra mahafinaritra sy mahery vaika maro ao amin’ny Ohabolana sy Mpitoriteny. Mialoha ny hifanakalozana hevitra momba ireo andian-tsoratra masina manokana, araka ny tolo-kevitra etsy ambany, dia asao ny mpianatra hizara ireo tian’izy ireo indrindra avy tamin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina na niaraka tamin’ny fianakaviany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Ohabolana 1–4; 15–16; Mpitoriteny 1–3; 11–12

“Ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao.”

  • Averimberina manerana ny Ohabolana ny fanasana mba hikatsaka fahendrena sy fahatakarana. Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hizara izay nianarany momba ny fahendrena nandritra ny fandalinan’izy ireo? Mety ho fomba iray hanampiana ny manoratra hoe fahendrena eny amin’ny solaitrabe sy manasa ny mpianatra hanampy ny laharan’ireo andininy na ireo andian-teny avy ao amin’ny Ohabolana na Mpitoriteny izay tsapan’izy ireo fa mitondra fahatakarana momba ny fahendrena. (Raha mety hanampy dia azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra handalina ny Ohabolana 1–4; 15–16; Mpitoriteny 1–3; 11–12.) Inona no ianarantsika momba ny fahendrena avy amin’ireo soratra masina ireo? Ahoana no fomba hitahiana antsika rehefa mikatsaka fahendrena avy amin’ Andriamanitra isika?

Ohabolana 1:7; 2:5; 3:7; 8:13; 15:33; 16:6; 31:30; Mpitoriteny 12:13

“Aza manao anao ho hendry: matahora an’i Jehovah.”

  • Lohahevitra iray hafa hita manerana ny Ohabolana sy Mpitoriteny ny hoe “ny fahatahorana an’i Jehovah” (Ohabolana 1:7; jereo ihany koa ny Ohabolana 2:5; 3:7; 8:13; 15:33; 16:6; 31:30; Mpitoriteny 12:13). Angamba ireo mpianatra dia afaka mamaky ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hizara izay tsapan’izy ireo fa hevitry ny hoe matahotra ny Tompo. Inona no tsy mampitovy ny fahatahorana ny Tompo amin’ny karazana tahotra hafa? Afaka mizara hevi-baovao avy amin’ny fanazavana nataon’ny Loholona David A. Bednar izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianao.

Sary
vehivavy miaraka amin’ny voninkazo

Learning to Trust the Lord (Mianatra matoky ny Tompo), nataon’i Kathleen Peterson

Ohabolana 3:5–7

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.”

  • Ny mpianatra dia mety hankafy lesona aseho amin’ny fampiasan-javatra iray izay manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe “matoky an’i Jehovah” ary “[tsy] miankina amin’ny fahalalan[‘izy ireo]” (Ohabolana 3:5). Ohatra, azonao atao ny manasa mpianatra iray hiankina amin’ny zavatra mafy orina sy tsy mihetsiketsika toy ny rindrina. Avy eo ilay olona dia afaka manandrana miankina amin’ny zavatra tsy matanjaka, toy ny kifafa. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany fanehoana izany antsika hahatakatra ny Ohabolana 3:5? Inona no ampianarin’ny Ohabolana 3:5–7 momba ny dikan’ny hoe matoky ny Tompo? Nahoana no tsy fahendrena ny miankina amin’ny fahalalantsika manokana? Ahoana no nahatsapantsika ny Tompo nitarika ny diantsika rehefa natoky Azy isika?

Ohabolana 15:1–2, 4, 18,28; 16:24–32

“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.”

  • Mba hanampiana ny mpianatra hiresaka momba ny fomba hahafahan’izy ireo manana fiadanana kokoa sy hampihena ny fifandirana eo amin’ny fiainany dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Ohabolana 15:1–2,18; 16:32. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny zavatra niainany izay naneho ireo fahamarinana amin’ireo andininy ireo. Ohatra, oviana ny fampiasana “famaliana mora” no nanampy tamin’ny “[fampitoniana] ny fahatezerana mafy”? (Ohabolana 15:1). Na afaka mieritreritra fotoana izay nanehoan’ny Mpamonjy ohatra ny amin’izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo izy ireo (jereo ny Jaona 8:1–11; 18:1–11). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa mifandray amin’ny hafa isika?

  • Na dia tsy nahalala momba ny fantsom-pifandraisana maro misy amin’izao androntsika izao aza ny mpanoratra ny Ohabolana, ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 15 sy 16 dia azo ampiharina amin’ny endri-pifandraisana rehetra. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany dia azonao atao ny manasa ny olona tsirairay haka iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hovakiana: Ohabolana 15:1–2, 4, 18,28; 16:24, 27–30. Avy eo ny mpianatra dia afaka mamerina milaza ny ohabolana novakiny amin’ny endrika torohevitra momba ny fifandraisana amin’ny hafa amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra an-tsoratra na amin’ny Internet. Afaka mahita torohevitra fanampiny ao amin’ny “Langage” ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts (2011), 20–21 izy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia fitiavana Azy sy fahatokiana Azy.”

Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe:

“Araka izany ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia teraka noho ny fahatakarana marina ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny asa nanirahana Azy, fahavononana hampanoa ny sitrapontsika eo anatrehan’ny Sitrapony, ary fahalalana fa ny lehilahy sy vehivavy rehetra dia ho tompon’andraikitra amin’ny fahotany ihany amin’ny Andron’ny Fitsarana.…

“Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia fitiavana Azy sy fahatokiana Azy. Rehefa feno kokoa ny fahatahorantsika an’ Andriamanitra dia tanteraka kokoa ny fitiavantsika Azy. Ary -ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra rehetra- (Môrônia 8:16). Mampanantena aho fa ny hazavana mamiratra avy amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia handroaka ny aloka maizin’ny tahotry ny fiainana an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:25) rehefa mibanjina ny Mpamonjy isika ka miorina eo Aminy sy manao Azy ho fototra, ary mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany omban’ny fanolorantena masina” (“Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Liahona, mey 2015, 48–49).

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Tsy misy fomba tsara kokoa hampitomboana ny finoan’ireo izay ampianarinao afa-tsy ny fampifantohana ny lesona amin’ny Mpamonjy. Mandritra ny fampianaranao dia asao ny mpianatra mba hanorina fototra “eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra” (Helamàna 5:12).

Hamoaka printy