Testamenta Taloha 2022
12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35: “Asa mahagaga sy mahatalanjona”


“12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35: -Asa mahagaga sy mahatalanjona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady 2022 (2021)

“12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Joseph Smith mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny Alakely Masina

Alakely Masina, nataon’i Brent Borup

12–18 septambra

Isaia 13–14; 24–30;35

“Asa mahagaga sy mahatalanjona”

Mialoha ny hahafahanao manampy ny hafa hahita fahamarinana ao amin’ny bokin’i Isaia dia mila mahita manokana fahamarinana ianao. Rehefa mamaky ianao mandritra ity herinandro ity dia diniho hoe fahamarinana inona no tsapanao fa ilaina antitranterina mandritra ny fotoam-pianarana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny Isaia dia azonao anontaniana azy ireo ny fomba hamaliany ny olona iray izay miteny hoe, “Sarotra takarina tsotra izao fotsiny ny bokin’i Isaia.” Inona no nanampy antsika hahita ny hevitra fonosin’ireo fampianaran’i Isaia? Andalan-tsoratra masina inona no nanentana antsika?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Isaia 24:21–23; 25:6–8; 26:19; 28:16

Ny asasoratr’i Isaia dia mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy.

  • Tahaka an’i Nefia, ny olona ao amin’ny kilasinao dia mety ho finaritra tamin’ny vavolombelona nomen’i Isaia momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:2). Azonao angatahana izy ireo hizara izay mety ho andinin-tsoratra masina nampianatra azy ireo momba ny Mpamonjy hitany nandritra ny famakiany. Na azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny Isaia 24:21–23; 25:6–8; 26:19; 28:16 na andinin-tsoratra masina hafa hitanao tamin’ny fandalinanao. Nahoana no manan-danja amintsika ireo fahamarinana ireo?

    Sary
    I Jesoa Kristy manao akanjo mena

    He Comes Again to Rule and Reign (Miverina indray Izy mba hanapaka sy hanjaka), nataon’i Mary R. Sauer

Isaia 24:1–5; 28:1–8; 29:7–10; 30:8–14

Ny apôstazia dia midika hoe fialana amin’ny Tompo sy ny mpaminaniny.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny hisaintsainana momba ireo sarin-teny sasany ampiasain’i Isaia mba hamariparitana ny vokatry ny fialana amin’ny Tompo sy ny fandavana ireo mpaminaniny. Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany. Na azonao asaina izy ireo tsirairay avy hijery ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto: Isaia 24:1–5; 28:7–8; 29:7–10; 30:8–14. Mifototra avy amin’ny zavatra novakiany, azon’izy ireo fenoina ity fehezan-teny manaraka ity: “Raha miala amin’ny Tompo isika dia toy ny…” Inona no azontsika atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny Tompo sy hisorohana ny apôstazia? (Jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hahitana soso-kevitra.) Ahoana no hitahian’ny Tompo an’ireo izay mijanona ho mahatoky Aminy?

  • Ho fanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo toe-tsaina sy fitondran-tena mety hitarika antsika amin’ny apôstazia dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ao amin’ny Isaia 24:1–5; 28:1–8; 29:7–10; 30:8–14. Angataho izy ireo hikaroka zavatra izay neritreretin’ny olona tamin’ny vaninandron’i Isaia sy nataon’izy ireo. Manorata soratra fampitandremana eny amin’ny solaitrabe milaza hoe Fampitandremana: Izao toe-tsaina sy fitondran-tena manaraka izao dia mety hitarika amin’ny apôstazia. Ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Omeo fahafahana izy ireo hizara ny fomba iarovany ny tenany na ny fianakaviany amin’ny apôstazia.

Isaia 29:13–24; 30:18–26;35

Afaka manarina ny zavatra izay very na simba ny Tompo.

  • Ity dia fanontaniana azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ka afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny Isaia 29: Inona no ifandraisan’ny zavatra nosoratan’i Isaia amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao androntsika izao? Amporisiho izy ireo hieritreritra momba io fanontaniana io eo am-pamakiany am-pahanginana ny Isaia 29:13–24. Raha mila fanampiana izy ireo dia azony jerena ihany koa ny andalan-tsoratra masina toy ireto manaraka ireto: 2 Nefia 27:6–26; Joseph Smith—Tantara 1:17–19, 63–65. Rehefa avy niresaka momba ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny antony maha teny tena tsara ny “zava-mahagaga” sy ny “mahatalanjona” (Isaia 29:14) hamariparitana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Inona no ianarantsika momba ny Famerenana amin’ny laoniny avy amin’ “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona”? (ChurchofJesusChrist.org).

  • Ny toko 30 sy 35 ao amin’ny Isaia dia ahitana andalan-tsoratra masina maromaro afaka mampitsiry finoana lehibe kokoa ny herin’ny Tompo hitahy ireo izay mitodika Aminy. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ireo andalan-tsoratra masina ireo dia azonao asaina izy ireo handalina na ny Isaia 30:18–26 na ny Isaia 35. Angataho izy ireo hizara teny na andian-teny hitany ka afaka manampy ny olona iray hitodika amin’ny Tompo mba hahazo fanavotana.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo sy ny Fiangonany.

Ny Filoha M. Russell Ballard dia nanome izao torohevitra manaraka izao mba hanampiana antsika hijanona ho mahatoky amin’ny Tompo sy ny Fiangonany:

“Mila miaina fiovam-po tsy tapaka isika amin’ny alalan’ny fampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahatokiantsika amin’ny filazantsarany mandritra ny androm-piainantsika—tsy indray mandeha monja, fa atao tsy tapaka [jereo ny Almà 5:26].…

“…Ny tenin’ny Tompo dia hita ao anatin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo apôstôly ary mpaminany. Manoro hevitra sy manome fitarihana ho antsika izy ireo ka rehefa arahina dia ho toy ny salotra ara-panahy mampitsinkafona eny ambony rano ary hanampy antsika hahafantatra ny fomba hamikirana amin’ny tanana roa.…

“Mila manao toy ireo zanakalahin’i Môzià isika ary manolotra ny tenantsika hanao -fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina- ankoatra ny fiezahana hanana fahazarana hamaky samirery ny soratra masina [Almà 17:3]” (“Mijanòna ao anaty sambo dia mamikira!Liahona, nôv. 2014, 90–91).

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa fahatokiana ny fahaiza-manao ananan’ireo mpianatra. Mety tsy manana fahatokiana ny amin’ny fananan’izy ireo fahaizana mianatra ny filazantsara ny mpianatrao sasany. Omeo toky izy ireo fa rehefa miezaka mianatra izy ireo dia hampianatra azy ireo ny Fanahy Masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29–30.)

Hamoaka printy