Testamenta Taloha 2022
26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”


“26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57: -Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta taloha 2022 (2021)

“26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Kristy manao satroka tsilo sy norabirabian’ny miaramila

The Mocking of Christ (Ny fandrabirabiana an’i Kristy), nataon’i Carl Heinrich Bloch.

26 septambra–2 ôktôbra

Isaia 50–57

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”

Ny fomba manan-danja indrindra hiomanana hampianatra dia ny mamaky sy misaintsaina ny soratra masina. Inona no tsapanao sy ianaranao rehefa mamaky ny Isaia 50–57 ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba handrisihana ny mpianatra hizara ny zavatra niainany teo am-pamakiana ny Isaia 50–57, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe fehezan-teny iray toy ny hoe Nampatanjahana ny finoako an’i Jesoa Kristy rehefa namaky … aho Asao ny mpianatra hizara ny fomba hamenoan’izy ireo ilay fehezan-teny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Isaia 50–52

Mamiratra ny ho avy ho an’ny vahoakan’ny Tompo.

  • Misy fotoana hahatsapantsika rehetra ho osa. Mba hanampiana ny mpianatra hiantehitra amin’ny herin’ny Tompo dia azonao atao ny manendry azy ireo tsirairay hamaky andininy vitsivitsy avy amin’ny Isaia 51–52 ary hizara ny zavatra hitany izay hampatanjaka ny olona iray mahatsiaro ho osa na kivy. Azonao atao koa ny manamarika fa ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia namerina ny sasany tamin’ny tenin’i Isaia tamin’ny olona tany Amerika fahiny (jereo ny 3 Nefia 20:32–45). Manampy inona amin’ny fahatakarantsika mikasika ny fotoana hahatanteraka ireo faminaniana ireo ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 20:30–34?

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manolotra ny lisitry ny zavatra rehetra asain’ny Tompo ataontsika ao amin’ny Isaia 50–52. Angamba afaka mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra ary miresaka momba ny dikan’ireo fanasana ireo amin’izy ireo. Azonao atao ny mifantoka amin’ireo fanasana ao amin’ny Isaia 51:1–2, 6–8; 52:1–3, 9–11. Ahoana no ahafahantsika manao asa araka ireo fanasana ireo? Azonao atao ny manamarika fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–10 dia manome fanazavana nentanim-panahy momba ny Isaia 52:1-2. Manampy inona amin’ny fahatakarantsika ireo teny ireo?

Sary
sary sokitr’i Kristy mitondra hazofijaliana

Because of Love (Noho ny fitiavana), nataon’ilay mpanao sary sokitra Angela Johnson

Isaia 52: 13–15; 53

Nentin’i Jesoa teo Aminy ny fahotantsika, sy ny alahelontsika.

  • Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ireo tenin’i Isaia ao amin’ny Isaia 53, dia azonao atao ny mampiseho sary maromaro maneho ireo trangan-javatra manodidina ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56–60). Dia azonao atao avy eo ny mangataka ny mpianatra hitady andian-teny ao amin’ny Isaia 53 izay mamariparitra ireo trangan-javatra ao amin’ireo sary. Inona no ampianarin’ireo tenin’i Isaia mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy ho antsika? Inona no tolo-kevitra omen’ireo momba ny antony nijaliany ho antsika? Mamporisika antsika hanao inona ireo fampianarana ireo?

  • Mba hanasana ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Isaia 52:13–15; 53, dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina ireo mandritra ny fotoana handefasanao ny rakipeon’ny hira iray momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hitady ireo teny na andian-teny ao amin’ny soratra masina izay tsapan’izy ireo fa manan-danja manokana. Avelao izy ireo hizara ny zavatra hitany sy ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy. Asao ihany koa ny mpianatra hamaky ny Môzià 15:10–12, izay nanazavan’i Abinadia ny dikan’ilay andian-teny hoe “ny taranany.” Ahoana no anampian’izany antsika hahatakatra ny Isaia 53:10?

Isaia 54

Tian’i Jesoa Kristy hiverina Aminy isika.

  • Ny fandalinana ny Isaia 54 dia mety hanome aingam-panahy ho an’ireo mpianatra izay mahatsapa ho kivy noho ny fahotany na ny fahalemeny. Azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina ny toko 54 ka hitady ireo andian-teny na andininy izay mampiseho ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba antsika. Inona no tiany ho tsapantsika momba ireo fahotana sy fahalementsika taloha? Inona no tiany ho tsapantsika momba Azy? Amporisiho ny mpianatra hizara izay mety ho zavatra hafa nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy tamin’ity toko ity. Ilay teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka manana fanantenana isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra hoe:

“Tsy maninona na mety ho hita ho simba tanteraka toy ny ahoana aza ny fiainantsika. Tsy maninona na toy ny ahoana aza ny fahamelohantsika noho ny fahotana, na ratsy fanahy manao ahoana isika, na irery sy very ary maratra manao ahoana ny fontsika. Na ireo tsy manana fanantenana aza, na miaina ao anatin’ny fahadisoam-panantenana, na ireo nitsipa-pitokisana, na ireo tsy niaina tamim-pahamarinana intsony, na niala tamin’ Andriamanitra dia azo aorina indray. …

“Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia izao: noho ny drafitry ny fahasambarana mandrakizay nomen’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy amin’ny alalan’ny sorona tsisy fetran’i Jesoa Kristy dia tsy hoe afaka ny ho voavonjy amin’ny toetran’ny fahalavoana sy haverina ho amin’ny fahadiovana fotsiny isika, fa afaka ny hivoatra mihoatra izay azon’ny sain’olombelona takarina ihany koa ka ho lasa mpandova ny fiainana mandrakizay sy mpandray anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra izay tsy hay lazaina ny halehibeny” (“Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody,” Liahona, mey 2016,102).

Manatsara ny fampianarantsika

Manàna fiainana izay mendrika ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Rehefa miaina ny filazantsara am-pahamendrehana ianao, dia mendrika ny hanana ny Fanahy Masina, izay mpampianatra tsara indrindra. Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao, dia hanome anao eritreritra sy fahatsapana ary hevitra novolavolainao manokana momba ny fomba hanomezana izay zavatra ilain’ireo izay ampianarinao Izy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5.)

Hamoaka printy