Testamenta Taloha 2022
5–11 septambra. Isaia 1–12: “Andriamanitra no famonjena ahy”


“5–11 septambra. Isaia 1–12: -Andriamanitra no famonjena ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“5–11 septambra. Isaia 1–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
mpaminany fahiny manoratra

Nilaza mialoha ny fahaterahan’i Kristy ny Mpaminany Isaia, nataon’i Harry Anderson

5–11 septambra

Isaia 1–12

“Andriamanitra no famonjena ahy”

Diniho ireo fomba izay hahafahana mamporisika ny mpianatra hizara ny fahatsapana sy ny fahatakarana azony nandritra ny fandalinana nataon’ny tena manokana sy niarahana tamin’ny fianakaviana nataon’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso hevitra mba hahatakarana ny asasoratr’i Isaia. Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny fomba nanampian’ny iray amin’ireo hevitra ireo, na zavatra hafa, azy ireo mba hianatra avy amin’ny Isaia 1–12.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Isaia 1–12

Ho tanteraka ny tenin’i Isaia rehetra.

  • Raha niresaka momba an’i Isaia ny Mpamonjy dia nampianatra fa “ny zavatra rehetra izay noteneniny dia efa nisy sy mbola hisy, araka ny teny izay noteneniny” (3 Nefia 23:3). Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba an’i Isaia amin’ny fizarana ity soratra masina ity sy ny teny voalaza ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Azonao atao avy eo ny manoratra ny hoe Andron’i Isaia, Ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tety an-tany, ary Ny andro farany eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mitady ao amin’ny Isaia 1–12 andalan-tsoratra masina mahakasika ny andian-teny iray na maromaro eny amin’ny solaitrabe (ohatra, Isaia 2:1–5; 7:1–7; 7:10–14; 9:2–7; 10:20; 11:10; 12:1). Nahoana no fitahiana ny fananana ireo faminaniana ireo amin’izao vaninandro izao?

Isaia1; 3;5

“Mitsahara, fa aza manao ratsy.”

  • Azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany avy amin’ny fandalinany manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviany ny Isaia 1, 3,5 momba ny toetoetra ara-panahin’ny Fanjakan’i Joda tamin’ny andron’i Isaia. Azon’izy ireo jerena ireo toko ireo mba hamoronana lisitra ahitana andinin-tsoratra masina sy ny toetoetra voafariparitra ao amin’izany. Inona no hafatra feno fanantenana hitantsika ao amin’ireo toko ireo? (Raha ilaina dia azonao atao ny manoro an’ireo olona ao amin’ny kilasy ny Isaia 1:16–20, 25–27; 3:10.) Raha toa ka nanana hafatra ho antsika ny Joda fahiny, dia mety ho inona izany?

  • Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mody manao hoe miaina ao Jerosalema tamin’ny fotoana naminanian’i Isaia izy ireo. Azonao atao ny manao tafa sy dinika amin’ny sasany amin’izy ireo, ka anontanio azy ireo izay zavatra nolazain’i Isaia sy ny zavatra tsapan’izy ireo momba izany. Ohatra, azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hiresaka momba ny tenin’i Isaia hita ao amin’ny Isaia 1:16–20; 3:16–26; 5:20–23. Inona no voalazan’i Isaia ka mitaona antsika hibebaka?

Isaia 2; 4; 11–12

Hanao asa lehibe iray Andriamanitra amin’ny andro farany.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny fomba hahatanterahan’ny faminanian’i Isaia ankehitriny momba ny andro farany dia azonao atao ny mifantina andininy sasany avy ao amin’ny Isaia 2; 4; 11–12 (toy ny Isaia 2:2–3; 4:5–6). Dia angataho ny olona ao amin’ny kilasy hitady ireo matoanteny amin’ny filazam-potoana hoavy ao amin’ireo andininy ireo (toy ny “haorina” na “hiainga”). Asao izy ireo hanolo ny sasany amin’izany amin’ny matoanteny amin’ny filazam-potoana ankehitriny (toy ny hoe “aorina” na “miainga”). Amin’ny fomba ahoana no ahatanterahan’ireo faminaniana ireo eo amin’ny fiainantsika ankehitriny? Nahoana no manan-danja ny fahafantarana momba ireo faminaniana ireo?

  • Azonao hazavaina fa rehefa nitsidika an’i Joseph Smith tamin’ny 1823 i Môrônia dia nitanisa ny Isaia 11 izy ary nilaza fa efa mby ho tanteraka izany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:40; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6). Afaka mamaky andininy vitsivitsy ao amin’ny Isaia 11 (toy ny andininy 6–12) ny olona ao amin’ny kilasy ary mamintina amin’ny teniny manokana ny zavatra izay hitan’i Isaia mialoha. Inona no anjara asantsika amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana ireo?

Sary
vehivavy mihazona zazakely

“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika” (Isaia 9:5).

Isaia 7–9

Naminany momba an’i Jesoa Kristy i Isaia.

  • Azonao atao ny manontany ny olona ao amin’ny kilasy ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andalan-tsoratra masina toy ny Isaia 7:14; 8:13–14; 9:2, 6–7. Ohatra, nahoana no anarana tsara fiantsoana ny Mpamonjy ny hoe Imanoela? (jereo ny Matio 1:23). Ahoana no maha-“Mpanolo-tsaina” na “Andrian’ny fiadanana” an’i Jesoa Kristy ho antsika? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ihany koa ny mizara andalan-tsoratra masina hafa hitany tao amin’ny Isaia 1–12 ka mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba Azy?

  • Mialoha ny fotoam-pianarana, dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hitondra sarin’i Kristy izay tsapany fa maneho ny iray amin’ireo famariparitana ny Mpamonjy hita ao amin’ny Isaia 7–9. Omeo fotoana izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana mba hampiseho ny sary nentiny ary hanazava ny ifandraisan’izany amin’ny tenin’i Isaia.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mety ho tanteraka amin’ny endriny maro ny faminanian’i Isaia.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny bokin’i Isaia dia ahitana faminaniana maro izay toa tanteraka amin’ny endriny maro. Ny anankiray amin’izany dia mahakasika ny olona tamin’ny andron’i Isaia na ny toe-javatra niainan’ny taranaka nanaraka. Ny anankiray hafa, izay matetika ara-tsarinteny, dia toa milaza tranga amin’ny mitataovovonan’ny fotoana, raha noravana i Jerosalema ary naparitaka ny olony taorian’ny fanomboana ny Zanakalahin’ Andriamanitra tamin’ny hazofijaliana. Ny heviny na fahatanterahany iray hafa ny amin’ny faminaniana iray ihany dia toa mifandray amin’ireo zavatra hitranga amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny fananan’ireo faminaniana ireo heviny maro dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fikatsahantsika fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hahafantatra ny hevitr’izy ireny” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, Jan. 1995,8).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny Fanahy. “Ny hira masina, ny soratra masina, ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany, ny fanehoana fitiavana sy fizarana fijoroana ho vavolombelona, ary ireo fotoana handinihan-tena mangina dia afaka manasa daholo ny fanatrehan’ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,10).

Hamoaka printy