Testamenta Taloha 2022
28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania: “Fanaony hatry ny fahagola ny Azy”


“28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania: -Fanaony hatry ny fahagola ny Azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
i Jesoa mijery ny kintana

“Fanaony hatry ny fahagola ny Azy” (Habakoka 3:6). Tamin’ny voalohany ny Teny, nataon’i Eva Timothy

28 nôvambra–4 desambra

Nahoma; Habakoka; Zefania

“Fanaony hatry ny fahagola ny Azy”

Ny ohatra asehonao amin’ny maha-mpianatra ny filazantsara anao dia afaka mitahy ny olona ao amin’ny kilasinao. Zarao amin’izy ireo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina anao hahatakatra ny soratra masina, dia lazao ny fatokian-tena anananao fa afaka manampy azy ireo ihany koa Izy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny hevi-baovaony avy amin’ny fandalinany ny soratra masina dia azonao soratana atao lohateny eny amin’ny solaitrabe ny hoe Nahoma, Habakoka, ary Zefania. Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy soratana eo ambanin’ireo lohateny avy eo ny teny na andian-teny iray izay niavaka tamin’izy ireo ary ny toko sy andininy nahitany izany. Omeo fotoana izy ireo hanazavana ny antony maha-manan-danja ireo teny na andian-teny ireo amin’izy ireo ary ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo.

Ampianaro ny fotopampianarana

Nahoma 1

Sady mahery no be famindram-po ny Tompo.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny hikarohana ao amin’ny Nahoma 1 andininy izay mamariparitra ny toe-tsain’ny Tompo. Azonao anontaniana ny olona ao amin’ny kilasy ny zavatra nianarany momba ny Tompo avy amin’ny fandalinany manokana. Ohatra, inona no ianarantsika momba Azy avy amin’ireo andininy 1–9? Azonao hazavaina fa naminany momba ny fitsaran’ny Tompo an’i Ninive renivohitr’i Asyria i Nahoma. I Asyria dia nampahory ny Isiraelita nandritra ny taona maro. Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo Isiraelita ny maheno ny hafatr’i Nahoma momba an’ Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe ho antsika amin’izao fotoana izao izany?

    Sary
    lapa tranovato

    “Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana” (Nahoma 1:7).

Habakoka 1:1–4; 2:1–4;3

Afaka matoky ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo isika.

  • Mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy ny mahafantatra fa tahaka ny maro amintsika, i Habakoka dia sahiran-tsaina noho ny zavatra hitany teo amin’ny tontolo manodidina azy. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mamaky ny Habakoka 1:1–4 ary mamintina ny ahiahin’i Habakoka. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampitaha ny fanontaniany amin’ny an’ny hafa ao amin’ny soratra masina, toy ireo izay hita ao amin’ny Marka 4:37–38 ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6. Inona ihany koa no fanontaniana mitovitovy amin’izany apetraky ny olona momba an’ Andriamanitra ankehitriny? Inona no torohevitra nomen’ny Tompo tao amin’ny Habakoka 2:1–4 ka manampy anao hatoky ny sitrapony sy ny fotoany? (jereo ny Marka 4:39–40; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8). Afaka mahita hevi-baovao manampy hafa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny mpianatra. Azon’izy ireo soratana ihany koa ny fomba nanampian’ny Mpamonjy azy ireo “ho velon’ny finoany” na dia manana fanontaniana tsy voavaly aza izy ireo.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny Habakoka 3 dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hanao famerenana ilay toko ary hizara ireo fanehoana dera sy finoana hitan’izy ireo. Mba hanampiana azy ireo hampihatra ireo teny ireo amin’ny tenan’izy ireo manokana dia azonao asaina ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy hitanisa ireo fitahiana nomen’ Andriamanitra azy. Asao izy ireo hisaintsaina izay mety hitranga raha toa ka very ireo fitahiana ara-batan’izy ireo sasany. Iaraho vakina ny Habakoka 3:17–19, dia ifanakalozy hevitra ny antony mety hahasarotra ny hoe “hifaly amin’i Jehovah” (andininy18) mandritra ny fotoan-tsarotra toy ireo izay fariparitana ao amin’ny andininy17. Ahoana no fomba hahafahantsika mampitombo finoana toy ny an’i Habakoka?

Zefania 3:14–20

Hifaly miaraka amin’ny vahoakany ao Ziona ny Tompo.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hanana fanantenana ny amin’ny hoavy ao amin’ny Zefania 3:14–20 dia azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ny hoe “Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra satria … Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mikaroka ao amin’ireo andininy ireo ny fitahiana nampanantenaina amin’ny hoavy izay afaka manampy azy ireo mba hiravoravo ankehitriny. Ahoana no ahafahan’ireo fampanantenana ireo manampy antsika mandritra ireo fotoan-tsarotra?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny finoana dia fatokisana ny fahendrena, fangorahana ary fotoan’ Andriamanitra.

Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Hafiriana isika no miandry ny hohamaivanina amin’ireo zava-tsarotra izay mitranga amintsika? Ary ahoana ny amin’ny fiaretana ireo fitsapana an’ny tena manokana eo am-piandrasantsika hatrany hatrany kanefa toa ela vao tonga ny fanampiana? Nahoana no misy fahatarana rehefa toa tsy zakantsika intsony ireo enta-mavesatra?…

“… Hisy fotoana eo amin’ny fiainantsika izay, na ny ezaka ara-panahy tsara indrindra ataontsika sy ireo vavaka fitalahoana ataontsika amin’ny fo aza dia tsy hitondra ireo fandresana niriantsika, na mahakasika ireo olana lehibe maneran-tany izany na ireo olana an’ny tena manokana. Ka eo am-panaovantsika asa sy iandrasantsika miaraka ny valin’ireo vavaka sasany ataontsika dia manolotra anareo ny fampanantenana amin’ny maha-apôstôly ahy aho fa misy mahare izy ireny ary voavaly na dia tsy mitranga amin’ny fotoana na amin’ny fomba tiantsika aza izany. Kanefa dia voavaly foana izy ireny amin’ny fotoana sy amin’ny fomba izay tokony hamalian’ny ray aman-dreny manana ny fahalalana rehetra sy feno fangorahana mandrakizay azy ireny.…

“… Ny finoana dia midika fatokisana an’ Andriamanitra na amin’ny fotoana tsara na ratsy na dia midika aza izany fa hisy fijaliana mandra-pahitantsika ny fanehoany ny sandriny hamonjy antsika” (“Eo am-piandrasana ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 115–16).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana ahazoana valiny voavelabelatra. Rehefa manontany ny olona ao amin’ny kilasy momba ny zavatra iainany amin’ny soratra masina dia, “avelao izy ireo hahafantatra fa tsy mitady valiny iray manokana ianao fa tena liana amin’izay zavatra nianaran’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29). Mba hahitana ohatra ana fanontaniana hahazoana valiny mivelabelatra dia jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31–32.

Hamoaka printy