Testamenta Taloha 2022
19–25 septambra, Isaia 40–49: “Hampaherezo ny vahoakako”


“19–25 septambra, Isaia 40–49: -Hampaherezo ny vahoakako-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“19–25 septambra, Isaia 40–49,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
i Jesoa nanasitrana lehilahy jamba iray

Healing the Blind Man (Manasitrana ilay lehilahy jamba), nataon’i Carl Heinrich Bloch

19–25 septambra

Isaia 40–49

“Hampaherezo ny vahoakako”

Mety hisalasala ny olona sasany hizara ny eritreriny ao an-dakilasy satria mahatsapa izy ireo fa tsy mahalala tsara ny soratra masina. Ahoana no hanampianao ny mpianatra rehetra hahatsapa fa manan-danja ny hevi-baovao ara-panahy entin’izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao atao ny manoratra fanontaniana toy izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Inona no nampianarin’ny Fanahy anao rehefa nandalina ny Isaia 40–49 ianao? Afaka misaintsaina io fanontaniana io ny mpianatra dia manoratra valin-teny, ary afaka mizara ny eritreriny ny vitsivitsy amin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Isaia 40–49

Afaka mankahery sy manome fanantenana ho antsika i Jesoa Kristy.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manome soso-kevitra ny hikarohana ireo hafatra feno fampiononana sy fanantenana ao amin’ny Isaia 40–49 ary mitanisa andalana sasany entina manomboka. Azonao angatahana ireo olona ao amin’ny kilasy hizara izay mety ho hafatra hitany. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny antony mety nanampian’ireo hafatra ireo ny Jiosy izay babo ary ny fomba hanampian’izany antsika ankehitriny. Azonao atao koa ny mizara amin’izy ireo ireo andalana hitanao tamin’ny fandalinanao manokana. Inona no tian’ny Tompo ho fantatsika momba Azy? Ahoana no hampaherezany antsika? Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny “Tompo” ao amin’ny Testamenta Taloha dia entina iantsoana an’i Jehovah, na i Jesoa Kristy.

  • Ny fihirana “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah.12) dia nosintonina tamin’ny tenin’i Isaia ao amin’ny Isaia 41:10; 43:2–5; 46:4. Rehefa avy namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo sy nihira andininy mifandray amin’ny lesona ao amin’ilay fihirana ireo mpianatra dia afaka miresaka momba ny fotoana nahatsapan’izy ireo fa niaraka tamin’izy ireo ny Tompo ary ny fomba nanampian’ny zavatra niainany azy ireo “tsy hatahotra”.

Sary
I Jesoa nipetraka tamin’ny tany ary nampianatra olona

“Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy” (Isaia 40:11).

Isaia 40:1–3, 9–11; 43:8–13; 48:20–21; 49:1–9

“Ianareo no vavolombeloko.”

  • Inona no atao hoe vavolombelon’”ny Tompo? Azon’ny mpianatra atao ny misaintsaina ity fanontaniana ity rehefa mamaky ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto izy ireo: Isaia 40:1–3, 9–11; 48:20–21; 49:1–9. Ilay teny nambara hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanolotra valin-teny vitsivitsy ihany koa. Inona no dikan’ny hoe “vaovao mahafaly” izay zaraintsika amin’ny maha-vavolombelon’ny Tompo antsika? Inona ao amin’ireo andininy ireo no manampy “tsy hatahotra” hizara ny tenivavolombelontsika? (Isaia 40:9). Ny mpianatra dia afaka miresaka momba ireo fahafahana ananany mba ho vavolombelon’ny Tompo sy ny fomba hahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona ananany mitahy ny hafa.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fampianarana ao amin’ny Isaia 43:8–13 dia azonao atao ny manasa azy ireo haka sary an-tsaina hoe nantsoina hijoro eo amin’ny toerana ho an’ny vavolombelona ao amin’ny fitsarana iray izy ireo. Amin’ity fitsarana ity dia i Jesoa Kristy no voampanga ho nanao ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Isaia 43:11. Raha nantsoina ho vavolombelona hanohana ny fanambarana nataon’i Jesoa isika (jereo ny andininy 10), inona no fijoroana ho vavolombelona azontsika atolotra? Inona no porofo avy amin’ny fiainantsika handeha hovelabelarintsika?

Isaia 48:10; 49:13–16

Afaka manadio antsika amin’ny alalan’ny fahoriantsika ny Tompo.

  • Angamba azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba hanampian’ireto teny nataon’ny Loholona Quentin L. Cook ireto antsika hahatakatra ny Isaia 48:10: “Ireo toetra tsara sy ny fahamarinan-toetra voizina ao anatin’ny toe-javatra sarotra dia mahatonga antsika ho tanteraka sy manadio antsika” (“Ireo hira izay tsy mba azon’izy ireo nohiraina,” Liahona, nôv. 2011,106). Azon’izy ireo atao ihany koa ny miresaka momba ny fomba nanampian’ny “memy fahoriana” azy ireo manokana hanadio azy ireo ara-panahy. Ahoana no anampian’ny Isaia 49:13–16 antsika rehefa ory isika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mijoroa ho vavolombelona.

Ny Filoha Margaret D. Nadauld dia nanazava ny dikan’ny hoe “mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9):

“Rehefa mijoro ho vavolombelona amin’ny fotoana rehetra isika dia mampanantena ny ho tia ny Tompo, hanome voninahitra Azy amin’ny fotoana rehetra — na antoandro na alina, na fahavaratra na ririnina, na fotoam-pifaliana na fotoan-tsarotra — ho tia ny Tompo sy hamela izany fitiavana izany hiseho amin’ny alalan’ny fomba fiainantsika.…

“Ny mijoro ho vavolombelona amin’ny zavatra rehetra dia midika hoe ny zavatra rehetra—zavatra lehibe, zavatra kely, amin’ny resaka rehetra, amin’ny vazivazy, amin’ny kilalao ary amin’ny boky vakina sy mozika henoina, amin’ny foto-kevitra tohanana, amin’ny fanompoana atao, amin’ny akanjo anaovana, amin’ny namana noraisina.…

“Farany, milaza isika fa hijoro ho vavolombelona amin’ny toerana rehetra. Midika izany fa tsy amin’ny toerana ho an’ny sarambabem-bahoaka ihany fa amin’ny toerana manokana, ao amin’ny miafina, ao amin’ny maizina na amin’ny toerana mazava; any am-piangonana, any an-tsekoly, any an-trano, na ao anaty fiara; amin’ny toerana an-tendrombohitra na toerana amoron-dranomasina; eny amin’ny arabe na any amin’ny valan-javaboary.…

“Rehefa mieritreritra ny halehiben’ny fanomezana natolotry [ny Mpamonjy] ho antsika isika, inona no zavatra kely azontsika atao ho azy sy ho an’ny Raintsika any An-danitra izay naniraka Azy? Afaka mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’ Izy Ireo sy ny fampianarany amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra isika” (“Stand as a Witness,” Ensign, May 2000, 93,95).

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny olona hianatra amim-pahavitrihana. “Ny mpianatra no tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fianarany manokana. Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hanaiky sy hanatanteraka io andraikitra io” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,29).

Hamoaka printy