Testamenta Taloha 2022
24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: “Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”


“24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: -Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“24–30 ôktôbra. “Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

I Jesoa mitarika ondry

Avia, hanaraka Ahy, nataon’i Scott Sumner

24–30 ôktôbra

Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47

“Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”

Ny tenin’i Ezekiela dia notehirizin’ny Tompo ho an’ny tanjona hendry ary afaka mitahy ireo mpianatrao. Saintsaino izany rehefa mandalina ny asa soratr’i Ezekiela ianao amin’ity herinandro ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ireo olona izay nandre an’i Ezekiela dia nieritreritra fa ny teniny dia “mamy” sy “mahafinaritra”, “nefa tsy [n]ety [n]ankatò azy” (jereo ny Ezekiela 33:30–33). Ny mpianatra dia afaka mizara andalana iray hitany tao amin’ny asa soratr’i Ezekiela izay nanentana ny fanahin’izy ireo hanao zavatra.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Ezekiela 34

Manasa antsika hamahana ny ondriny ny Tompo.

Mba hanampiana ny mpianatra hisintona lesona ho an’ny tena manokana ao amin’ny Ezekiela 34, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo toe-javatra mety atrehin’izy ireo, toy ny fiomanana hanao asa fitoriana, hitaiza zanaka, na ny fandraisaina fanendrena amin’ny fanompoana. Afaka misafidy iray hosaintsainina ny mpianatra rehefa mamaky mangina ny Ezekiela 34:1–10. Asao izy ireo hizara ny torohevitra mifototra amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay azony omena olona iray ao amin’ilay toe-javatra nofidiany. Inona no dikan’ny hoe mamahana ny tenantsika fa tsy ny ondrin’ny Tompo? Ahoana no ahafahantsika ho tonga mpiandry ondry toa an’ny Mpamonjy? (jereo ny andininy 11–16).

Mety hahatsapa ho taomim-panahy ianao hametraka fanontaniana izay manampy ny mpianatra hisaintsaina ny tandindona ao amin’ny Ezekiela 34:11–31. Ohatra, inona no mety asehon’ilay “tany tsara” sy ny “fiandrasana tsara ahitra” ao amin’ny andininy 14? Inona no mahasamihafa ny ondry “very” sy ny “voaroaka”? (andininy 16). Ahoana no fomba hamonjen’ny Mpamonjy ireo karazana ondry roa ireo? Afaka mizara tandindona hafa hitany ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra ary miresaka momba izay zavatra ampianarin’ireo tandindona ireo azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Ezekiela 37

Manangona ny olony ny Tompo ary manome azy ireo fiainana vaovao.

  • Ny famakiana ny Ezekiela 37 sy ny fieritreretana momba ny fampanantenan’ny Tompo fa hanangona an’i Isiraely dia afaka manome antsika hevi-baovao momba ny dikan’ny fanangonana sy ny fandraisantsika anjara amin’izany. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo hevi-baovao ireo dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Inona no ezahin’ny Tompo tanterahina amin’ny alalan’ny fanangonana an’i Isiraely? Ahoana no anatanterahany izany? Azonao atao ny mangataka ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Ezekiela 37:1–14 ary ny antsasany hafa kosa hamaky ny Ezekiela 37:15–28 eo am-pikarohan’izy ireo ireo hevi-baovao entin’ireo andalana roa omena ireo momba ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Mety hanampy ny manazava fa ny tapa-kazon’i Josefa sy i Joda voalaza ao amin’ny andininy 16–19 dia maneho ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly. Rehefa mizara ny valin-teniny ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hiresaka momba ny andraikiny amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.

tany efitra sy Ranomasina Maty

Nahita ony mikoriana avy tao amin’ny tempoly i Ezekiela ary nanasitrana ny Ranomasina Maty.

Ezekiela 47:1–12

Ny tempoly dia mitondra fanasitranana ara-panahy.

  • Ireo sary dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ilay fahitana voalaza ao amin’ny Ezekiela 47:1–12. Ohatra, azonao atao ny mampiseho sarina tempoly, renirano, tany efitra ary ny Ranomasina Maty (jereo ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ireo sary ao amin’ny Baiboly, lah., “Tany efitr’i Jodia”). Mety hanampy ny fanazavana fa ny Ranomasina Maty dia tena masira ka tsy afaka miaina ao ny trondro sy ny zavamaniry. Afaka mamaky ny andininy 1–12 ny mpianatra ary mizara ny zavatra nanaitra azy ireo momba ireo rano voalaza ao amin’ilay fahitana (jereo koa ny Apokalypsy 22:1 sy ilay teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azon’izy ireo atao koa ny manao ny sarin’ny fahitana hitan’i Ezekiela. Mety haneho inona ireo rano? Mety haneho inona ireo hazo voalaza ao amin’ny andininy 12? Angamba azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba nitondran’ny tempoly sy ireo fitahiana avy amin’izany fiainana ara-panahy sy fanasitranana ho azy ireo.

sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka manasitrana antsika ireo fitahian’ny tempoly.

Raha niresaka momba ny rano mikoriana avy ao amin’ny tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela (jereo ny Ezekiela 47:1–12) ny Loholona Dale G. Renlund dia nanao fanamarihana hoe:

“Tsara marihina ny toetra anankiroa nananan’ilay rano. Voalohany, na dia tsy nikoriana nankany amina renirano na farihy lehibe kokoa aza ilay ony kely dia nitombo lasa renirano lehibe izany, lasa nidadasika kokoa ary lalindalina kokoa arakaraka ny fahalaviran’ny korian-dranony. Misy zavatra mitovy amin’izany izay mitranga, dia ireo fitahiana izay mirotsaka avy amin’ny tempoly izany rehefa fehezina ho fianakaviana ny olona. Misy ny fitomboana lehibe eo amin’ireo taranaka efa nifandimby sy mbola hifandimby rehefa mampifandray ireo fianakaviana ny ôrdônansin’ny famehezana.

“Faharoa, nanavao izay rehetra nokasihany ilay ony. Ireo fitahian’ny tempoly dia manana fahafahana hanasitrana mahavariana toy izany koa. Ireo fitahian’ny tempoly dia afaka manasitrana fo sy aina ary fianakaviana” (“Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 47–48).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny hafa handray ny Fanahy. “Indraindray ny mpampianatra mety ho alaim-panahy hieritreritra fa ny fahalalany na ny fomba fampianarany na ny maha-izy azy no manentana ny fanahin’ireo izay ampianariny. … Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tsy ny hanao famelabelarana mahavariana fa hanampy ny hafa kosa handray ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ilay tena mpampianatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).