Testamenta Taloha 2022
31 ôktôbra–6 nôvambra. Daniela 1–6: “Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao”


“31 ôktôbra–6 nôvambra. Daniela 1–6: -Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“31 ôktôbra–6 nôvambra. Daniela 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Daniela milaza ny hevitry ny nofin’ny mpanjaka

Daniel Interprets Nebuchadnezzar’s Dream (Milaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara i Daniela), nataon’i Grant Romney Clawson

31 ôktôbra–6 nôvambra

Daniela 1–6

“Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao”

Betsaka amin’ireo olona ao amin’ny kilasy no efa mahafantapantatra ny tantara sasany ao amin’ny bokin’i Daniela. Rehefa mandalina sy miomana hampianatra ianao dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy momba ny fomba azonao hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita lanjany manokana ao amin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety hanampy ny manasa ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny hoe manao ahoana ny fandalinany samirery ny soratra masina na miaraka amin’ny fianakaviany. Rehefa mizara fahatakarana momba ny zavatra nampianarin’ny Fanahy azy tamin’ity herinandro ity ny olona ao amin’ny kilasy dia azonao anontaniana izy ireo hoe inona no nataony ka nitarika tamin’ny fahazoana izany fahatakarana izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Daniela 1; 3; 6

Afaka matoky ny Tompo isika rehefa tsapaina ny finoantsika.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba nanehoan’i Daniela, Sadraka, Mesaka, ary i Abednego finoana ny Tompo, dia azonao angatahana ny mpianatra vitsivitsy hamintina ireo olana izay nianjady tamin’ireo lehillahy efatra ireo, izay voalazalaza ao amin’ny Daniela 1, 3, sy 6. Nahoana no mety ho sarotra ny mijanona ho mahatoky raha teo anatrehan’ireo toe-javatra ireo? Inona no toe-javatra atrehantsika amin’izao fotoana izao ka mitsapa ny finoantsika? Afaka mandalina ny Daniela 1:10–13; 3:15–18; 6:10 ny olona ao amin’ny kilasy, hitadiavana ny fihetsik’ireo lehilahy efatra ireo teo anatrehan’ny olan’izy ireo. Ahoana no hahafahan’ny ohatra nasehon’izy ireo manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba ho mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy?

  • Maro amintsika, tahaka an’i Daniela sy ny namany, no efa nahatsapa faneriterena hilefitra amin’ireo fitsipi-pitondrantena ankatoavintsika. Inona avy ny sasany amin’ireo loharano iavin’izany faneriterena izany eo amin’ny fiainantsika? Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Daniela sy ny namany dia azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy ary ampandraiketina ny vondrona tsirairay ny manadihady ireto toko manaraka ireto: Daniela 1, 3, na 6. Ahoana no nitahian’ny Tompo an’i Daniela, Sadraka, Mesaka, ary i Abednego rehefa nisafidy ny ho mahatoky izy ireo na dia teo aza ny faneriterena natao tamin’izy ireo? Ny vondrona tsirairay dia afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany. Avy eo ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mikaondoha momba ny hoe mijanona ho mahatoky na dia eo aza ny faneriterena ara-piarahamonina na ny karazana faneriterena hafa. Azon’izy ireo ifampiresahana ihany koa ny lanjan’ny fitadiavana namana tsara izay hanohana antsika amin’ny fankatoavana ireo fitsipika arahintsika.

Daniela 2

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

  • Ny firesadresahana momba ny Daniela 2 dia afaka manampy ny kilasinao hahatakatra ny fanatanterahan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tanjona hiafarany ho ilay vato “nendahana tamin’ny tendrombohitra” izay voalaza tamin’ny faminaniana (andininy 45). Ho fanombohana dia azonareo atao famerenana ao an-dakilasy ny famariparitana sy fanazavan’i Daniela ny nofin’i Nebokadnezara, izay hita ao amin’ny Daniela 2:31–45. Dia afaka mampiseho sarina vato ianao avy eo (na manao sarina vato eo amin’ny solaitrabe). Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra nianarany momba ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fampitahana izany amin’ireo famariparitana ilay vato ao amin’ny Daniela 2:34–35, 44–45. Mety hahafantatra mihitsy ampahany amin’ny tantaran’ny Fiangonana ao amin’ny faritra misy anao izay azony zaraina ny olona ao amin’ny kilasy. Ahoana no nahitantsika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela eo amin’ny fiainantsika?

Daniela 2:1–30

Ny fandraisana fanambarana dia mitaky fiomanana ara-panahy.

  • Mety hahazo tombontsoa angamba ny mpianatra amin’ny fianarana momba ny fomba nampiomanan’i Daniela ny tenany amin’ny fandraisana ny fanambarana nilaina mba hamariparitana sy hanazavana ny nofin’i Nebokadnezara. Azonao atomboka amin’ny fangatahana ny olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ny Daniela 2:1–15 izany ary avy eo dia hizara ny mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa ka eo amin’ny toeran’i Daniela izy ireo. Asao izy ireo handinika ny Daniela 2:16–18 hianarana ny zavatra nataon’i Daniela. Inona no ianarantsika avy amin’ny Daniela 1:17 momba ny fomba nanomanan’ Andriamanitra an’i Daniela? Inona no azontsika ianarana avy amin’i Daniela ka afaka manampy antsika rehefa mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana isika? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny teny sy ny zavatra nataon’i Daniela taorian’ny nahazoany fanampiana avy amin’ny Tompo? (jereo ny Daniela 2:20–30).

Sary
zazalahy efatra eo ambony latabatra mandà ny hihinana ny hanina atolotry ny lehilahy iray

Sary maneho an’i Daniela sy ny namany mandà ny sakafon’ny mpanjaka, nataon’i Brian Call

Daniela 3

Rehefa tsy azo antoka ny vokatry ny toe-javatra iray dia mbola afaka misafidy ny hanam-pinoana foana isika.

  • Ny zavatra niainan’i Sadraka, Mesaka, ary i Abednego hita ao amin’ny Daniela 3 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasinao hahatakatra feno kokoa ny dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hamintina ny fanamby natrehan’i Sadraka, Mesaka, ary i Abednego (jereo ny Daniela 3:1–12), dia ifanakalozy hevitra avy eo ny zavatra nataon’izy ireo teo anatrehan’izany (jereo ny Daniela 3:13–18). Inona no ianarantsika momba ny finoana avy amin’ny fihetsika nasetrin’ireo lehilahy efatra ireo? Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe Andriamanitra Izay tompoinay dia … ary ny hoe Ary na dia tsy izany aza… avy amin’ny andininy 17–18. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy aroso ny zavatra hamenoany ny banga amin’ny toe-javatra mety hianjady aminy. Ohatra, azon’izy ireo aroso ny hevitra hoe “Andriamanitra Izay tompoinay dia afaka mamaly ny fanontaniako rehetra” ary ny hoe “Ary na dia tsy izany aza dia hatoky Azy amim-paharetana aho”. Rehefa mizara ohatra ny olona ao amin’ny kilasy dia amporisiho izy ireo hiresaka momba ny fomba anohanan’ny Mpamonjy sy ankaherezany azy ireo na dia rehefa tsy fantatsika aza hoe hanao ahoana ny fandehan-javatra.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà fitaovana misarika ny maso. “Ny zavakanto ahitana ny sary, ny horonan-tsary ary ny filalaovana tantara an-tsehatra dia manampy amin’ny fandrisihana ny mpianatra—indrindra ny mpianatra tia mampiasa ny masony—ary manampy amin’ny fitadidiavana tsara kokoa ireo tantara ao amin’ny soratra masina” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).

Hamoaka printy