Testamenta Taloha 2022
19–25 desambra. Krismasy: “Izay nandrasantsika hamonjy antsika”


“19–25 desambra. Krismasy: -Izay nandrasantsika hamonjy antsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“19–25 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2022

Sary
I Jesoa zazakely notafiana lamba fotsy sy mandry ao anaty vilona

Fa zaza no teraka ho antsika, nataon’i Simon Dewey

19–25 desambra

Krismasy

“Izay nandrasantsika hamonjy antsika”

Mandritra ny fandalinanao manokana sy ny fiomananao hampianatra dia diniho ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hahatsapa ny fifaliana lehibe avy amin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Asao ny Fanahy hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ny fitiavana manavotr’i Jesosy Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety ho fotoana tsara hanasana ny mpianatra hizara ny fomba nampatanjahan’ny fandalinana ny Testamenta Taloha ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny vanim-potoan’ny Krismasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Mifaly ao amin’ny Mpanavotra antsika isika.

  • Na dia fantatra ho vanim-potoam-pifaliana iray aza ny Krismasy dia maro ireo toe-javatra iainan’ny olona ka manasarotra ny fahitana fifaliana, na dia mandritra ity vanim-potoana anatin’ny taona ity aza. Hafatra iray manan-danja amin’ny Krismasy ny hoe afaka manamaivana ny enta-mavesatsika sy manampy antsika hahita fiadanam-po ary koa fifaliana ny Mpamonjy. Mba hizarana ity hafatra ity dia azonao atao ny manoratra eo amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Salamo 35:9; Isaia 25:8–9; 44:21–24; 51:11; Zefania 3:14–20; Mosesy 5:5–11. Dia azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ny fanontaniana iray hosaintsainin’ny mpianatra eo am-pamakiany ireo andalan-tsoratra masina, toy ny hoe Inona avy ireo antony omen’ireo andalan-tsoratra masina ireo ka tokony hampifaly anao? Angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany. Azonao atao koa ny manome fotoana ny mpianatra hanoratra momba ny fifalian’izy ireo manokana ao amin’ny Mpamonjy. Mety hahita hevitra fanampiny avy amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izy ireo.

  • Ny Krismasy dia manome fahafahana hampielezana ny hafalian’i Kristy amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra niainany manokana tamin’ny fanaovana na fandraisana asa fanompoana nandritra ny vanimpotoan’ny Krismasy.

Ireo famantarana dia afaka manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mitanisa famantarana vitsivitsy ao amin’ny Testamenta Taloha izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ireo sy ireo famantarana hafa hitany tao amin’ny fandalinany. Inona no nianarantsika momba ny fahitana ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina? Inona avy ireo zavatra niainana nampianatra antsika fa “ny zavatra rehetra dia nohariana sy natao mba ho vavolombelona manambara [Azy]”? (Mosesy 6:63).

Nomen’ Andriamanitra antsika ny fanomezana ny Zanany Lahy.

  • Ny fanolorana fanomezana dia fomba fanao amin’ny Krismasy any amin’ny ankamaroan’ny kolontsaina. Azonao atao ny mitarika fifanakalozan-kevitra amin’ny mpianatra momba ireo fanomezana nomen’ Andriamanitra antsika, indrindra ny fanomezana ny Zanany Lahy, dia i Jesoa Kristy. Ahoana no ampisehoantsika amin’ny Ray any An-danitra ny fankasitrahantsika an’io fanomezana io?

Isaia 7:14; 9:5

“Ny anarany dia hantsoina hoe Mahagaga.”

  • Nampiasa anarana sy anaram-boninahitra maro ny mpaminany Isaia mba hilazana ny Mesia, izay ho teraka ao Betlehema (jereo ohatra ny Isaia 7:14; 9:5). Angamba mety hoankafizin’ny mpianatra ny mianatra misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy amin’ny alalan’ny fianarana momba ireo anarana fiantsoana ireo. Afaka mifidy anarana fiantsoana iray izy ireo ary mitady andinin-tsoratra masina hafa izay manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’izany. Ohatra, mety hianatra kokoa momba ny anarana fiantsoana hoe “Andrian’ny Fiadanana” (Isaia 9:5) izy ireo amin’ny famakiana ny Salamo 85:8; Isaia 52:7; Lioka 2:14; na Jaona 16:33. Mba hanampiana ny mpianatra hahita soratra masina hafa dia toroy hevitra izy ireo hijery ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Milaza inona momba ny Mpamonjy sy ny zavatra ataony ho antsika ireo fiantsoana ireo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manome antsika fiadanana sy fifaliana i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga, na tsy mitranga, eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra. Tsapantsika izany amin’ny vanimpotoan’ny Krismasy rehefa hiraintsika ny: -Oh! Quel bonheur.- [Cantiques, no. 123]. Ary tsapantsika mandritra ny taona izany. Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia i Jesoa Kristy no fifaliana!…

“Tahaka ny anoloran’ny Mpamonjy fiadanana izay -mihoatra ny fahatakarana rehetra-[Filipiana 4:7], dia manolotra fifaliana lehibe sy lalina ary mivelatra izay tsy takatry ny fahaizana sy ny fahatakaran’ny olombelona ihany koa Izy” (“Fifaliana sy fahavelomana,” Liahona, nôv. 2016,82).

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanomanana miaraka amin’ny fieritreretana ireo olona sahaninao. “Aoka ny fahatakarana ny momba ireo olona ampianarinao no hitarika ny drafitrao. … Tsy hoe manolo-tena ny hampiasa fomba enti-mampianatra iray manokana akory ny mpampianatra tahaka an’i Kristy fa manolo-tena ny hanampy ny olona hanorina ny finoana eo amin’i Jesoa Kristy (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,7).

Hamoaka printy