Testamenta Taloha 2022
21–27 nôvambra. Jona; Mika: “Tia famindram-po [Izy]”


“21–27 nôvambra. Jona; Mika: -Tia famindram-po [Izy],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21–27 nôvambra. Jona; Mika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
lehilahy mandady eo amin’ny tora-pasika, misy trozona ao amin’ny ranomasimbe ao aoriana

Jonah on the Beach at Nineveh (I Jona teo amoron-dranomasin’i Ninive), nataon’i Daniel A. Lewis

21–27 nôvambra

Jona; Mika

“Tia famindram-po [Izy]”

Ny fiovam-po maharitra dia mitaky mihoatra noho ny lesona manentana fanahy amin’ny Sekoly Alahady isaky ny tapa-bolana. Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hikatsaka traikefa ara-panahy an’ny tena manokana mandritra ny fiainan’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hanoratra andian-teny toy ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe: Fahamarinana nampahatsiahivina ahy, Zavatra vaovao nianarako, ary Zavatra tiako halalinina misimisy kokoa. Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy hanao famerenana ny zavatra nohalalininy tao amin’ny Jona sy Mika izay mifandray amin’ny iray amin’ireo andian-teny eny amin’ny solaitrabe.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jona 1–4; Mika 7:18–19

Mamindra fo amin’izay rehetra mitodika Aminy ny Tompo.

Ny fampahatsiahivana ny kilasinao momba ny famindram-pon’ny Tompo dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany ho azy ireo sy manentana azy ireo mba hibebaka. Azonao asaina ny iray kilasy hamaky ny Mika 7:18–19 ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe zava-nitranga sasany ao amin’ny Jona 1–4 izay mampiseho fa tia famindram-po ny Tompo. Inona ihany koa no zavatra niainana hafa momba ny famindram-pon’ny Tompo azontsika zaraina—avy amin’ny soratra masina na ny fiainantsika manokana?

Ny fiainana ny famindram-pon’ny Tompo dia afaka manentana antsika ho be famindram-po kokoa. Inty dia hevitra iray mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao hianatra momba ny famindram-po avy amin’ny bokin’i Jona. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ity manaraka ity: Inona no azon’ny famindram-pon’ Andriamanitra, araka ny hita ao amin’ny Jona 1–4, ampianarina ahy momba ny hoe mamindra fo kokoa? Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy dia afaka misafidy toko iray mba hatao famerenana ary mikaroka valiny amin’ilay fanontaniana. Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy handinika ireo fahafahana ananany mba hanoloana ny toe-tsaina mitsaratsara ho lasa toe-tsaina feno famindram-po amin’ny tena manokana sy ny hafa.

Sary
olona roa miresaka eo amoron’ny renirano iray

Afaka mizara ny filazantsara amin’ireo zanak’ Andriamanitra isika.

Jona 1; 3–4

Mila mahare ny filazantsara avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

  • Fomba iray hisintonana lesona avy amin’ny tantaran’i Jona ny mampitaha izany amin’ireo tantara ana misiônera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hanoritra tsanganana roa eo amin’ny solaitrabe, mitondra ireo lohateny hoe Jona ary Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià. Asao ny iray kilasy hampitaha ny fihetsik’i Jona manoloana ny tokony hampianarana ny vahoakan’i Ninive (jereo ny Jona 1; 3–4) amin’ny fihetsik’ireo zanakalahin’i Môzià manoloana ny tokony hampianarana ny Lamanita (jereo ny Môzià 28:1–5; Almà 17:23–25). Inona no ianarantsika avy amin’izany momba ny fizarana ny filazantsara amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra?

  • Tahaka an’i Jona dia maro amintsika no mahatsiaro ho misalasala hanasa ny hafa hitodika amin’ny Tompo. Inona no mety ho antony sasany nandosiran’i Jona ny antsony hampitandrina ny vahoakan’i Ninive? Nahoana isika indraindray no misalasala hizara ny filazantsara? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ireo fomba nanampian’ny Tompo azy ireo handresy ny fisalasalany. Ny torohevitry ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy hamantatra fitsipika izay afaka manamafy ny ezaka ataontsika hizara ny filazantsara.

Mika 6:6–8

“[Inona no] ilain’i Jehovah aminao?”

  • Ny Mika 6:6–7 dia milaza singa vitsivitsy momba ana fombafomba Jiosy fahiny. Saingy misy ireo zavatra izay manan-danja kokoa amin’ Andriamanitra mihoatra noho ireo fombafomba ivelany. Asao ny olona ao amin’ny kilasy hitady ireo zavatra manan-danja ireo ao amin’ny andininy 8. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao tsara ny mamantatra andian-teny manan-danja ao amin’io andininy io ary mifanakalo hevitra momba ny mety ho hevitry ny andian-teny tsirairay. Azon’izy ireo atao ny misafidy ny andian-teny tiany indrindra, dia mitady ny soratra masina mifandraika amin’izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny hira mifandraika amin’izany ao amin’ny cantiques, ary mizara ny zavatra nianarany avy eo. Nahoana ireo fitsipika ireo no manan-danja amin’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fitiavana, ohatra, ary fijoroana ho vavolombelona.

Taorian’ny niresahany momba ny fampitandreman’i Jona ny vahoakan’i Ninive, ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara zavatra niainana iray, ka nanome fampitandremana azy ny reniny tao anatin’izany:

“Mbola tadidiko foana ilay reniko niresaka moramora tamiko indray sabotsy atoandro, fony aho mbola zazalahy kely, raha nangataka lalana aho hanao zavatra iray izay neritreretiko fa tena feno fahendrena tanteraka, zavatra izay fantany fa mampidi-doza. Mbola tena gaga aho amin’ny hery izay voarainy, izay inoako fa avy amin’ny Tompo, nahafahany nampiova hevitra ahy tamin’ny teny vitsy monja. Raha ny fahatsiarovako azy dia toy izao izany: -Eny e, heveriko fa azonao atao izany. Kanefa anao ny safidy.- Ny mba hany fampitandremana dia tao amin’ilay tsindrim-peo izay napetrany tamin’ireo teny hoe azonao sy safidy. Kanefa dia ampy ahy izany.

“Ny heriny nentiny hampitandremana ahy tamin’ny alalan’ny teny vitsy monja dia avy amin’ny zavatra telo izay fantatro momba azy. Voalohany, fantatro fa tia ahy izy. Faharoa, fantatro fa efa nanao ny zavatra izay tiany ataoko izy, ary notahiana izy tamin’ny alalan’izany. Ary fahatelo, dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona feno fahatokiana tamiko izy fa ilay safidy tokony ataoko dia zava-dehibe loatra ka holazain’ny Tompo amiko ny tokony hatao raha mangataka Aminy aho. Ny fitiavana sy ny ohatra ary ny fijoroana ho vavolombelona: ireo dia tena nanan-danja tamin’io andro” (“A Voice of Warning,” Ensign, Nov. 1998,32).

Manatsara ny fampianarantsika

Miomàna. Ny fampianarana ny filazantsara amin-kery dia manomboka amin’ny fiomanantsika manokana. Mialoha ny hanomananao ny lesonao dia mifantoha amin’ny famenoana ny fonao amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandalinana sy vavaka tena vokatry ny fo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12.)

Hamoaka printy