“3–9 ôktôbra. Isaia 58–66: -Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta taloha 2022 (2021)
“3–9 ôktôbra. Isaia 58–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022
3–9 ôktôbra
Isaia 58–66
“Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona”
Rehefa mandalina ny fotopampianarana mahafinaritra ao amin’ireto toko ireto ianao dia asao ny Fanahy hitarika anao amin’ireo hafatra izay ho manan-danja indrindra ho an’ny mpianatra.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra eo amin’ny solaitrabe ireo toko sy andininy izay nitondra fanentanam-panahy ho azy ireo nandritra ny fandalinany manokana na niaraka tamin’ny fianakaviana tamin’ity herinandro ity. Azon’ny iray kilasy atao avy eo ny mijery ireo andininy ireo ary miresaka momba ireo fahamarinana hita ao. Ireo hevi-baovao ireo dia afaka mitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny iray na maromaro amin’ireo fitsipika voatanisa etsy ambany.
Ampianaro ny fotopampianarana
Mitondra fitahiana ny fifadian-kanina.
-
Mba hanampiana ny mpianatra hiresaka momba ny antony sy ny fomba nandidian’ny Tompo antsika hifady hanina dia azonao atao ny mamorona tsanganana roa eo amin’ny solaitrabe misy soratra hoe “Tsy hifady hanina tahaka ny ataonareo ianareo anio” sy ny “Ny fifadian-kanina nofidiako.” Avy eo ny mpianatra dia afaka mamaky ny Isaia 58:3–7, sady mameno ny tsanganana voalohany amin’ireo famaritana ny fomba nifadian’ny Isiraelita hanina sy ny tsanganana faharoa amin’ireo famaritana ny fifadian-kanina araka ny fikasan’ny Tompo. Inona no fiantraikan’ireo famaritana ireo amin’ny fomba fahitantsika ny fifadian-kanina? Ireo mpianatra dia afaka mizara ihany koa, araka ny zavatra niainany, ny fomba nitarihan’ny fifadian-kanina nankamin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo ao amin’ny andininy 8–12.
-
Ny mpianatra sasany dia mety niaina zavatra izay nanazavainy tamin’ny hafa ny antony hifadiantsika hanina. Asao izy ireo hizara ny zavatra nolazainy. Azonao atao koa ny manasa mpikambana iray ao amin’ny episkôpà hiresaka momba ny fomba fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Na azonao atao ny mizara ny iray amin’ireo ohatra avy ao amin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe “Tsy izao va no fifadian-kanina izay ankasitrahako?” (Liahona, mey 2015, 22–25). Ahoana no anampian’ny fifadian-kanina sy ny fandoavana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba “[h]amaha ny enta-mavesatra” ho an’ny tenantsika sy ny hafa? (Isaia 58:6).
I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.
-
Rehefa nanambara tamin’ny mponin’i Nazareta i Jesoa Kristy fa Izy no Mesia, dia naka teny avy tao amin’ny Isaia 61:1–3 Izy (jereo ny Lioka 4:16–21. Angamba afaka mamaky ny Isaia 61:1–3 ny mpianatra ary miresaka momba ny antony mahatonga ireo andininy ireo ho famaritana tsara ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy. Azonao atao ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra tsirairay nanendrena ny Mpamonjy dia resaho ny dikan’ny tsirairay avy amin’izany. Ahoana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ireo lafin’ny asa nanirahana Azy ireo nandritra ny fiainany teto an-tany? Ahoana no nanatanterahany izany teo amin’ny fiainantsika?
-
Afaka mamaky ny Isaia 63:7–9 ihany koa ny mpianatra ary mizara ny fomba nitahian’i Jesoa Kristy azy ireo tamin’ireo fomba ireo.
-
Ny Isaia 61:1–3 dia mampiasa fiteny kanto sy amin’ny endrika tononkalo hamaritana ny herin’i Jesoa Kristy mba hanavotana izay toa rava. Mba hanampiana amin’ny fanehoana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia tantarao ny momba ny zavatra iray izay noheverina fa very na simba kanefa nivadika zavatra tsara tarehy kokoa aza. Ohatra, jereo ilay tantara any am-piandohan’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf “Ataony eo an-tsorony ianao dia entiny mody” (Liahona, mey 2016, 101–4). Afaka miresaka momba ny fomba nahitan’izy ireo ny Tompo nanome zavatra mahafinaritra ho an’olona ny mpianatra rehefa nieritreritra izy ireo fa simba ny fiainany.
Amin’ny Fiaviany Fanindroany dia “hahary lanitra vaovao sy tany vaovao” ny Tompo.
-
Ny Isaia 65:17–25 dia mamaritra ny toe-piainana eto an-tany aorian’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina ireo sady hikaroka ny valin’ny fanontaniana toy izao: Inona no maha samy hafa ny fiainana eo amin’ilay “tany vaovao” amin’ny fomba fiainana eto an-tany ankehitriny? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mahatonga anao hifaly?
Loharanom-pitaovana fanampiny
Ny Tompo dia “tsy mamela antsika ao anaty lavenona.”
Rehefa avy nitantara ny fomba saika namotehan’ny afo ny Tabernakelin’i Provo, izay navela natsangana indray taty aoriana ho lasa ny Tempolin’ny Provo City Center, ny Rahavavy Linda S. Reeves dia niteny hoe: “Mamela antsika mba hotsapaina sy hozahan-toetra ny Tompo ary indraindray dia hatrany amin’izay farany indrindra zakantsika. Nahita ny fiainan’ireo olon-tiantsika isika, ary koa ny an’ny tenantsika, toy ny kilan’ny afo ary tsy misy raisina intsony ka manontany tena hoe nahoana no namela ny zavatra toy izany hitranga ny Ray any An-danitra be fitiavana sy tia miahy. Kanefa tsy mamela antsika amin’izao Izy. Mitsangana miaraka amin’ny tanana mivelatra Izy ary manasa antsika amin’ny fony hanatona Azy. Manorina ny fiainantsika ho lasa tempoly kanto dia kanto Izy, izay azon’ny Fanahiny hitoerana mandrakizay.” (“Takio ireo fitahian’ny fanekempihavananao,” Liahona, nôv. 2013,119).