Testamenta Taloha 2022
17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3: “Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany”


“17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3: -Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
sary sokitr’i Jeremia ilay mpaminany

The Cry of Jeremiah the Prophet (Ny fitomanian’i Jeremia ilay Mpaminany), avy amin’ny sary sokitra nataon’ny Sekoly Nazareana

17–23 ôktôbra

Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3

“Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany”

Saintsaino ireo fahatsapana azonao nandritra ny fandalinanao manokana ny Jeremia sy ny Fitomaniana. Inona no andalan-tsoratra masina avy amin’ireo toko ireo tsapanao fa hanan-danja amin’ireo izay ampianarinao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany avy amin’ny fandalinany ny soratra masina samirery dia azonao atao ny manoratra andian-teny eny amin’ny solaitrabe tahaka ny hoe Nianatra aho fa … , Manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny … aho, na Izaho dia niaina … Afaka mizara zavatra avy amin’ny Jeremia na ny Fitomaniana ny olona ao amin’ny kilasy mba hamenoana ireo fehezan-teny ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jeremia 30–31; 33; Fitomaniana 1:1–7; 3:1–5

Ny Tompo dia hamoaka ny Isiraely hiala ny fahababoana ary hanangona azy ireo.

  • Ireo hafatra mifono fanantenana ao amin’ireo faminanian’i Jeremia dia afaka manome fanantenana ho an’ny mpianatra manoloana ny toe-javatra manokana misy azy ireo. Azon’ny olona ao amin’ny kilasinao atao mihitsy ny mifanakalo hevitra momba ireo toe-javatra izay mety hahatonga ny olona amin’ny androntsika ho kivy toy ny tsapan’ny vahoaka tamin’ny fotoanandron’i Jeremia (jereo ny Jeremia 30:5; 31:15; Fitomaniana 1:1–7; 3:1–5; ary ny teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azonao zaraina ho vondrona telo ny olona ao amin’ny kilasy avy eo dia asao ny vondrona tsirairay hamerina hijery ny Jeremia 30; 31; ary 33 hitadiavana hafatra izay mety hitondra fanantenana ho an’ny olona amin’izao fotoana izao. Ahoana no nanampian’ny fanantenana ao amin’ny Tompo antsika mba haharitra ireo fitsapana?

Jeremia 31:31–34; 32:37–42

“Ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.”

  • Ny famerenana mijery ny Jeremia 31:31–34; 32:37–42 dia afaka manampy ny kilasinao hisaintsaina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo. Fomba iray hamporisihana hanao fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo ny manome minitra vitsivitsy ny olona ao amin’ny kilasy mba hamakiana ireo andininy ary avy eo dia manoratra amin’ny taratasy kely iray ny fanontaniana izay tian’izy ireo apetraka amin’ny iray kilasy momba ny zavatra novakiny. Azon’izy ireo resadresahana ohatra ny dikan’izany hoe manana ny lalàn’ Andriamanitra voasoratra ao am-pontsika izany (jereo ny Jeremia 31:33) na ny hanampian’ny fanekempihavanana antsika ho lasa mahafantatra ny Tompo (jereo ny Jeremia 31:34). Angòny ireo taratasy kely ary makà vitsivitsy amin’izany hifanakalozana hevitra ao an-dakilasy. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ka manentana antsika mba hahery fo amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika?

Sary
ankizivavy mandalina soratra masina

Afaka manentana antsika mba hibebaka sy hitodika amin’ny Tompo ny soratra masina.

Jeremia 36

Manana hery hampiala antsika amin’ny ratsy ny soratra masina.

  • Ny olona ao amin’ny kilasy dia mety nahita hevi-baovao momba ny soratra masina rehefa nandalina ny Jeremia 36 tany an-trano. Asao izy ireo hizara izay nianarany. Azonao omena ny mpianatra ihany koa ny anaran’olona iray resahina ao amin’ilay toko ary asao izy ireo hamaky ny zavatra nataon’io olona io tamin’ny tenin’ Andriamanitra. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mandalina ny teny sy ny asan’ny Tompo (jereo ny andininy 1–3, 27–31); Jeremia (jereo ny andininy 4–7,32); Baroka (jereo ny andininy 4, 8–10, 14–18); Jehody sy ny mpanjaka Joiakima (jereo ny andininy 20–26); ary i Elnatana, Delaia ary Gemaria (jereo ny andininy 25). Ahoana no hanehoan’ny teny sy ny zavatra ataontsika ny zavatra tsapantsika momba ny soratra masina?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka manana fanantenana foana ianao.

Ny Filoha M. Russell Ballard dia nilaza toe-javatra sasany izay mety hahatonga ny olona ho kivy, ka dia nanome torohevitra momba ny hoe aiza no ahitana fanantenana izy:

“Ny sasany amintsika dia mety hahita fa vesaran’ny fahasorenana sy ny hakiviana, ary ny alahelo ny fiainantsika. Betsaka no mahatsiaro ho tsy afa-manoatra mba hiatrika ny korontana izay toa manjaka eto amin’izao tontolo izao. Ny hafa kosa dia mangirifiry noho ny olona ao amin’ny fianakaviana izay voasintona mafy amin’ny fanaovana ireo zavatra mampitotongana ny fenitry ny fitsipi-pitondran-tena izay hironan’ny maro. … Ny maro dia efa nilavo lefona ka nanaiky fa ny faharatsiana sy ny habibian’izao tontolo izao dia tsy misy fanafany intsony. Tsy nanantena intsony izy ireo.…

“… Ny sasany amintsika dia mety namery ny fanantenana rehetra noho ny fahotana sy ny fandikan-dalàna. Ny olona iray dia mety ho tafarotsaka lalina amin’ny fomban’izao tontolo izao ka tsy mahita lalana hivoahana amin’izany izy ary very fanantenana tanteraka. Ny fiangaviako amin’ireo rehetra izay tafalatsaka ao anatin’ny fandrik’ilay fahavalo dia ny hoe aza milavo lefona na oviana na oviana! Na dia toa mahakivy tahaka ny inona aza ny toe-javatra na ny mety mbola hivoaran’izany dia minoa ahy fa afaka mahazo fanantenana foana ianao. Foana foana” (“The Joy of Hope Fulfilled,” Ensign, Nov. 1992, 31–32).

“Tena tsotra fa ny hany fanantenantsika ho voaro ara-panahy mandritra ireo fotoana mampisafotofoto ireo dia ny mampitodika ny saintsika sy ny fontsika amin’i Jesoa Kristy. … Ny finoana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia tena ilaintsika mba hananana foana fomba fijery feno fandanjalanjana mandritra ny fotoam-pisedrana sy ny fotoan-tsarotra” (“The Joy of Hope Fulfilled,”32).

Manatsara ny fampianarantsika

Araho ny Fanahy. Tsy azonao vinavinaina ny ho fandehan’ny lesona rehetra, fa rehefa mihaino ny bitsiky ny Fanahy anefa ianao dia hitarika ny lesona Izy. Rehefa vonona ara-panahy ianao dia hanome anao “amin’izany fotoana izany indrindra izay holazaina[o]” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:6; jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).

Hamoaka printy