Testamenta Taloha 2022
10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: “Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”


“10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: -Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
mpaminany miresaka amin’ny olona

Jeremia, nataon’i Walter Rane

10–16 ôktôbra

Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20

“Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”

Eo am-pandalinana dia eritrereto ireo olona ao amin’ny kilasinao, ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantarana ny hafatra hanan-danja indrindra ho azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fomba iray ahafahanao mamporisika ny olona hizara dia ny manasa ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra amina taratasy kely ny fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara izay nianarany nandritra ny fandalinany ny Jeremia tamin’ity herinandro ity. Dia angòny ireo taratasy kely avy eo ary misafidiana vitsivitsy amin’izany hifanakalozana hevitra ao an-dakilasy. Manampy antsika hahatakatra ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba ahoana ny asasoratr’i Jeremia?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jeremia 1:4–19

Voantso hiteny ny tenin’ny Tompo ny mpaminany.

  • Azonao atomboka ny fifanakalozan-kevitra momba ny antson’i Jeremia ho mpaminany amin’ny fampisehoana sarin’ny mpaminany velona, dia angataho ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny fomba nahafantaran’izy ireo fa voantson’ Andriamanitra izy. Azonao angatahana koa izy ireo hizara ny fomba nanampiany ny hafa hahafantatra izany fahamarinana manan-danja izany. Ahoana no hitahian’izany fahalalana izany ny fiainantsika? Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy tanisaina eny amin’ny solaitrabe avy eo ny zavatra ianarany momba ny mpaminany avy amin’ny Jeremia 1:4–19. Inona no ongotan’ireo mpaminany amin’izao androntsika izao na az]eran’izy ireo? Inona no aorin’izy ireo sy amboleny? (andininy 10).

  • Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra nianaran’i Jeremia momba ny tenany ao amin’ny Jeremia 1:5. Inona no mety ho fiantraikan’izany fahalalana izany tamin’ny asa fanompoany? Afaka mamaky ny fanambarana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” sy ireto soratra masina manaraka manohana io fahamarinana io ireto ny olona ao amin’ny kilasy: Almà 13:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56; Abrahama 3:22–23. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana ireo eo amin’ny fomba fiainantsika ny fiainantsika ety an-tany?

Sary
olona mijoro ao amin’ny lavaka famorian-drano tamin’ny andro fahiny

Ny olona tany Isiraely fahiny dia nampiasa lavaka famorian-drano mba hanangonana rano sarobidy.

Jeremia 2; 7

“Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy.”

  • Mba hanentanana fifanakalozan-kevitra momba ny Jeremia 2:13 dia azonao atao sary eny amin’ny solaitrabe ny lavaka famorian-drano iray (fanangonan-drano lehibe any ambanin’ny tany) ary ny loharano iray (loharano voajanahary). Dia afaka mamaky ny Jeremia 2:13 ny olona ao amin’ny kilasy avy eo ka hiresaka momba ny antony maha tsara kokoa ny fakàna rano avy amin’ny loharano iray toy izay avy amin’ny fihadiana lavaka famorian-drano. Inona no mety ho hevitra ara-panahin’ny fanamboarana lavaka famorian-drano triatra? Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hamaky andininy avy amin’ny Jeremia 2 sy 7 ary hizara ny fomba sasany nandaozan’ny Isiraelita ny “loharanon’aina” (jereo ohatra ny, Jeremia 2:26–28; 7:2–11). Nahoana ny “loharanon’aina” no tandindona tsara maneho ny zavatra nomen’ny Mpamonjy antsika?

Jeremia 3:14–18; 16:14–15

Hanangona ny vahoakany ny Tompo.

  • Koa satria nampitahain’i Jeremia tamin’ny fanavotana an’i Isiraely tany Egypta tamin’ny alalan’i Mosesy ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany dia azonao atao ny mampiseho sarin’ilay Fifindramonina (jereo ny rindran-damina ho an’ny 4–10 aprily ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ny olona ao amin’ny kilasy hiresadresaka momba ny lanjan’ilay Fifindramonina ho an’ireo Isiraelita tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mamaky ny Jeremia 16:14–15 ary miresaka ny mbola haha-zava-dehibe kokoa ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny Jeremia 3:14–18). Ny olona ao amin’ny kilasy izay namaky ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” ao anatin’ny fandalinana ataon’ny tenany manokana dia afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny lanjan’ny fanangonana an’i Isiraely (jereo ny Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], fanampin-dahatsoratra ao amin’ny New Era sy Ensign, aog. 2018, 2–17, ChurchofJesusChrist.org). Na azonareo iray kilasy vakina ny ampahany amin’io hafatra io. Ahoana no anangonana an’i Isiraely ao amin’ny faritra misy antsika?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mahafantatra anao ny Ray any An-danitra.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ny fanahinao dia misy mandrakizay. Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama Mpaminaniny: -Efa nofinidy ianao talohan’ny nahaterahanao- [Abrahama 3:23]. Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany momba an’i Jeremia [jereo ny Jeremia 1:5] sy ny olona maro hafa [jereo ny Almà 13:2–3] ny Tompo. Ary nilaza izany momba anao mihitsy aza Izy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:55–56].

“Efa nahafantatra anao nandritra ny fotoana ela be ny Rainao any An-danitra. Ianao, amin’ny maha zanany lahy na vavy anao dia nosafidiany ho tonga ety an-tany amin’izao fotoana izao indrindra, mba ho mpitarika iray ao amin’ity asany lehibe ity eto ambony tany. Nosafidiana ianao, tsy noho ny toetoetranao ara-batana fa noho ny toetoetranao ara-panahy, toy ny herim-po, ny risi-po, ny fahamarinan’ny fo, ny faniriana fahamarinana, ny faniriana fahendrena, ary ny faniriana hanompo ny hafa.

“Talohan’ny nahaterahanao no nahazoanao ny sasany amin’ireo toetra ireo. Ny hafa indray dia azonao hianarana eto an-tany rehefa mikatsaka izany amim-paharetana ianao” (“Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013,107).

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino amin’ny fonao manontolo ny filazantsara. Ho lasa mpampianatra tahaka an’i Kristy ianao rehefa manaiky tanteraka ny filazantsara sy miaina izany isan’andro eo amin’ny fiainanao. Ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy dia tsy mitaky ny maha-tonga lafatra anao—fa mitaky ny fiezahana sy ny fanohizana ny fiezahana fotsiny. Rehefa manao ny tsara indrindra avy aminao amim-pahazotoana ianao ary mikatsaka famelana rehefa lavo, dia afaka ny ho lasa ilay mpianatr’i Kristy ilainy hahatongavanao ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13–14.)

Hamoaka printy